Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 3, 14-17)

Homeko mpiandry araka ny foko ianareo; ary ny firenena rehetra hivory ao Jerosalema.

Miverena, ry zaza mpiodina — teny marin’ny Tompo,
fa Izaho no Tomponareo;
ary halaiko ianareo ny iray ao amin’ny tanàna iray,
ary ny roa amin’ny fianakaviana iray; ka hoentiko any Siôna.
Dia homeko mpiandry araka ny foko ianareo,
izay hamahana anareo amim-pahalalana sy fahendrena.
Ary rahefa mitombo sy mihamaro amin’ny tany ianareo, amin’izany andro izany,
— teny marin’ny Tompo,
amin’izay tsy hisy intsony ny hilaza hoe:
Ny fiaran’ny faneken’ny Tompo!
Tsy ho mby ao an-tsaina akory izany,
tsy hisy hahatsiaro na ho manina an’izany intsony,
na hanao anankiray hafa indray.
Amin’izany andro izany i Jerosalema hantsoina hoe:
ny seza fiandrianan’ny Tompo!
Ary ny firenena rehetra hivory ao Jerosalema, amin’ny anaran’ny Tompo,
fa tsy hanaraka ny ditran’ny fony ratsy intsony izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Jer. 31, 10-13

Ny Tompo miambina anay, toy ny mpiandry miambina ny ondriny.

Ianareo firenena mihainoa ny Tenin’ny Tompo, ary torionareo izany, any amin’ireo nosy lavitra; ataovy hoe:
Ilay nampiely an’i Israely dia hanangona azy indray;
ary hiandry azy toy ny fiandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny.

Satria ny Tompo efa nanavotra an’i Jakôba,
sy nanafaka azy tamin’ny tanan’ny mahery noho izy.

Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin’ny havoan’i Siôna.
Hitanjozotra ho eo amin’ny zava-tsoan’ny Tompo izy ireo, ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, ho amin’ny ondry aman’omby;
ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny, ka hitsahatra tsy halazo intsony.

Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa.
Hampodiako ho fifaliana ny fisaonany, halako alahelo,
hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)

Izay mihaino ny teny ka mahalala azy dia mamoa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Henoy àry ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy.
Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala,
dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony:
dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato
no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay,
nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela;
fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ilay nafafy tany anaty tsilo
no izay mandre ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy,
ka tonga tsy mamoa izy.
Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa
no izay mandre ny teny ka mahalala azy;
dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny,
ary ny sasany telopolo heny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...