11 febroary — Natokan'ny Fiangonana hankalazana an'i Masina Maria niseho tany Lourdes ny 11 febroary. I Masina Maria izay nambara fa nanalefaka ny fijalian'ny olona maro teo amin'io toerana io ary nampihavana fanahy maro tamin'Andriamanitra.

Tao Lourdes no nisehoan'i Masina Maria ho mpitondra tenin'ny sitrapon'Ilay Zanak'Andriamanitra. Betsaka ny traik'efa hita ao Lourdes: ao ny olona no mianatra mijaly toa an'i Kristy ary manaiky ny fangirifiriana toy ny naneken'i Kristy ny fampijaliana azy. Fa ao amin'io toerana io ihany koa no ianarana fa manamaivana ny fijaliana ny finoana. Fijaliana izay manjary fanehoana fitiavana.

Ny 11 febroary 1984 ny papa Joany Paoly II no nanolotra ilay taratasy apôstôlika manazava ny hevitra na ny lanjan'ny fijaliana eo amin'ny fiainana kristianina. Taratasy apôstôlika nampitondrainy ny lohateny hoe "Salvici doloris". Herintaona taorian'io izy no nanangana ny Filankevitra Pôntifikaly ho an'ny pastôralin'ny fahasalamana ary nambarany fa andro eran-tany ho an'ny marary sy ireo mpitsabo ary ireo mpikarakara azy ny 11 febroary. Tamin'ny 13 mey 1992 no nanambarany izany ampahibemaso.

Dia izay ihany koa no mbola tohizin'ny Fiangonana amin'izao fotoana izao, hahatsiarovana ireo rehetra miaina izany fangirifiriana izany, ireo rehetra mikarakara azy, ireo mpitsabo azy amin'ity 11 febroary ity.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...