• Samy tsy namaly ilay adi-hevitra natao teny amin'ny Centre Arrupe Faravohitra, ireo kandida ho ben'ny tanàna an'Antananarivo, avy amin'ireo antoko TIM sy ny vovonana Irmar, ao Antananarivo-renivohitra...
  • 48 isa ireo olona voavonjy tao anatin'ny vedette nitondra tera-tany Sômaliana 70, nikasa ho an'ny Mayotte, olona miisa 2 maty no navarina an-dranomasina, ankoatra ireo vehivavy miisa 5 hafa maty tao amin'ny nosy Iranja...
  • Nahampafantarina tamin'ny fomba ôfisialy ny fitadiavana mpanazatra ho an'ny ekipam-pirenena "A" Barean'ny Madagasikara, izay naton'ny federasiôna, hikatona amin'ny 5 desambra izao ny tolotr'asa...
  • Tsy nisy afa-tsy herinandro monja ny fiatohan'ny ady nisy teo amin'ny Hamas sy ny Israeliana, tao anatin'ny 1 taona sy 1 volana.

  • Mavaivay ny fifanenjehana eo amin'ireo samy kandidàn'ny fanoherana, ho an'ny fifidianana ben'ny tanànan'Antananarivo. Hitarika fiparitahan'ny vaton'ny mpanohitra izany, hoy Andriamatoa Ralison Roger...
  • Maro ireo mpanjifa no mimenomenona amin'ilay fakàna hetra 0,5% amin'ny fandefasam-bola amin'ny Mobile Money. Misy ireo mitaky ny hanafoanana io hetra vaovao io...
  • Mampanahy ny tsy hananan'ny vehivavy anjara tany, raha sanatria misy fisaraham-panambadiana. Nisy ny fanadihadiana namoahana izany fehin-kevitra momba ny olan'ny fananan-tany izany...
  • Mizarazara ny hevitr'ireo tandrefana momba ny namoahan'ny CPI didy fampisamborana ny Praiministra Israeliana...

Alahady faha-34 mandavantaona — B "Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao" : ampanjakao ny fahamarinana sy ny fitiavana, dia ho mpanjakantsika i Kristy ; Hosoavina anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Ity alahady ity no mamarana ny taona litorjika ho an'ny Eglizy katôlika. Efa i Kristy ve no manampahefana tanteraka eo amintsika sa zavatra hafa sa olona hafa, ary sao mba ny zavatra mahadoka ivelany fotsiny?. Tsy hay refesina ny fitiavan'i Kristy ny olombelona, ny fibanjinana an'i Jesoa be voninahitra, izay fiandohana sy fiafarana dia mitondra fahasoavana maro...

  • Sambany indray nilatsaka ny orana teto Antananarivo omaly hariva, rehefa ela no niandrasana azy. Orana artifisialy iny nirotsaka iny, hoy ny fampitam-baovaon'ny Jirama...
  • 20 taona izao no nanamarihan'ny Saleziana Don Bosco ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ankizy. Sekoly 13 no niara-nankalaza izany tetsy amin'ny Oratorio Ivato...
  • Misy fiaramanidina 17 efa tsy miasa intsony ankehitriny no mbola miantsona etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Manome 15 andro ny tompony hanalàna azy ireo ny ACM
  • Manasa ny Praiministra Israeliana hitsidika any Hongrie ny filoha Hongrois...

  • 20 taona nanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Ankizy, ny sekoly tantanan'ny Saleziana Don Bosco, Oratorio Ivato. Sekoly miisa 13 no niaraka nankalaza izany androany...
  • Tontosa androany teny amin'ny FIGN Fort Duchesne, ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin'ny lehiben'ny Hery Vonjy Taitran'ny Zandarimariam-pirenena...
  • Isan'ny asa miandry ny Ben'ny Tanàna ho avy eo ny hijery manokana ny trano tokony hipetrahan'ny mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny Sendika Mahaleotenan'ny Mpiasa...

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...

Toy ny asa rehetra ihany ny zaitra ka misy ireo liana sy tia manao azy, misy kosa ireo tsy liana ary tsy mahay mihitsy aza. Toy izany koa ny resaka tontolon'ny asa famoronana, azo atao hoe talenta ihany izy io, nefa ihany koa misy ny mianatra sy mandalina azy. Tsy izay rehetra mahay manjaitra anefa no afaka manao asa famoronana lamaody, ary tsy voatery izay mahay mamorona koa dia mahay manjaitra, fa misy kosa anefa ireo izay sady mpanjaitra no mpamorona lamaody ihany koa. Azo sokajiana ho asa tena ny asa fanjairana sy famoronana lamaody. Ny atao hoe asa famoronana moa raha araka ny resadresaka nifanaovana tamin'i Jouany izay miaiana ao anatin'izay tontolon'ny asa famoronana izay dia zavatra tsy fahita eny amin'ny andavan'andro no foronina, avy amin'ny aingam-panahinao.

  • Andrasana hatramin'ny 2 desambra 2024 indray ny fahatongavan'ireo fitaovana sy kojakoja handrafetana ilay groupe voalaza fa hamokatra 105MW...
  • Mason-tsivana tsara hananan'izay ho mpanazatra vaovaon'ny Barea, ny fahaizana mandresy lahatra ireo mpilalao any ivelany, hoy ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy...
  • Nahazo traikefa ireo Malagasy mpandraharaha voasafidy hitsidika sy hiofana tany Frantsa nandritra ny 15 andro...

  • Hifarana anio ety Ivato, rehefa naharitra telo andro, ny fiofanana natrehan'ireo Saleziana tanora miisa 17...
  • Ahiana hitarika fidangan'ny vidim-piainana ny fakana hetra 0,5% amin'ny fandefasam-bola amin'ny finday, hoy ny Profesora Ralison Roger...
  • Sehatr'asa fahatelo mampidi-bola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny tontolon'ny fizahan-tany...

  • Hitarika fidangan'ny vidim-piainana ny fakana hetra amin'ny fandefasam-bola amin'ny finday, hoy ny Profesora Ralison Roger...
  • Hiverina indray ny delestazy eto amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo, noho ny olana ara-teknika. Adiny roa isaky ny fahatapahana izany, hoy ny Jirama androany...
  • Nahazo vahana ny doro tanety tamin'ity taona ity, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Ahitana izany tranga izany avokoa ny 75%-n'ny kaominina eto Madagasikara...

  • Vonona hanohana ny fampitomboana ny voka-bary eto Madagasikara ny tantsaha eto amin'ny nosy. Tsy ankasitrahan'izy ireo ny hanokanan'ny Fanjakàna Malagasy teti-bola goavana hividianana masomboly hampiroboroboana ny voly vary Riz Hybrid...
  • Mananosarotra ny fifehezana ny afo ao Mandraka, Distrika Manjakandriana. Mbola mifarimbona mamono afo ny fokonolona sy ny tompon'andraikitra tao anatin'ny andro maromaro izao...
  • Hatsangana ny antenimieram-paritry ny tanora aty amin'ny faritry ny ranomasimbe Indiana. Natao teto Madagasikara nandritra ny 2 andro ny fivorian'ny kômity mpanatanteraka...
  • Rava omaly hariva ny governemanta any Mali notarihan'ny sivily. Miaina anaty rafitra tetezamita nanomboka ny taona 2020 ity firenena ity...

Ny olom-pirenena vanona dia ireo maharaka ny zava-misy eo amin'ny firenena, ary tompon'andraikitra mivantana amin'ny fampandrosoana ny tanindrazana. Ny safidy no fanalahidin'ny fandrosoana, amin'ny alalan'ny fifidianana toy izao fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolontsaina izao. Tsy afa-misaraka ny fitiavana sy ny maha olom-pirenena. Antony tsy hisian'ny fandrosoana : ny tsy fahalalana, ny fanambakàna, fampiorohoroana, tsy fahamarinana, kolikoly ary ny tsy fahandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...