Nanofana tanora maro misehatra amin’ny asa famokarana eny ambanivohitra nandritra ny taona maro ny Réseau SOA sy ny mpiara-mimbona antoka aminy. Maro amin’ireo tanora voaofana sy napetraka eny amin’ny tontolo ambanivohitra ireo no efa manana asa mitombona tsara amin’ny alalan’ny tetik’asa nataony.
An’hetsiny isan-taona ny tanora tonga eo amin’ny tsenan’ny asa eto Madagasikara, ka isan’ny mamaha olana amin’ny fahitana asa ny famokarana eny ambanivohitra. Antony mahatonga ny Réseau mikaroka ny lalana rehetra anohanana ireo tanora te hanabe voa ny asa maha tantsaha. Isan’izany Andrianarizaka Jean Victor. Tanora milofo amin’ny famokarana masomboly tsaramaso, mpikambana ao amin’ny vovonana FISOI, ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, filohan’ny fikambanana fototra Miarina.
Mahavelona tsara ny asa famokarana eny ambanivohitra, hoy Andrianarizaka Jean Victor rehefa ifotorana tsara. Olana ny fiovan’ny toetr’andro, izay mandiso ny kajy, noho ny voka-dratsy aterany. Misy anefa ny vahaolana ho azy, dia ny fanarahana ny teknika miaro ny tontolo iainana. Teknika mahomby araka ny fanazavany.
Isan’ny nahazo tohana fampitomboana fahalalana tamin’ny alalan’ny tetik’asa FO FS an’ny AGRICORD, vatsian’ny GIZ vola, ary tanterahan’ny Réseau SOA sy ny AFDI moa ity tanora teknisiana ity.