• Tsy hisy ny fiforonana rivo-doza hahakasika mivantana ny nosy amin'ity herinandro ity. Hisy oram-baratra mitsitokotoko anefa amin'ny ilany andrefana sy atsimon'ny nosy mandritra ny herinandro...
  • Tsy mankasitraka ny hivondronan'ny mpanohitra ho iray Andriamatoa Toavina Ralambomahay, mpanao pôlitika mpanolon-tsainan'ny tanàna ao amin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra...
  • Hiatraika mivantana amin'ny fiainam-bahoaka ny tetik'asa Laka Iarivo hoy ny sekreteram-panjakàna miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Misy tetik'asa maro tafiditra ao fa tsy toeram-pitsangatsanganana fotsiny...
  • Nahazo lalana avy amin'ny fitondrana israelianina hamonjy ny toeram-ponenany ny antsasaky ny mponina any avaratry ny faritr'i Gaza androany maraina, vokatry ny fifanakalozana babo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...