• Mitaky  ny mangarahara momba ny lisi-pifidianana hampiasaina amin'ny fifidianana eny anivon'ny kaominina amin'ny 11 desambra ny solombavambahoaka TIM. Misy ny lesoka tsikaritra tamin'ny dingana narahana tamin'ny fangatahana ny didy avy amin'ny fitsarana na ny "ordonnance" afahana misoratra anaty listra hoy izy ireo...
  • Nigadona teto Madagasikara omaly ny andiany faharoa amin'ny biby nahondrana antsokosoko tratra tany Thaïlande ny voalohan'ny volana mey lasa teo. Tsy misy atahorana ny fahasalaman'ireo biby hoy ny tompon'andraikitra...
  • Miroso ny tetik'asa fanavaozana ao amin'ny fadintseranana malagasy. Ampiasaina ny saina voatr'olombelona hanafainganana ny famoahana entana...

  • Vola manodidina ny 6 tapitrisa Dolara no nanohanan'i Korea ny fandintseranana malagasy, entina hanatsarana sy hanavaozana ny fomba fiasa...
  • Tandindonin-doza ny bibidia eto Madagasikara. Eo am-pamolavolana ny pôlitikam-pirenena mahakasika ny fitantanana sy ny fanomezan-danja izany isika Malagasy...
  • Tsy afa-po amin'ny fomba fiasan'ny CENI manoloana ny fiatrehana ny fifidianana, ny Solombavam-bahoaka TIM...

  • Hanaovana fanotàna manokana ary hatao peta-drindrina eny anivon'ny Birao fandatsaham-bato ny lisitr'ireo olom-pirenena nahazo ny "ordonnance" avy amin'ny fitsaràna hiditra anaty lisitry ny mpifidy hoy ny CENI...
  • Andrasana anio eto Madagasikara ny fahatongavan'ireo varika sy sokatra andiany faharoa nisy nanondrana an-tsokosoko tany Thaïlande, miisa 31 ireo lémuriens mbola tavela any an-toerana ary 155 ireo sokatra radiata...
  • Ratsy kalitao nefa lafo ny vokatra letchi tany amin'ny Distrikan'i Manakara tamin'ity taom-piotazana 2024 ity, nilatsaka avo telo heny ihany koa ny vokatra raha nihoatra ny tamin'ny taona 2023...
  • Misy trangan'aretina tsy fantatra nahafatesan'olona manodidina ny 143 ao amin'ny repoblika Demôkratikan'i Congo, nahitàna io aretina io voalohany ny any Kwango... 

  • Andrasana ny hafatra sy ny fanambarana havoakan'ireo mpizaika manatrika ny kômity Foibe faha -46 ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na ny FFKM, izay tanterahina any Morondava nanomboka omaly talata...
  • Hanomboka anio alarobia 4 desambra ao Tetezambaro-Toamasina ny andiany faharoa amin'ny fifaninana handraisana ireo mpandraharahan'ny fonja, tsy andeferana ny resaka kolikoly hoy ny mpitantana ny ENAP...
  • Miato mandritra ny fotoana fohy ny fanamboarana pasipaoro malagasy, noho ny olana ara-teknika, mitohy ny fandraisana ireo antotantaratasy fangatahana hoy ny avy amin'ny ministeran'ny filaminam-bahoaka...
  • Anio alarobia amin'ny 4 ora tolak'andro ora any Frantsa no hiadian-kevitra eny amin'ny antenimieram-pirenena ny momba ilay fitsipaham-pitokisana ny governemanta Michel Barnier...

  • Miatrika ny Komity Foibe faha-46 ao Morondava nanomboka androany ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, na ny FFKM. Hisy ny hafatra sy ny fanambarana avoakan'ireo mpizaika mandritra izany...
  • Misy vokatra azo tsapain-tanana ho an'ny misitraka azy ny tetikasa vatsian'ny Amerikana vola, any amin'ny faritra atsimo atsinananan'ny nosy. Nitsidika ny telo amin'ireo tetikasa ireo androany ny Masoivoho Amerikana eto amintsika sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fandrindrana ara-tsakafo...
  • Hotanterahana manomboka rahampitso ao Antetezambaro Toamasina, ny adina faharoa amin'ny fifaninana handraisana ireo mpandraharahan'ny fonja miisa 600. Tsy andeferana ny resaka kolikoly, hoy ny mpitantana ny ENAP...

Amin'ny vanim-potoanan'ny "Avent" toy izao, ny Fiangonana Katolika dia mampiasa famantarana dia ny Fehezam-boninkazon'ny "Avent" (couronne d'Avent), izay ahitana labozia 4 , arehitra isaky ny alahady efatra mialohan'ny Noely. Ireo labozia ireo dia maneho herinandro efatry ny "Avent", labozia iray no arehitra isaky ny Alahady ary mifanaraka amin'ny herinandro ny isan'ny mirehitra. Ny telo amin'ireo labozia dia tokony miloko volomparasy ary ny iray ampiasaiana amin'ny herinandro fahatelo dia miloko mavokely. 

  • Mbola tsy nikatona tanteraka ny lisitry ny mpifidy amin'izao herinandro mialoha ny fifidianana izao. Nametraka ny ahiahiny koa ny antoko TIM, ankoatra ireo kandidà 4 mirotsaka ho fidiana ao an-drenivohitra...
  • Sarona ny tambajotra mpamarina olona mankany ivelany ; voasakana tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ireo vehivavy malagasy saika hamidy any ivelany...
  • Havaozina ihany koa ny lalàna momba ny fampiasam-bola goavana amin'ny sehatry ny harena ankibon'ny tany eto Madagasikara. Nisy ny fakàn-kevitra momba izany, nokarakarain'ny Ministera mpiahy...
  • Mitsidika any Arabie-Saoudite ny filoha Frantsay, anisan'ny horesahiny amin'ny tompon'andraiki-panjakàna any ny toe-draharaha momba ny adin'i Israël sy ny Hezbollah any Liban...

  • Manahy ny KMF/Cnoe fa hanova ny kalitaon'ny fifidianana amin'ny 11 desambra ny resaka "ordonnance" sy ny fanemorana ny fangatahana azy...
  • Tokony tsy hisy fiantraikany amin'ny mpanjifa sy ireo mpanao Cash point ilay hetra vaovao alaina amin'ny Mobile Money, hoy ny fikambanana PMH. Mitaky ny hanajàna ny voalazan'io lalàna io, ity mpiaro ny zon'ny mpanjifa ity...
  • Olona telo no maty nosein'ny kamiao iray mpitondra fasika tapaka hisatra, tany Ankazondrano Fianarantsoa. Mpanao Gazety iray no naratra sy namoy ny zanany roa, vokatr'izany...
  • Hatahorana indray ny haharava ny fampiatoana ny ady any Liban. Nilaza ny Hezbollah omaly fa nanafika toby miaramila tany Avaratr'i Israël, noho ny fandikàn-izy ireo ny fifanarahana...

  • Ahian'ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena, hanaratsy ny kalitaon'ny fifidianana amin'ny 11 desambra 2024, ny mbola nanitaran'ny CENI ilay fakana “ordonnance” eny amin'ny Fitsarana...
  • Namono olona telo ary naharatrana olona maromaro ny kamiao mpitatitra fasika izay tapaka hisatra tao amin'ny tetezana Ankazondrano Fianarantsoa, androany...
  • Tsy tokony hisy fiantraikany amin'ny mpanjifa sy ireo “Cash Point” ilay hetra vaovao alaina amin'ireo mpikirakira ny fandefasam-bola amin'ny finday, hoy ny PMH...

  • Nosantarina tao amin'ny Distrikan'Ankilikoaka ny fidinana ifotony amin'ny fampiofanana ny katesista, ao amin'ny Diôsezin'i Toliara...
  • Asandrato ny lohanareo ary manana fo velona sy mazava, io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, talohan'ny vavaka Angelus ny 1 desambra 2024...
  • Niangavy ireo mpanao pôlitika Libanais rehetra ny Papa François, mba hifidianan'izy ireo Filohan'ny Repoblika faran'izay haingana indrindra...

Vakiteny voalohany

Boky Tononkira dia Tononkira 2, 8-14

Indro tamy ny malalako miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra.

Injay ny feon’ny malalako,
indry tamy izy miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra;
mitsambikina amin’ny havoana.
Manahaka ny gazela ny malalako,
sy ny zanaky ny serfa vavy.
Indro izy eo ivohon’ny rindrin’ny tranonay,
mijery eo am-baravarankely,
mijery eo amin’ny makarakara.
Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe:

“Mitsangàna, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
Fa indro ny ririnina efa lasa,
ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony.
Ny voninkazo efa miposaka amin’ny tany,
ny fotoana fihirana efa tonga.
Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika;
efa mipoitra ny voan’aviavy vao mitsimoka,
ny voaloboka mamony efa mamerovero;
mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
Ry voromailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato mideza,
asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao,
fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 2-3. 11-12. 20-21

Hobio ny Tompo, ry olo-marina; ihirao hira vao Izy.

Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo.
Ihirao hira vao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno!

Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany.

Ny fanahinay manantena ny Tompo;
Mpitahy anay Izy sy ampinganay!
Izy no ifalian’ny fonay;
ny Anarany masina no ifefenay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 39-45)

Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?

Tamin’izany andro izany, niainga i Maria,
ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony,
ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo, niantso mafy hoe:

“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao
no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino
fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 7, 10-14)

Indro hanana anaka ny Virjiny.

Tamin’izany andro izany,
dia niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe:

“Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao;
mangataha izany, na any amin’ny fara lavaky ny Seoly,
na any amin’ny havoan’ny lanitra.”

Fa hoy i Akaza:

“Tsy hangataka aho;
tsy haka fanahy ny Tompo aho.”

Ka hoy i Izaia:

“Mihainoa, ry taranak’i Davida;
mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?
Noho izany dia ny tenan’ny Tompo
no hanome famantarana anareo:
Indro hanana anaka ny Virjiny, ka hiteraka zazalahy,
ary ny anarany hataony hoe Emanoela”,

izany hoe amintsika Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6

Hiditra ny Tompo, Ilay Mpanjakan’ny voninahitra.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa,
dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
napetrany tsara eo ambonin’ny ony.

Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.

Dia izy no hany hotsofina rano,
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

Indro hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy.

Tamin’izany andro izany,
dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely
ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea
atao hoe Nazareta,
ho any amin’ny Virjiny anankiray
fofombadin’ilay lehilahy atao hoe Jôsefa, taranak’i Davida,
ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.
Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe:

“Arahaba, ry ilay feno hasoavana:
ny Tompo ao aminao;
nosoavina noho ny vehivavy ianao.”

Taitra izy nahare izany,
ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
Fa hoy ny Anjely taminy:

“Aza matahotra, ry Maria,
fa sitrak’Andriamanitra ianao,
ary indro, hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy,
ary Jesoa no hataonao anarany.
Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra;
dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy,
ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.”

Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely:

“Ahoana no hahatongavan’izany,
fa tsy mahalala lahy aho?”

Fa hoy ny Anjely namaly azy:

“Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao,
ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao;
noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Ary indro i Elizabeta rahavavinao
dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza,
ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba,
fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.”

Dia hoy i Maria:

“Inty aho ankizivavin’ny Tompo,
aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.”

Dia niala teo aminy ny Anjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...