Vakiteny voalohany

Boky faharoan’ny Tantara (2 Tant. 36, 14-16. 19-23)

Nihatra tamin’ny vahoaka ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny famindram-pony, fony izy ireo babo ary afaka avy eo.

Tamin’izany andro izany,
ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa,
nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny hafa firenena,
sy nandoto ny Tranon’ny Tompo, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.
Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin’izy ireo,
ny Tompo Andriamanitry ny razany, tamin’ny alalan’ny irany,
fa nangoraka ny vahoaka sy ny Fonenany Izy.
Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra,
notsiratsirainy ny teniny, ary novazivazìny ny mpaminaniny,
mandra-pihàtran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Nodorany ny Tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema,
notselarany afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka saro-bidy rehetra.
Nentin’i Nabokôdônôzôro ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy matin-tsabatra,
ka tonga mpanompon’izy sy ny zanany ireny, mandra-panjàkan’ny mpanjakan’i Persa.
Izany no nahatanterahan’ny tenin’ny Tompo, tamin’ny vavan’i Jeremia hoe:

“Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabatany,
dia hitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy,
dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona”.

Ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa,
dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa
mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo tamin’ny vavan’i Jeremia,
ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:

“Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa:
Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany:
ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy any Jerosalema.
Koa iza avy moa aminareo no vahoakany?
Homba azy anie Andriamanitra Tompony, ary aoka hiakatra izy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 136, 1-2. 3. 4-5. 6

Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako, raha tsy mahatsiaro anao aho.

Teo amin’ny onin’i Babilôna izahay nitorovoka,
nahatsiahy an’i Siôna ka nitomany.
Tamin’ny hazomalahelo izay teny
no nahantonay ny lokanganay.

Dia tonga ny mpamabo nangataka hira,
nasain’ireo mpampahory hifaly izahay:
“Anaovy hira izahay, hoy izy,
ihirao hiran’i Siôna!”

Dia an-tanin’olona ve izahay
no hihira ny hiran’ny Tompo?
Raha manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka ho maina ny tanako!

Ny lelako hipetaka amin’ny lanilaniko,
raha tsy mahatsiahy anao aho,
raha tsy ianao, ry Jerosalema,
no hany antom-pifaliako!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 4-10)

Na dia fony mbola matin’ny fahotana aza ianareo, dia ny fahasoavana no namonjena anareo.

Ry kristianina havana,
Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po,
noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika,
na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika,
no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra,
mba hanehoany amin’ny andro ho avy ny haben’ny harem-pahasoavany,
amin’ny hatsaram-pony amintsika ao amin’i Kristy Jesoa.
Satria ny fahasoavana no namonjena anareo, noho ny finoana,
ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,
tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa,
mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Dera sy laza anie ho Anao, ry Kristy Mpanavotra anay.

Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Dera sy laza anie ho Anao, ry Kristy Mpanavotra anay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 14-21)

Naniraka ny Zanany mba hamonjy an’izao tontolo izao Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe:

“Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra
no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay”.

Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao:
ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo,
satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.
Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana,
nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana,
satria ratsy ny asany.
Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana,
ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany;
fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana,
mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

♦ Kandidà tokana sy iraisana no hatolotry ny vondrona Firaisankina, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, manerana ny nosy... ♦ Ny 5%-n'ny zava-manana aina maneran-tany, dia eto Madagasikara avokoa, zava-dehibe araka izany ny fanamafisana ny vahaolana amin'ny fiarovana ireo karazan-java-manana aina ireo, hoy ny Minisitra Max Andonirina Fontaine... ♦ Nanamafy ny fitakian'ireo mpianatra nivoaka teo anivon'ny IFIRP, amin'ny tokony handraisana ho mpiasam-panjakana azy ireo, ny sendikàn'ny mpiasa SISFM...

Hita mitombo ny tahan'ny fanalan-jaza raha ny zava-misy amin'izao fotoana izao, tsy eto Madagasikara ihany fa manerana ny tany mihitsy. Hatrany am-pitan-dranomasina, misy mihitsy aza ireo firenena izay tsy dia manao azy ho olana loatra nefa misy koa ireo firenena izay hita manomboka io fihetsika io. Tsy vitsy ireo tanora, izay tafalatsaka amin'ny fanalan-jaza, na ny tokantrano ara-dalana aza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

alahady fahatelo amin'ny karemy : tsy mamela hipetra-poana ny fitiavana an'Andriamanitra ; lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra an' izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany lahitokana mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy. Ny tena tenimpoly dia i Jesoa izay misy ny Ray ; tsy azo vidim-bola Andriamanitra, nitondra ny tenin'Andriamanitra Rainy i Jesoa, miantefa amintsika ihany koa izany ka arovy mba tsy ho fitadiavam-bola ny fiangonana fa mba fampandrosoana araka ny tokony ho izy sy araka ny finoana no hatao ao. Mila miezaka isika mba tena fanamasinan-tena sy vavaka no haleha any am-piangonana, mila meneho finoana isika rehetra amin'izay hatao sy ny fihetsika. Mila manao ezaka isika mba hanadio ny fo sy ny vatana ary ny fanahy.

Ny Fankaherezana dia sakramenta manome ny Fanahy Masina sy mahakristiana feno, manisy marika maha miaramilan'i Jesoa Kristy ny fanahintsika, ho pikatroka sy mpirotsaka. Ny Fankaherezana no handraisantsika bebe kokoa ny fahasoavana efa noraisintsika tamin'ny Batemy, indrindra ny fanomezan'ny Fanahy Masina ; ny fomezana fito ny Fanahy Masina : fahendrena, fahazavan-tsaina, fifidianana, faherezana, fahalalana, fitiavam-bavaka, fahatahorana an'Andriamanitra. Manome hery ny Fankaherezana mba afahana mankatoa am-pahibemaso ny finoana an'i Jesoa kristy sy handefitra amin'ny fijaliana rehetra toy izay handa azy Tompo...

♦ Tsy marisarisa ny fifandraisan'ny CENI amin'ny mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena manohana ny fifidianana eto Madagasikara. Azo iatrehana ny fifidianana amin'ity taona ity ny 44 miliara Ariary natokan'ny fanjakàna ho amin'izany hoy ny filohany, Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Hanolotra kandidà solombavambahoaka ao amin'ny vovonana IRD ny fikambanana Emergence de Madagascar... ♦ Manohana ny tantsaha Malagasy amin'ny fampiroboroboana ny fiompiana omby sy ny ondry aman'osy any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy ny ao amin'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Hanome fanampiana ho an'ny mponina any Gaza i Etazonia ; miantso an'i Israel hamela malalaka ny fidiran'ny fanampiana izy ireo...

Ao amin'ny voa no mety ahitana ny vato resahina eto. Misy karazany telo : lithiase rénal, lithiase urterale, lithiase vesicale. Ny mahatonga ilay vato dia singa maromaro mitambatra, ary mivaingana ao antin'ny pipi marihitra, indrinda ho an'ireo olona malaina misotro rano. Amin'ny ankapobeiny dia ny olon-dehibe no tratran'ity aretina ity ; vehivavy 25 taona no mihoatra ary ny lehilahy 40 no mihoatra. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Niakatra 3,92% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana nandritra ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy nifarana vonjy maika ny 28 febroary teo, raha ny tatitry ny CENI omaly... ♦ Nodinihina sy nakan-kevitra tao Taolagnaro tamin'ny alalan'ny atrik'asa nandritra ny roa andro nifarana omaly ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana hena mena any amin'ny Faritra Atsimon'i Madagasikaraka... ♦ Hatsangana ny vondron'ny mpamokatra lavanila maneranan-tany. Resy lahatra ireo ministra sy solontena avy amin'ny firenena mpamokatra lavanila eran-tany nandray anjara tamin'ny fivoriana tany ABHU DHABI renivohitr'i Emirats Arabes Mitambatra... ♦ Tontosa omaly ny fandevenana ny nofo mangatsiakan'i Alexey Navalny...

Mila mandray andraikitra ny Fanjakàna amin'ny fametrahana paik'ady mahomby sy fomba hentitra hoenti-miady amin'ny fanondranana an-tsokosoko sy fiparitahan'ireny zava-mahadomelina ireny. Mila mametraka ny lalàna mifehy ny famokarana sy ny famarotana ny zava-mahadomelina ny Fanjakàna. Mila omena loharanon-karena hafa ny mpikirakira zava-mahadomelina mba handaozany ireo vokatra tsy ara-dalàna ireo. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

Ny fianarana mifehy tena dia fahaiza-manao tena ilaina amin'ny fandraisana anjara amin'ny fampivoarana ny tena manokana sy ny fisorohana ny fitondran-tena mampidi-doza ateraky ny zava-mahadomelina. Amporisihina ny tsirairay mba hanao laharam-pahemehana  sy hiady amin'ny hakamoana ka hampiasa ny fotoanany amin'ny fomba mahomby, ireo dia toe-tsaina tokony hovolena hiadiana amin'ny zava-mahadomelina. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

♦ Niakatra 3,92% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy, tamin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitra, izay nifarana vonjy maika ny 28 febroary 2024, raha ny tatitry ny CENI androany... ♦ Nodinihina sy nakan-kevitra tao Tolagnaro, tamin'ny alalan'ny atrikasa nandritra ny roa andro, ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana hena mena, any amin'ny fatritra atsimon'i Madagasikara... ♦ Nanainga androany teto Antananarivo, nihazo ny Faritra Atsinanana, ny hetsika “Caravane de Santé” karakarain'ny fikambanana Fitia sy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka...

♦ Hotanterahina ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho eveka an’i Mgr Jean Désiré Razafinirina, Evekan’ny Diôsezin’ny Morombe… ♦ Hotanterahina ny 9 sy ny 10 marsa izao ny Andron’ny Vehivavy Misiônera Katôlika eto amin’ny Diôsezin’Antananarivo… ♦ Toetra mila fongorana ny fitsiriritana sy ny fitadiavana voninahitra foana, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience générale ny alarobia lasa teo… ♦ Niverina ao Vatican ny Papa François, rehefa avy nanao ny fizahana ara-pahasalamana…

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...