♦ Vonona amin'ny fanatsarana ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara ny fitondram-panjakana Malagasy, fepetra maro no efa napetraka momba izany... ♦ Omena tombondahiny amin'ny famatsiam-bola ao amin'ny Banky BNI ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fampivoarana ny maha olona sy ny fiarovana ny tontolo iainana... ♦ Hitsangana tsy ho ela eny amin'ny antenimieram-pirenena ny vondrona parlemantera tsy miankina, izay hijoro ho hery afovoany... ♦ Olona 11 indray no namoy ny ainy ny alin'ny sabotsy hifoha omaly alahady vokatry ny daroka baomba nataon'ny tafika Rosiana an'i Ukraine tany Zapporijja sy Donesk... ♦ Olona 5 no maty, ka ny 3 tany Frantsa ary 2 tany Suisse vokatry ny andro ratsy ora-mikija...

♦ Tsy an'asa avokoa ny 68,50% ny tanora Malagasy latsaky ny 24 taona, tanora 500.000 isan-taona anefa no mahavita fianarana tokony hiditra amin'ny tontolon'ny asa... ♦ Ramilison Nomenjanahary : Fandresena ho an'ny vahoakan'i Faratsiho ny vikam-pifidianana ôfisialy navoakan'ny HCC, mitaky sy miandry ny asa ho ataon'ny solombavambahoaka voavao amin'izay ny vahoaka... ♦ Mahazo vahana ao amin'ny renivohitry ny distrika Betafo ny trangana famonoantena feo amin'ny tanora ka ny lehilahy no maro an'isa amin'ireo manao izany... ♦ Any Etats Unis : Nivoaka sempotra tamin'ilay ady hevitra nifanaovany tamin'ny Kandidan'ny Antoko repoblikanina Donald Trump ny filoha Joe Biden...

Alahady faha-13 mandavantaona - B : Ny hahavelona antsika no irin'Andriamanitra ; Aleloia, Aleloia, Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. Aleloia. Ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao.Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan’ny velona. Ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’ireo havanareo mahantra. Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra no ho fahambonianareo koa amin’ny fahasoavam-piantrana. I Jesoa Kristy no Tompon’ny aina, na amin’ny ara-nofo na amin’ny ara-panahy, koa mangataha aminy mba hovelominy lalandava amin’ny Ainy isika...

♦ Radio Don Bosco : Mamita ny hiraka nampanaovin'Andriamanitra sy ny fikambanana Saleziana ary natao ho an'ny Malagasy rehetra hoy ireo nandaha-teny nandritra ny fankalazana ny faha-28 taonany ny 27 jona 2024 teo... ♦ Mitaky ny famoahana an'Andriamatoa Mahavita Sylvestre any amponja noho izy lany solombavambahoaka ôfisialy araka ny didiny HCC ny fikambanana BAAM sy ny Grand Sud-Est... ♦ Nanao hetsika fitakiana ny hampiodinana ny Base Toliara ireo mpanohana ny tetik'asa nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona 2024 lasa teo... ♦ Olona iray no namoy ny ainy 09 hafa naratra vokatry ny fianjeran'ny cabine iray nitondra olona amin'ireny fitanterana an-tariby na téléphérique ireny tany Medellin any Colombie...

♦ 27 jona 1996 - 27 jona 2024 : Mankalaza ny faha-28 taona nijoroany amin'ity anio ity ny Radio Don Bosco, hanohy ny ezaka amin'ny fanatonana bebe kokoa ny mpihaino ho an'ny 28 taona ho avy ny onjam-peo hoy ny Tale mpitantana... ♦ Anio amin'ny 10ora maraina no hamoaka ny vokatra ôfisialy tamin'ny fifidianana solombavambahoaka izay notanterahina ny 29 mey lasa teo ny fitsarana Avo momba ny Lalam-Panorenana ; naherin'ny 1.300 ireo fitoriana voarain'ity rafi-pitsarana ity momba izany... ♦ Hamelona ny afon'ny fitiavan-tanindrazana ny fankalazana ny faha-64 taona nahazoana ny fahaleovan-tena ka hiray fo, hiray hina ny Malagasy ary hiaraka hampandroso ny firenena hoy ny Filoha Rajoelina Andry...

♦ 27 jona 1996 - 27 jona 2024 : Mankalaza ny faha-28 taona nijoroany amin'ity anio ity ny Radio Don Bosco, hanohy ny ezaka amin'ny fanatonana bebe kokoa ny mpihaino ho an'ny 28 taona ho avy ny onjam-peo hoy ny Tale mpitantana... ♦ Anio amin'ny 10ora maraina no hamoaka ny vokatra ôfisialy tamin'ny fifidianana solombavambahoaka izay notanterahina ny 29 mey lasa teo ny fitsarana Avo momba ny Lalam-Panorenana ; naherin'ny 1.300 ireo fitoriana voarain'ity rafi-pitsarana ity momba izany... ♦ Hamelona ny afon'ny fitiavan-tanindrazana ny fankalazana ny faha-64 taona nahazoana ny fahaleovan-tena ka hiray fo, hiray hina ny Malagasy ary hiaraka hampandroso ny firenena hoy ny Filoha Rajoelina Andry...

♦ Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana mandritra ny Matso eny Mahamasina rahampitso. Hiavaka ihany koa ny Afomanga eny Anosy anio hariva, amin'ny alalan'ny "Seho Drone" haharitra 20 minitra... ♦ Mafampana ny any Vangaindrano amin'izao fotoana mialoha ny fetim-pirenena izao. Hihetsika ny Ampanjaka Antefasy any an-toerana ho an'ny lanonana ôfisialy hanamarihana ny fetin'ny fahaleovan-tena rahampitso 26 jona 2024... ♦ Ny alakamisy 27 jona izao no hamoaka amin'ny fomba ôfisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka ny HCC. Hitodika eny Ambohidahy indray ny mason'ny rehetra aorian'ny fetim-pirenena... ♦ Nahafatesana olona sy naharatràna 37 hafa ny fifanosehana tany Rwanda, famoriam-bahoaka nataon'ny filoha Paul Kagamé...

♦ Mpitandro ny filaminana hatrany amin'ny 4.000 isa no handray anjara amin'ny Matso eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina rahampitso 26 jona ; ho hentitra ny fitandroana ny filaminana... ♦ Tsy hihemotra amin'ilay hetsika hataony manoloana ny kianjan'i Mahamasina rahampitso ny fikambanan'ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM. Nanamafy ny hisian'io fihetsiketsehana io ny mpitarika, omaly... ♦ Tokony hakarina ny fahefa-mividin'ny vahoaka Malagasy noho ny fampiharana ny "vérité de prix" hoy ny mpahay toe-karena, Jonah Andrianantoanina. Nambarany fa hiteraka fidàngan'ny vidim-piainana goavam-be eto amin'ny firenena ny firosoana amin'izany...

♦ Tsy hihemotra amin'ilay hetsika hataony manoloana ny kianjan'i Mahamasina amin'ny 26 jona, ny fikambanan'ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM. Nanamafy ny hisian'io fihetsiketsehana io ny mpitarika androany... ♦ Lasa resabe ny fiakaran'ny vidin-tsolika atsy ho atsy, noho ny firosoana amin'ny “vérité de prix”. Hiteraka fidangan'ny vidim-piainana goavam-be eto amin'ny firenena izany, hoy ny mpahay toe-karena, Jonah Andrianantoanina... ♦ Nitombo 31 mianadahy ireo “inspecteurs industriels” eto amintsika, hanampy ireo 20 efa amperin'asa...

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Amôsy Mpaminany (Amôsy 9, 11-15)

Hampodiko indray ny babo amin’ny vahoakako; ary hamboleko eo amin’ny taniny izy.

Izao no lazain’ny Tompo:
Amin’izany andro izany, ny tranobongon’i Davida efa nianjera hatsangako indray,
ny banga hotampenako, ny rava hamboariko;
ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;
mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma,
mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako,
— teny marin’ny Tompo —
izay nanao izany zavatra izany.
Indro avy ny andro,
— teny marin’ny Tompo —,
ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja;
ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy ;
hitete avy amin’ny tendrombohitra ny divay vaovao,
ary ny havoana rehetra hitsonika.
Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako;
ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray;
ny voaloboka hamboleny hisotroany ny divay avy aminy;
hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.
Hamboleko eo amin’ny taniny izy,
ka tsy hongotako intsony hiala amin’ny tany, izay efa nomeko azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9. 11-12. 13-14

Ny Tompo miteny fiadanana amin’ny olony.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa Izy tsy hiteny fiadanana
ho an’ny olony, ho an’ny mpivavaka aminy,
ho an’ireo mampitodika ny fo aminy?

Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana:
mitrebona an-tany ny fahamarinana,
mitranga avy eny an-danitra ny rariny.

Ny Tompo manome orana amim-peo avo,
ka ny tanintsika manome ny vokany.
Ny rariny mizotra eo anoloany;
ny fiadanana, eo amin’ny soritry ny diany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)

Moa mahazo misaona va ny olona raha mbola eo ny mpampakatra?

Tamin’izany andro izany,
nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe:

“Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika,
fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy.
Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao,
fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra.
Ary ny barìka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao;
fa raha izany, dia ho vaky ny barìka, ka ny divay raraka, ary ny barìka simba;
fa ny barìka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao,
dia samy maharitra izy roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Amôsy Mpaminany (Amôsy 8, 4-6. 9-12)

Hanirahako hanoanana amin’ny tany, tsy mba hanoanana amin’ny mofo fa faniriana te-handre ny tenin’ny Tompo.

Mihainoa izao, ianareo mihinana ny mahantra,
sy mitady hamongotra ny mavomavo amin’ny tany, izay manao hoe:

“Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana;
mba hahazoantsika mivarotra vary;
ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary,
ka ny efaha hohakelezina;
ny sikla hampitomboina;
ny mizàna hatao mandainga, hamitahana.
Dia hovidintsika vola ny fadiranovana, ary ny mahantra,
noho ny amin’ny kapa iray lomisy,
sady hivarotantsika ny vary lohakororoka?”

Amin’izany andro izany, izao no hitranga,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra —:
Ny masoandro halentiko mitatao vovonana;
ary ny tany hosaronako haizina amin’ny andro tony tsara.
Ny fetinareo hampodìko ho fisaonana;
ny hira fifalianareo ho fitomaniana;
ny andilanareo rehetra hosikinako lasàka, ny loha rehetra hataoko sola;
ny tany hataoko hoatra ny misaona zanakalahy tokana;
ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.
Indro tamy ny andro,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra, —
hanirahako hanoanana amin’ny tany;
tsy mba hanoanana momba ny mofo, na hetaheta momba ny rano,
fa ny faniriana te-handre ny Tenin’ny Tompo.
Dia hirenireny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina izy ireo,
hatrany amin’ny avaratra ka hatrany amin’ny atsinanana;
hivezivezy atsý sy arý, hitady ny tenin’ny Tompo,
nefa tsy hahita izany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 2 sy 10. 20 sy 30. 40 sy 131

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny,
sy mitady Azy amin’ny fony tontolo.
Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho,
koa aza avela handao ny baikonao.

Ny fanahiko torotoro
maniry ny Satanao lalandava.
Ny lalan’ny fahamarinana no nofidìko.
Ny Satanao tsy hadinoiko.

Indro manina ny lahatrao aho:
koa velomy amin’ny fahamarinanao.
Misokatra ny vavako; miemponempona aho:
ny baikonao no mahaliana ahy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)

Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody; ary ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona.

Tamin’izany andro izany, tao Kafarnaôma,
nony niala teo amin’ilay malemy nositraniny i Jesoa
dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio,
nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy:

“Andeha hanaraka Ahy ianao.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka
tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.
Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana ity Mpampianatrareo
no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Fa hoy i Jesoa nandre izany:

“Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Mandehana ary ianareo ka fantaro ny hevitr’izao teny izao:
Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona;
fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...