Ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco dia mampanao fifaninanana ho an'ny tanora maneran-tany, manan-talenta amin'ny fanatontosana horonan-tsarimihetsika. "Don Bosco Global Youth Film Festival" (DBGYFF) no anaran'ny fifaninanana, ary amin'ity taona ity dia mifototra amin'ny lohahevitra hoe "Onenan'ny fanantenana".

Ny tanora maneran-tany, latsaky ny 30 taona, no entanina handray anjara amin'ity fifaninanana famokarana sy fanatontosana horonan-tsarimihetsika ity. Ny antony nisafidianana ny lohahevitra "Onenan'ny fanantena" dia noho ny fahatsapana indrindra fa ny tanora no tsirim-panantenana ho an'ny ho avy, ao aorian'ny fiatrehana ity valan'aretina mampivarahontsana an'izao tontolo izao ity. Noho izany, ny famoronana sy ny fanatontosana rehetra dia tsy maintsy mifototra amin'io lohahevitra io, ary tsy azo raisina ho ao anatin'ny fifaninanana kosa ireo famoronana mampiseho fahasiahana amin'ny hafa, ny fampiderana fitanjahana sy herisetra.

Misy sokajy telo no azon'ny tanora handraisana anjara dia :

  1. horonan-tsarimihetsika fohy (courte vidéo d'action), maharitra 1 minitra na 10 minitra ;
  2. horonan-tsary nampiainina fohy (courte vidéo d'animation), maharitra 1 minitra na 5 minitra ;
  3. horonan-tsarimihetsika an-kira (courte vidéo musicale), maharitra 5 minitra.

Hatramin'ny 30 septambra 2021 ny fara fametrahana ny famoronana, ary ny 18 sy 19 nôvambra 2021 kosa no hankalazana ny DBGYFF, amin'ny firenena maherin'ny 135 maneran-tany.

Ny andinindiny sy izay mety ho fanampim-panazavana, ary ny fisoratana anarana sy ny fametrahana ny famoronana, ho an'izay liana dia ao amin'ny (araho ny rohy) DON BOSCO GLOBAL YOUTH FILM FESTIVAL.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...