Nanofana tanora maro misehatra amin’ny asa famokarana eny ambanivohitra nandritra ny taona maro ny Réseau SOA sy ny mpiara-mimbona antoka aminy. Maro amin’ireo tanora voaofana sy napetraka eny amin’ny tontolo ambanivohitra ireo no efa manana asa mitombona tsara amin’ny alalan’ny tetik’asa nataony.

An’hetsiny isan-taona ny tanora tonga eo amin’ny tsenan’ny asa eto Madagasikara, ka isan’ny mamaha olana amin’ny fahitana asa ny famokarana eny ambanivohitra. Antony mahatonga ny Réseau mikaroka ny lalana rehetra anohanana ireo tanora te hanabe voa ny asa maha tantsaha. Isan’izany Andrianarizaka Jean Victor. Tanora milofo amin’ny famokarana masomboly tsaramaso, mpikambana ao amin’ny vovonana FISOI, ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, filohan’ny fikambanana fototra Miarina.

Mahavelona tsara ny asa famokarana eny ambanivohitra, hoy Andrianarizaka Jean Victor rehefa ifotorana tsara. Olana ny fiovan’ny toetr’andro, izay mandiso ny kajy, noho ny voka-dratsy aterany. Misy anefa ny vahaolana ho azy, dia ny fanarahana ny teknika miaro ny tontolo iainana. Teknika mahomby araka ny fanazavany.
Isan’ny nahazo tohana fampitomboana fahalalana tamin’ny alalan’ny tetik’asa FO FS an’ny AGRICORD, vatsian’ny GIZ vola, ary tanterahan’ny Réseau SOA sy ny AFDI moa ity tanora teknisiana ity.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...