♦ Noamasinina sy napetraka amin'ny fikerahana ho Eveka ao ami'ny Diôsezi'i Maintirano omaly Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo ; Eveka faharoa tao amin'ny Diôsezy izany... ♦ 11 no maty,  7 hafa naratra, izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny lalam-pirenena faha-8A, mampitohy an'Antsalova sy Maintirano. Fiarabe mpitatitra vato nikasa ho any Maintirano nitondra olona 24 no nivadika vokatry ny lalan-dratsy... ♦ Sarotra ny manova ekipa amin'izao toe-draharaha pôlitika misy eto Madagasikara izao ka rariny raha tsy nanova Praiministra ny filohan'ny repoblika hoy ny solombavambahoaka manohana ny fitondrana... ♦ Lasan'ny Espaniôla ny Euro 2024...

Alahady faha-15 mandavantaona : Nofidin'Andriamanitra isika mba ho irahiny ; Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Misy roa ny tanjona amin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay mifampikina : hitoetra eo aminy, hitory sy handroaka demony. Raha tsy malala an'i Jesoa sy tsy manana fiombonana aminy dia tsy ho afaka ny hampalala Azy sy ho lasa iraka ; Mifampitohy ny fiantsoana sy ny fanirahana ary tsy mety ho iraka raha tsy babon'ny fitiavan'i Jesoa...

Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Na osa aza isika, eo i Kristy ho herintsika ; Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika. Maro ireo tsy mandray an'i Jesoa amin'ny alalan'ireo fitoriana ny Evanjely. Araka izay voalazan'i Md Paoly dia mba manana ny kilemany ihany koa ny mpaminany, ary mijaly amin'ny fomba maro. Fa hoy i Jesoa : “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”. Koa mila heri-po lehibe ny asa fitoriana ny Evanjely, manana adidy lehibe amin'izany ny Papa Raimasina, sy ireo mpitondra ny Eglizy...

♦ Tsy azo hihodivirana ny hisian'ireo hery pôlitika samihafa handrafitra ny birao maharitra eny anivon'ny antenimieram-pirenena hoy ny solombavambahoaka teo aloha Bébin Andriantsizehena... ♦ Mbola handray ny fakon'Antananarivo ao anatin'ny roa na telo taona ny eny Andralanitra... ♦ Nanomboka androany eny amin'ny kianjan'i Betongolo ny fitsarana miaramila taona 2024... ♦ Handefa iraka manokana any Doha i Israely hidinika ny fampitsaharana ny ady any Gaza...

♦Andrasana anio eny Alasora ny fanapahan-kevitry ny vondron'ny Kaoperativa mpitatitra UCTU sy ny FMA amin'ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika... ♦ Omena lanja amin'ilay hetsika tsenaben'ny tanora tanterahana eny Mahamasina ireo tanora mpandraharaha ; hetsika izay hifarana anio... ♦ Tsy afa-po amin'ny sazy omena ireo tafiditra amin'ny fakàna an-keriny ireo olona manana toe-tena varira ny fikambanana miahy azy ireo... ♦ Nametra-pialana tsy hitondra intsony ny antokon'ny mpandala ny nentim-paharazana ny praiministra britanika Rishi Sunak...

♦ Hampitovy tadin-dokanga rahampitso, amin'ny fanapahan-kevitra horaisaina amin'ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika, ny vondron'ny koperativa UCTU sy ny FMA... ♦ Nampahafantarin'ny MNP nanoloana ireo mpiara-miombona antoka androany, ny paikady ao anatin'ny 5 taona... ♦ Tsy afapo amin'ny sazy omena ireo tafiditra amin'ny fakana an-keriny ireo olona manana toe-tena varira, ny fikambanana miahy azy ireo...

♦ Tokony tsy hikely aina amin'ny fambolena, ny tantsaha: io no nanentanan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana ny FTMTK tao amin'ny Diôsezin'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny Zaikabe androany... ♦ Mizotra mankany amin'ny fanarenana mandrakariva ny fiainana ary mila apetraka eo amin'Andriamanitra: io no hafatra ho an'ireo mpianatra tao amin'ny Lycée Saint Antoine, izay namarana ny taom-pianarana... ♦ Navoakan'ny Foibe misahana ny fampahalalam-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina androany, ny fandaharam-potoanan'ny Papa François, mandritra ny fitsidihana apôstôlika hataony any amin'ny faritra Azia sy Oseania...

♦ Niroso tamin'ny fametrahana tondrozotra hiatrehana ny fandotoana ao anatin'ny 10 taona ho avy, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy... ♦ Manantena ny mponina any avaratra fa tsy ho vonjy tavan'andro ny fametrahana ny fivilian-dalana eo amin'ny Reniranon'Ifasy sy Mahavavy. Manahy izy ireo fa ho tapaka indray ny lalana amin'ny fotoam-pahavaratra... ♦ Mikarakara fampianarana momba ny famokarana sary hosodoko sy ny sary sokitra, ny Tranom-boky Monisipaly ao Antananarivo Renivohitra, amin'izao fotoam-pialan-tsasatry ny mpianatra izao...

♦ Misy mibodo ny tanin'ny Diôsezin'Antananarivo manana velarana 7 hatramin'ny 9 hekitara eny Ilafy Ambohimangakely, Distrikan'Antananarivo Avaradrano... ♦ Notokanana omaly ny sampana miandraikitra ny fandidiana ny fo misokatra, eny amin'ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana. Nanome voninahitra izany ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Nifarana omaly ny fanadinana BEPC. Nisy olana noho ny ambara fa fivoahan'ny laza adina mialoha ny fotoana, ho an'ny taranja anglisy...

♦ Tanin'ny Diôsezin'Antananarivo, mirefy 7 hatramin'ny 9 hekitara no misy mibodo eny Ilafy Ambohimangakely... ♦ Nihemotra adiny roa ny fanombohan'ny adina taranja anglisy ho an'ny foibem-panadinana maro tao an-drenivohitra sy tany amin'ny faritra, androany maraina. Niparitaka ny filazana fa nivoaka mialoha ny laza adina... ♦ Namoaka fanambarana ny sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak'asa. Nametraka fepetra izy ireo momba izay minisitra hotendrena hitantana io minisitera io...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Mikea Mpaminany (Mikea 2, 1-5)

Tsiriritiny ny saha ary alainy koa ny trano.

Loza ho an’izay mieritreritra ny hanao ratsy
sy misaintsaina eo am-pandriany ny loza hafitsony!
Raha vao maraina koa tanterahiny izany,
raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.
Tsiriritiny ny saha, ka alainy;
ny trano koa, ka lasany;
anaovany ankeriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany.
Ka izao no lazain’ny Tompo:

“Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity,
ka tsy ho azonareo hanafahana ny vozonareo;
ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.”

Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolana ianareo
sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe:

“Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika;
amidiny ho anjaran’ny vahoakako!
Ahoana no angalany izany amiko?
Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?”

Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina
hahazoanao anjara lova eo amin’ny fiangonan’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 9b, 1-2. 3-4. 7-8. 14

Aza hadino ny mahantranao, ry Tompo.

Ahoana ny Tompo no mijanona eny lavitra?
no miafina amin’ny andro fahoriana?
Ny olon-dratsy mirehaka;
ny ory forehitra sy voagejan’ny tetika voakaly.

Ny olon-dratsy mirehareha amin’ny fanirian’ny fony;
ny mpierina misahato, manazimba ny Tompo.
Ny olon-dratsy milanja orona, tsy manana ahiahy:
ny ambentin-keviny: “Tsy misy Andriamanitra!”

Ny vava feno ozona, fanaovana an-kery sy fitaka;
ambany lela, fampahoriana sy hasomparana.
Manotrika akaikin-tanàna, mamitsaka:
dia vonoina an-takona ny madio.

Ianao anefa mahita ny fahoriana sy ny alahelo,
izay karohinao mba hatao an-tanana.
Ianao Tokin’ny malahelo.
Ianao Mpitahy ny kamboty.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)

Norarany izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy mba ho tanteraka ny teny nolazainy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata.
Ka lasa nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy.
Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo.
Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;
nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy,
mba ho tanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Indro ny Mpanompoko izay nofidìko,
dia ilay malalako izay ankasitrahan’ny foko indrindra;
hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy,
ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana;
tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona,
ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy;
ary ny Jentily hitoky amin’ny anarany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...