Alahady fankalazana ny Batemin’i Kristy : i Jesoa natao Batemy ; tandindon’ny batemintsika. Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy." Ny Batemin'ny Tompo dia azo lazaina fa mbola fisehoan'ny Tompo ihany koa, maneho ny fiatombohan'ny fiainan'ny Tompo amin'ny fiaraha-monina manodidina Azy ; mifarana eto ihany koa ny fankalazana ny Noely, nankalazana an'i Jesoa zazakely. Ny Batemy nataon'i Joany dia amin'ny rano fa ny an'i Kristy dia amin'ny Fanahy Masina sy ny afo. Ohatra ho antsika i Joany amin'ny asa fitoriana, nanomana ny fon'ny vahoaka handray an'i Kristy, toy izany ihany koa ny asa miandry antsika Kristianina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...