Ny maha mpibanjina dia tsy miankina amin'ny maso fa amin'ny fo. Eo no idiran'ny vavaka, tahaka ny mason'ny finoana sy ny fitiavana, tahaka ny sento, sentom-pifandraisantsika amin'Andriamanitra. Manadio ny fo ny vavaka, rehefa madio ny fo dia mazava sy madio ny fomba fijery, mahita ny zavatra rehetra amin'ny fijery vaovao. ... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...