Tamin’izany andro izany, i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina. Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary. Dia hoy Izy taminy: "Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa. Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany. Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin’izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano ho fiampangana azy ireo." Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...