Nahavelom-belo ny mpiantsehatra amin’ny lalam-pihariana ronono iny taona 2025 lasa iny. Nivoatra hatrany mantsy ny tontolon’ny lalam-pihariana ronono eto amintsika hoy ny filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB.

Afaka nametraka ny tolo-draharaha nahafahana nanatsara sy nampivoatra ny lalam-pihariana ronono ny MDB, hoy Andriamatoa Rabemananjara Safidy. Niverina amin’ny sehatry ny maha matianina hatrany ny lafiny fikirakirana ronono eto amintsika. Hamoaka ny mari-pamantarana hahalalana ny vokatr’ireo mpikambana ao aminy koa ny Malagasy Dairy Board na ny MDB atsy ho atsy. Fitaovana hahalalana manokana ny ronono sy ny vokatra avy aminy vokarin’ny mpikambana ny mari-pamantarana. Antoka iray lehibe koa iantohana ny kalitaon’ny vokatra manoloana ny fifaninana eo amin’ny tsena ankehitriny. Maro ireo fepetra ampiharin’ny MDB hananana izay kalitao izay ka amin’ny alalan’io mari-pamantarana io no ihavahana amin’ny vokatra hafa.

Manoloana izany rehetra izany, manohy hatrany ny fanofanana an’ireo mpikambana sy ho an’ireo izay misehatra amin’ny lalam-pihariana ronono ny MDB amin’ity taona ity. Tanjona ny hampitomboana ny vokatra, toa izany koa ny fanjifana eto Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...