Boky Levitika (Lev. 19, 1-2. 17-18)
Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:
“Mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra,
lazao aminy hoe:Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho Andriamanitrareo.
Aza mankahala ny namanao ao am-ponao, fa mananara ny namanao,
mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin’ny zanaky ny firenenao.
Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Izaho no Tompo Andriamanitrao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 102, 1-2. 3-4. 8 sy 10. 12-13)
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.
Tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana,
ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Tahaka ny ray mangoraka ny zanany,
ny Tompo mangoraka an’izay matahotra Azy.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 3, 16-23)
Ry kristianina havana,
tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo,
ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?
Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra,
dia mba horavan’Andriamanitra kosa;
satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
Aza misy mamita-tena;
fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao,
dia aoka ho adala izy mba ho hendry.
Satria ny fahendren’izao tontolo izao,
dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra,
araka ny voasoratra hoe:
Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy;
ary koa hoe:
Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry,
ary fantany fa zava-poana izany.
Koa aza misy manao olona ho reharehany, fa anareo ny zavatra rehetra,
na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao,
na fiainana na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny,
na ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;
ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko;
ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-48)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Efa renareo fa voalaza hoe:
Maso efai-maso, nify efai-nify.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory;
fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana,
dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao,
dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana,
miaraha aminy roa arivo.
Omeo izay mangataka aminao,
ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.
Efa renareo fa voalaza hoe:Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ranon’orana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny havanareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny Jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tsy 8% ny vato azo fa tena nisy ny halatra tamin'ny taona 2018, hoy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina omaly, raha nihaona tamin'ireo mpikatroka HVM. Nambarany fa ny hisorohana ny tsy hiverenan'izany intsony no tokony himasoana amin'izao... ♦ Misy rivo-doza roa mihaodihaody indray any amin'ny ilany atsinanan'ny Ranomasimbe Indiana amin'izao. Arahi-maso akaiky ny iray amin'ireo manomboka amin'ity herinandro ity, hoy ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro... ♦ Nitrangàna asan-jiolahy mahery vaika tany Ambohiborona, renivohitry ny Kaominina Ambatofotsy, Distrikan'i Faratsiho. Lasan'ireo jiolahy ny vola manodidina ny 30 tapitrisa Ariary an'ny mpandraharaha iray...
♦ Andro maneran-tany ho an'ny radio androany. Mbola fitaovan-tserasera be mpanaraka maneran-tany ny radio... ♦ Mbola tsy misy fiantraikany amin'ny toetry ny andro eto Madagasikara ireo rivodoza roa any atsinanan'ny Ranomasimbe Indiana. Araha-maso akaiky manomboka amin'ny faran'ny herinandro anefa ny fivoaran'ny rivodoza Freddy... ♦ Notafihan'ny jiolahy efa-dahy mirongo basy, androany vao maraim-be, ny mpandraharaha iray tany Ambohiborona Ambatofotsy, Distrikan'i Faratsiho. Lasan'ny jiolahy tamin'izany ny vola manodidina ny 30 tapitrisa Ariary...
♦ Nanentana ny kristianina rehetra mba hitandro ny fihavanana sy ny fiandraisana eo amintsika samy isika sy ny fifandraisana amin'Andriamanitra, i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz nandritra ny fametrahana azy tamin'ny fomban'ny Fiangonana. ho evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Anisan'ny nanamarika ny andro natokana hivavahana ho an'ny marary, izay marihana isaky ny 11 febroary, ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Ny fanazavana ny tenin'i Jesoa hoe : “Tsy tonga handrava ny lalana, aho, fa hanatanteraka”, no fampianarana nentin'ny Papa François nandritra ny vavaka Angelus omaly...
♦ Hijanona 15 andro isaky ny Distrika ny Caravane médicale, mizaha fahasalamana sy mizara fanafody maimaimpoana, izay any Mahajanga ankehitriny, ary kendrena ho atao manerana ny nosy izany, hoy ny filohan'ny repoblika... ♦ Mifanitsy amin'ny vinan'ny antoko Maitso hasin'i Madagasikara ny veliranon'ny filohan'ny Repoblika, ka mbola vonona hatrany hanohana ny fitondram-panjakàna ity antoko ity... ♦ Niteraka savorovoro tao amin'ny tsenan'ny bazary be tany Toamasina omaly ny fanapahan-kevitra voalaza fa saika noraisin'ny talem-paritry ny asa tanana sy ny hay tao tany amin'ny renivohitry ny Faritra Atsinanana...
Ny velon-dray aman-dreny dia manana ny anjara andraikiny teo amin'ny fomba malagasy. Ny zavatra volena dia misy tandindona orim-bitana ; ohatra ny fambolena akondro dia mifamatotra vintana amin'ireo teraka volana Oktobra-Novambra na ireo alakarabo. Ara-tantara ireo olona atao hoe "Vazimba" dia ireo terak'olona avy ao Anteroka. Ny voambolana ampiasaina amin'ny famangiana mana-manjo dia miova araka ny fotoana sy ny fifandraisana amin'ny ireo vangiana : ho an'ny mpiara-monina akaiky dia solon-dranom-bary tsy masaka ; ireo olona avy lavitra dia singan-dandy ; raha aorian'ny fandevenana vao mamangy dia fao-dranomaso na zara levenana no filaza ireo tolotra fanome...
♦ Tafapetraka amin'ny fomban'ny Eglizy amin'ny maha-Evekan'i Mahajanga azy omaly i Mgr Zigmunt Robaskievitz... ♦ Nambaran'ireo teknisiana eo anivon'ny Ministeran'ny harena an-kibon'ny tany fa vato sokajiana ho vato indostrialy no nivoaka any ivelany, fa tsy vato sarobidy, raha nanazava mikasika ilay vato 90kg ny ministera... ♦ 48 taona tamin'ny sabotsy teo, ny namonoan'olon-tsy fantatra ny Kôlônely Ratsimandrava. Mbola mijanona ho mistery mandraka ankehitriny ny momba ity raharaha ity... ♦ Niverina an-tanindrazana tamin'ny sabotsy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina...
♦ Efa vonona amin'ny Sorona Masina rahampitso hametrahana ny Eveka vaovao Mgr Zygmunt Robaszkievitcz ny ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga. Nankalazaina tao Mahajanga ihany koa androany ny andro eran-tany faha-38 ho an'ny marary sy ireo mpikarakara azy... ♦ Maherin'ny 9.906.000 isa hatramin'ny omaly ireo olona tafiditra ao anatin'ny lisim-pifidianana araka ny antotanisa navoakan'ny CENI. Mihoatra ny 70% avokoa ny antotanisa ho an'ireo renivohim-paritany rehetra ankoatra ny eto Antananarivo... ♦ Nandroso hevitra hidirana anatin'ny tetezamita ny Vovonana Gasy Leo, aorian'ny fahataperan'ny fe-potoam-piasan'ny Filoham-pirenena ankehitriny ny volana janoary 2024. Tsy tomombana hoy izy ireo ny fanomanana ny fifidianana...
Maro ny olona tratra ny "tsy fahampian-tsakafo" noho ny sondrom-bidim-piainana ; tsy ny zaza sy ny ankizy ihany no mety ho tratran'ity tranga ity fa ny olon-dehibe ihany koa. Ny sakafo ampy : ahitana foto-tsakafo, ahitana ihany koa ireo singa ilain'ny vatana toy ny prôteina, prôtida, gliosida, lipida, sira mineraly sy vitamina ; ireo notanisaina ireo dia azahoana hery fiarovana sy hery fanorenana. Sakafo ahitana ireo singa : hena, trondro, atody, ronono, voamaina, vary... Ny karazana tsy fahampian-tsakafo : "Kwashiorkor" izany hoe ireo tsy ampy protide ka lasa mibinabina, fotsy hatsatra, tsy mavitrika, malaina misakafo, mivonto ny tongotra, tsy mitombo, be kibo, somary mena volo ; ny faharoa dia ny "Marasme" : ilay mahia, ireo noana lava...
♦ Nanolotra ny datin'ny alakamisy 09 novambra 2023 hanaovana ny fhodinana voalohany amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny CENI. Ho tontosaina ny alarobia 20 desambra 2023 kosa ny fhodinana faharoa. Efa any amin'ny governemanta andrasana fankatoavana ny vinavinan'ny datim-pifidianana amin'ity taona ity hoy ny CENI... ♦ Higadona an-tanindrazana anio tolakandro ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery rehefa nonina tany Frantsa nanditra ny efa-taona. Manomana fandaminana hitsenana azy ny birao politikan'ny HVM... ♦ Nanambara ny Ministry ny asa vaventy teo aloha, Ratsiraka Roland fa namatsiana ny orinasa JIRAMA ny vola 600 miliara Ariary tokony hikojakojana ny lalana...
♦ Nanolotra ny datin'ny alakamisy 9 nôvambra 2023, hanaovana ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, ny CENI. Hotontosaina ny alarobia 20 desambra 2023 kosa ny fihodinana faharoa... ♦ Nanambara ny Minisitry ny Asa Vaventy teo aloha, Ratsiraka Roland, fa namatsiana ny orinasa Jirama ny vola 600 miliara Ariary, tokony ho nikojakojana ny lalana... ♦ Hapetraka amin'ny faritra miisa fito mbola tsy manana azy ny teboka géodésique. Nosoniavina androany ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny Tetikasa AD2M, ny FNF ary ny FTM...
♦ Notsenaina tao Andriba, vavahadin'ny diôsezin'i Mahajanga, ny alarobia maraina teo i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz... ♦ Nanitatra ny misôna any amin'ny diôsezin'i Fanoarivo Atsinanana, ny fikambanana Misiôneran'ny Fianakaviana Masina, eto Madagasikara... ♦ Nanentana ireo mpitsabo misehatra anatin'ny pastôralin'ny fahasalamana eo anivon'ny diôsezin'i Rôma, ny Papa François, mba hahaizan'izy ireo mihaino ny fijaliana mangina an'ireo marary tsy misy mpikarakara, anaty fahasahiranana ara-bola sy ara-môraly...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco