Ny fitsipi-pifehezana sy ny fitondran-tena ary ny fahalalam-pomba dia taratry ny fivoaram-piainana ho amin'ny tsara kokoa. Rehefa tsy te handray ny fanabeazana homena azy ny ankizy dia mety ho tojo lalana sarotra, ohatra amin'ireny ny fiainana ara-pitiavana iainan'ny mpianatra, tanora. Ny vehivavy mitoetra irery, mahaleo tena dia misy fiatraikany ara-panabeazana ny zanaka ary mahakasika ny fivoaram-piainana izany... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...