Mampitombo ny vola miditra hoan’ny fianakaviana misehatra aminy ny fambolena voly maharitra toa ny voasary. Maro amin’ireo tantsaha ao amin’ny vovonam-pikambanana SOA MITAMBATRA faritra Amoron’i Mania no mifototra amin’izy io ankehitriny. Isan’izany Madame Njara ao amin’ny fikambanana fototra Soa Maniry ao Ambondromisotra distrikan’Ambatofinandrahana....

Voasary 700 fototra ny azy ankehitriny no efa ahazoana vokatra ary mbola namboly 500 sy arivo fototra hafa ihany koa izy tao anatin’ny telo taona nisesy izao. 500 fototra isan-taona. Mamokatra karazana voasary maro ireo tantsaha arakaraka ny filan’ny tsena.

Efa ho folo taona izao ny fikambanana no niantsehatra amin’ny fambolena voasary ankohatra ny famokarana masomboly ifotoran’ny vovonam-pikambanana SOA MITAMBATRA. Efa mamokatra ary efa manakoriana ny vokatra eo amin’ny tsena izy ireo.

Hatreto Antsirabe sy Ambositra ihany no andefasana ny vokatra. Ampitadiavana lalam-barotra hafa izy ireo ankehitriny. Vokatra ny voasary hoy Ramatoa Njara saingy miankina amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fomba entina miatrika izany koa ny vokatra azo.

Maniry ny hanitatra ny famokarana ireto tantsaha mivondrona ao amin’ny Soa Maniry ao Ambondromisotra ireto. Efa nisy ny tany natolotra azy ireo. Olana ny asan-dahalo, ka tsy ahafahan’izy ireo mifindra monina hanabe vo izay famokarana izay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...