Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 9, 1-13)

Hataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.

Nitso-drano an’i Nôe sy ny zanany lahy Andriamanitra,
ka nanao taminy hoe:

“Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Hatahotra anareo sy himalo avokoa ny bibin’ny tany rehetra,
ny vorona eny amin’ny habakabaka rehetra,
ny zava-mihetsiketsika rehetra ambonin’ny tany,
mbamin’ny hazandrano rehetra anaty ranomasina;
efa natolotra eo an-tananareo ireny.
Ho fihinana ho anareo avokoa
rahefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina;
fa omeko anareo daholo izany rehetra izany,
toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso.
Kanefa ny nofo, aza haninareo miaraka amin’ny ainy;
izany hoe ny rany.
Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo,
hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra sy ny olombelona;
ny tanan’olombelona izay mpirahalahy
no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.
Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona,
dia mba halatsak’olona koa ny rany,
satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
Ka dia miteraha maro ianareo, mihabetsaha ianareo;
mieleza eran’ny tany, ka mihabetsaha eny.”

Hoy koa Andriamanitra
tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy:

“Ary Izaho kosa dia hanao fanekem-pihavanana aminareo
sy amin’ny taranaka mandimby anareo,
amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo,
na vorona, na biby fiompy sy ny bibin’ny tany rehetra,
hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara
ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.
Manao fanekem-pihavanana aminareo Aho:
tsy hisy levon’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra,
ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony.”

Dia hoy Andriamanitra:

“Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo,
amin’ny taranaka ho avy rehetra:
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako,
ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23)

Avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany.

Hatolotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
hanaja ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo manko hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talohan’izy ireo.

Soraty izay ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho ary!
Avy any an-toerana masina any ambony Izy mitsinjo;
avy any an-danitra ny Tompo mitazana ny tany;
hahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.

Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay;
ary ny taranany hijoro eo anoloanao;
ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran’ny Tompo,
sy ao Jerosalema ny fiderana Azy,
raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo
ireo vahoaka sy ireo fanjakana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-33)

Ianao no Kristy. Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany
nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo,
ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa Aho?”

Ary ireo namaly Azy, nanao hoe:

“I Joany Batista, hoy ny sasany;
i Elia, hoy ny sasany;
ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany.”

Hoy Izy tamin’izy ireo:

“Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?”

Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe:

“Ianao no i Kristy.”

Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy
na amin’iza na amin’iza.
Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo
fa ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hijaly mafy
sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina,
fa hitsangana indray raha afaka hateloana,
sady nataony mazava tsara no filaza izany.

Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.
Fa nihodina nijery ny mpianany Izy,
ary niteny mafy an’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry Satana,
satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao,
fa araka ny olombelona.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 8, 6-13. 20-22)

Nijery izy ka hitany fa efa maina ny vohon’ny tany.

Nony afaka efapolo andro,
dia namoha ny varavarankely nataony tamin’ny sambo fiara i Nôe,
ka nandefa ny goaika izay lasa nivoaka nefa niverimberina teo,
mandra-paharitra ny rano tambonin’ny tany.
Ny voromailala indray no nalefany hiala teo aminy,
hahitany na efa nihena ny rano tambonin’ny tany na tsia.
Tsy nahita izay hipetrahan’ny faladiany anefa ny voromailala,
ka niverina nankeo amin’i Nôe teo amin’ny sambo fiara
fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin’ny tany.
Dia naninjitra ny tanany izy ka nandray azy
sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin’ny sambo fiara.
Mbola niandry hafitoana indray izy,
vao nandefa fanindroany ny voromailala ho any ivelan’ny sambo fiara.
Ary niverina nankeo aminy ny voromailala nony harivariva,
ary indro ravin’ôliva nilenodenoka anankiray teny am-bavany
ka fantatr’i Nôe fa efa tsy voasaron’ny rano intsony ny tany.
Mbola niandry hafitoana indray izy dia nandefa ny voromailala
ary tsy niverina nankeo aminy intsony izy.
Tamin’ny taona faharaika amby eninjato,
tamin’ny volana voalohany, andro voalohan’ny volana,
dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany.
Nesorin’i Nôe ny tafon’ny sambo fiara, dia nijery izy,
ka hitany fa efa maina ny vohon’ny tany.
Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’ny Tompo,
ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra,
dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.

Dia nandre hanitra mahafinaritra ny Tompo ka nanao anakampo hoe:

“Tsy hanozona intsony ny tany Aho noho ny olona;
fa ratsy hatramin’ny fahatanorany ny fisainan’ny fon’ny olombelona;
ary tsy mba hamono ny zavatra manana aina rehetra
toy izay nataoko izay intsony Aho.
Amin’izao sisa izao, raha mbola maharitra koa ny tany,
dia tsy ho tapaka ny famafazana sy ny fijinjana,
ny hatsiaka sy ny hafanana,
ny fahavaratra sy ny ririnina,
ary ny andro sy ny alina .”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 115, 12-13. 14-15. 18-19)

Avy manatitra fanati-pisaorana aminao aho, ry Tompo.

Koa inona no havaliko ny Tompo,
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena,
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.

Hefaiko ny voady izay nolazaiko,
hefaiko anatrehan’ny firenena,
tsy zakan’ny Tompo tokoa anie
ny hoe hahafaty izay mino Azy.

Efaiko ny voadiko taminao,
efaiko anatrehan’ny firenena;
efaiko ao an-kianjan’ny tranonao,
ao Jerosalema tanànanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)

Nametrahany tanana ilay jamba ka nahita mazava tsara ny zavatra rehetra.

Tamin’izany andro izany,
tonga tany Betsaida i Jesoa sy ny mpianany,
ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy,
sy nangataka taminy mba hanendry azy.
Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba
ka nentiny nivoaka ny tanàna izy;
nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy,
ary nanontaniany raha mahita zavatra.

Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe:

“Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo.”

Dia nametrahany tanana indray ny masony,
ka nasainy nijery izy,
izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra.

Ary nasain’Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe:

“Modia any an-tranonao,
fa aza miakatra ao an-tanàna
na milaza izany amin’ny olona ao an-tanàna.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 6, 5-8 ; 7, 1-5. 10)

Haringako tsy ho eo ambonin’ny tany ny olombelona noarìko.

Hitan’ny Tompo fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany,
ary ny ratsy ihany no alehan’ny fisainana rehetra
avy amin’ny fony isan’andro.
Ka nanenina ny Tompo tamin’ny nahariany ny olombelona tambonin’ny tany;
ary nalahelo tao am-pony Izy, ka hoy Izy hoe:

“Haringako tsy ho eo ambon’ny tany ny olombelona noarìko,
hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy,
ny biby mikisaka sy ny voro-manidina,
fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.”

I Nôe kosa anefa dia nahita fitia teo imason’ny Tompo.

Hoy ny Tompo tamin’i Nôe:

“Midira ao an-tsambo fiara ianao sy ny ankohonanao rehetra,
fa amin’izao olona miara-belona aminao izao,
dia ianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako.
Ny biby madio rehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy,
no halainao ho ao aminao;
ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao;
ny voro-manidina koa, fito tsiroaroa avy, mba hampaharitra ny karazany
tsy ho faty eto ambonin’ny tany, lahy sy vavy.
Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho,
mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina;
ka hofongorako eo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra nataoko.”

Notanterahin’i Nôe avokoa izay rehetra nasain’ny Tompo nataony.
Ary nony afaka fito andro dia nibosasaka teto ambonin’ny tany ny safo-drano.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 28, 1a sy 2. 3ad-4. 3b sy 9b-10)

Ny Tompo hitahy ny olony sy hanome fiadanana azy.

Rey zanak’Andriamanitra,
mieke ny Tompo:
ny Anaran’ny Tompo iekeo voninahitra!
Ny Tompo iankohofy ao an-kianjany masina!

Feon’ny Tompo ambony rano:
ny Tompo ambony ranobe!
Feon’ny Tompo ary hery!
Feon’ny Tompo ary fiandrianana!

Andriamanitra be voninahitra mampitalakotroka!
Feon’ny Tompo manoditra ny ala!
Ny Tompo mipetraka hatramin’ny safo-drano;
ny Tompo mitoetra manjaka hatrizay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)

Mitandrema ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.

Tamin’izany andro izany,
nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra,
ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely.

I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe:

“Mitandrema tsara ianareo
fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina
sy ny lalivain’i Herôda.”

Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe:

“Noho isika tsy manana mofo izay.”

Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy:

“Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo?
Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo?
Donto ny fonareo? Mana-maso fa tsy mahita va ianareo?
ary manan-tsofina fa tsy mahare?
Ary tsy mahatadidy va ianareo?
Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”

Dia hoy ireo taminy hoe:

“Roa ambin’ny folo.”

Dia hoy i Jesoa:

“Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”

Hoy ireo hoe:

“Fito.”

Dia hoy Izy taminy:

“Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 4, 1-15. 25)

Namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.

Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy,
dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe:

“Efa nampisy olona anankiray aho
tamin’ny fanampian’ny Tompo.”

Dia niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy.

I Abela dia mpiandry ondry ary i Kaina dia mpiasa tany.
Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany i Kaina
ho fanatitra ho an’ny Tompo.
Ary i Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak’ondriny,
mbamin’ny taviny.
Ary ny Tompo nitsinjo an’i Abela sy ny fanatiny,
fa tsy nijery an’i Kaina sy ny fanatiny.
Dia tezitra mafy tamin’izany i Kaina, ary kivy endrika izy.

Ary hoy ny Tompo tamin’i Kaina:

“Nahoana no tezitra ianao,
ary nahoana no kivy endrika?
Raha tsara ny ataonao,
tsy hankasitrahana va ianao?
Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao,
moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota?
Mankaminao ny faniriany,
fa tsy maintsy maharesy azy kosa ianao.”

Hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny:

“Andeha isika ho any an-tsaha.”

Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo,
namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.

Dia hoy ny Tompo tamin’i Kaina:

“Aiza i Abela rahalahinao?”

Fa hoy ny navaliny:

“Tsy fantatro.
Moa mpiambina ny rahalahiko va aho?”

Hoy ny Tompo:

“Inona no nataonao?
fa mitaraina hatraty amiko
ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.
Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao,
fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao
nalatsaky ny tanananao.
Rahefa hiasa ny tany ianao
dia tsy hanome vokatra intsony izy,
ary ianao ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany.”

Dia hoy i Kaina tamin’ny Tompo:

“Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina.
Indro roahinao hiala amin’ity tany ity aho ankehitriny
ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao;
ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho,
ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy.”

Hoy ny Tompo taminy:

“Izao àry: Raha misy hamono an’i Kaina
dia valiana faty impito heny i Kaina.”

Ary nasian’ny Tompo famantarana tamin’i Kaina
mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy.
Ary i Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy,
nataony hoe Seta, fa hoy izy:

“Nomen’Andriamanitra ny fara aho
ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 49, 1 sy 8. 16bd-17. 20-21)

Ny saotra atao fanatitra ho an’Andriamanitra.

Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo
dia izay iposahan’ny andro ka hatrany amin’izay ilentehany:
“Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao,
na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!”

Ahoana ianao no mitanisa ny didiko
sy manao ny fanekeko eo am-bava;
ianao mpankahala anatra,
sy mpanipy ny teniko any ivoho.

Mivalaketraka ianao maneba-drahalahy, sy manoso-potaka ny zana-dreninao!
Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho!
Sa Izaho heverinao ho toa anao?
Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)

Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny Farisianina,
ka niady hevitra taminy
sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy,
mba hakany fanahy Azy.
Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe:

“Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?
Lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.”

Dia nilaozany izy ireo
ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Ny fanafainganana ny fametrahana ny ZLECAF na ny Sehatra Hifanakalozana aty amin'ny Kaontinanta Afrikana no hifantohan'ny fivoriambe ara-potoana faha-36 ho an'ny Vondrona Afrikana. Hanomboka amin'ny 18 febroary izao izany any Addis Abbeba ka handray anjara amin'izany i Madagasikara... ♦ Mbola manana hatramin'ny faran'ny volana febroary izao ireo orinasa nahazo ilay taratasy fanitsiana ara-ketra avy amin'ny foibem-pitantanana ankapobeny hetra mba hamalian'izy ireo izany... ♦ Namoaka ny tetiandro ho an'ny fanadinana bakalôrea ny ministera. Ho tanterahina ny 17 hatramin'ny 21 jolay 2023 izany ho an'ny fampianarana ankapobeny sy ny tapany voalohany ho an'ny bakalôrea teknika...

Fototry ny fampandehanana ny tokantrano ny fifandraisana mirindra eo amin'ny mpivady. Mila hatsaraina isan'andro izany amin'ny alalan'ireo teny mamy, fifanampiana, fanehoam-pitiavana. Mety betsaka ireo sakana lalovana ao anatin'izany toy ny tsy fahampian'ny fotoana, ny tsy fifankazahoan-kevitra, ny fahasarotan'ny fanabeazana ny zanaka amin'zao vanim-potoana iainantsika izao. Mitaky ezaka lalandava izany rehetra izany ary hahitana vokatra mahomby rehefa misy ny fifandraisana tsara...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Sir. 15, 15-20)

Tsy nisy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana.

Raha sitra-ponao dia hitandrina ny didy ianao;
miankina amin’ny sitraky ny fonao, ny tsy mivadika.
Nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano,
azonao atsotra amin’izay tianao ny tananao.
Eo anoloan’ny olombelona ny fiainana sy ny fahafatesana,
ka izay fidìny dia homena azy.
Fa lehibe ny fahendren’ny Tompo;
sady mahery Izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra.
Ny masony dia eo amin’izay matahotra Azy,
ary fantany avokoa ny asan’ny olombelona.
Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana,
tsy misy olona nomeny lalana hanota.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 118, 1. 2. 4-5. 17-18. 33-34)

Sambatra izay mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo.

Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny Fanambaràny,
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!

Ianao ihany no namoaka ny Lahatrao
mba hotandremana fatratra.
Enga anie ho marin-toetra ny lalako
amin’ny fitandremana ny Fitsipikao!

Asio soa ity izaho mpanomponao:
ka ho velona sy hitandrina ny Teninao!
Alao tampina ny masoko hibanjina
ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao!

Tompo ô, toroy ny lalan’ny Fitsipikao aho,
mba hitandremako azy hatramin’ny farany.
Omeo fahalalana aho hitandremako ny Lalànao,
sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 2, 6-10)

Notendren’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao, hampahazo ny voninahitra antsika, ny Fahendreny.

Ry kristianina havana,
mitory fahendrena amin’izay efa lavorary ihany izahay;
nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany,
na an’ny mpanjakan’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona;
fa fahendren’Andriamanitra no torìnay,
dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina,
izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao
hampahazo voninahitra antsika;
ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanjakan’izao tontolo izao
(satria raha nahalala izy,
dia tsy ho namantsika ny Tompon’ny voninahitra tamin’ny Hazofijaliana);
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe:

Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina,
na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively
no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.
Tamintsika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny;
satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy,
na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao.
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-37)

Raha izany no nolazaina tamin’ny Ntaolo, izao kosa no lazaiko aminareo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia iray
na tendrin-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany,
izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Lazaiko aminareo,
fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny Fitsarana.

Ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna;
ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny namanao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny namanao
vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra,
ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.

Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mijangajanga.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao,
dia esory izy ka ario lavitra anao,
fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very,
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao,
dia tapaho ka ario lavitra anao,
fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very,
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary koa efa voalaza hoe:

Na iza na iza hisaotra ny vadiny,
dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany,
dia mampijangajanga azy;
ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.

Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.

Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy;
na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy;
na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy;
na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty
na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao.
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-22a. 27-28. 33-34a. 37)

Raha izany no nolazaina tamin’ny Ntaolo, izao kosa no lazaiko aminareo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Lazaiko aminareo,
fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo.

Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny Fitsarana.

Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mijangajanga.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.

Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.

Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Niara-nientana namboly hazo tao Antanimietry, Fokontany Ambohimanatrika, Kaominina ambanivohitra Mahitsy, atao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo ny 03 febroary 2023 teo ny vovonam-pikambanana Filamatra Soa Iombonana na ny "FISOI". Vovonana misehatra amin'ny asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra...

♦ Mametraka fanamby hampiakatra ny tahan'ny fandoavan-ketra ho 15% ny foibem-pitantanana ankapoben'ny hetra hatramin'ny taona 2025. Mahavelombolo ny hetra niditra tamin'ny taona 2022 hoy ny tale jeneraliny... ♦ Hanampy ny tanora mpandraharaha hiditra amin'ny sehatry ny ara-dalàna ny Sendikàn'ny Indostria Malagasy. Napetraka ny Ivon-toeram-pitantanana ankatoavina. Fiara-miasan'ny SIM sy ny PNUD... ♦ Niravona ny disadisa nateraky ny fahaverezan'ny finday avo lenta teny amin'ny Lycée Andohalo. Efa notsoahin'ilay ray aman-drenin'ny mpianatra very finday ny fitoriana tany amin'ny mpitandro filaminana. Heverina hianatra ny mpianatra rahampitso taorian'ny fampihatoana 48 ora...

♦ Tsara ny tahan'ny fampidiran-ketra tamin'ny taon-dasa teo. Nahatratra 3680 miliara Ariary mahery ny vola niditra tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, raha araka ny tatitry ny Foibem-pitantanana Ankapoben'ny Hetra... ♦ Manambana hitokona ny Randrana Sendikaly, noho ny fidinan'ny karama farany ambany amin'ny sehatra tsy miankina... ♦ Miato hatrmin'ny rahampitso ny fampianarana eny amin'ny Lisea Andohalo, noho ilay savorovoro nateraky ny fahaverezan'ny fiday lafo vidin'ny mpianatra iray. Niakatra filankevi-pifehezana teo anivon'ny sekoly, ny raharaha androany...

♦ Notsenaina tao Andriba, vavahadin'ny Diôsezin'i Mahajanga, tamin'ny tapany maraina teo i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Eveka vaovao ho an'ny Mahajanga... ♦ Tsy tokony hipetraka ny ady hevitra momba ny hisiana na tsy hisian'ny fifidianana amin'ity taona ity hoy ny Sampana Fanaraha-maso ny fifidianana SAFIDY... ♦ Miahiahy ny amin'ny fomba fiasan'ny CENI ao anatin'izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Namafisin'ny mpitondra tenin'ny Antoko Me Rakotomalala Rija fa efa nanaitra amin'ny tokony hanaovana audit ny logiciel ampiasain'ny CENI izy ireo saingy mijanona ho antso an'efitra izany hatramin'izao...

Ny firaisan-kina manova zavatra maro eo amin'ny fiainana. Ny sehatra rehetra misy fifandraisana, fifaneraserana dia ilàna firaisan-kina satria izany no fototry ny fandrosoan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...