Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 1, 1. 4-10)

Indro Aho manendry anao ho eo amin’ny firenena amam-panjakana.

Tenin’i Jeremia, zanak’i Helkiasy,
iray amin’ireo mpisorona any Anatôta, amin’ny tanin’i Benjamina.
Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohoka ianao,
ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko;
notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.”

Dia hoy aho:

“Indrisy, ry Tompo Andriamanitra ô,
tsy mahay miteny aho fa zaza.”

Fa hoy ny Tompo tamiko:

“Aza manao hoe: zaza aho,
fa handeha ho any amin’izay rehetra hanirahako anao ianao,
ary hilaza izay rehetra handidiako anao.
Aza manana izay tahotra akory ianao eo anatrehan’izy ireo,
fa momba anao hamonjy anao Aho,
— Teny marin’ny Tompo!”

Dia naninjitra ny tanany ny Tompo, ka nanendry ny vavako,
ary hoy ny Tompo tamiko:

“Indro ataoko eo am-bavanao ny teniko;
ary indro Aho anio manendry anao,
ho eo amin’ny firenena amam-panjakana hanongotra sy hanjera,
hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 70, 1-2. 3-4a. 5-6ab. 15ab sy 17

Ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinana sy ny vonjinao.

Ianao no ifefeko, ry Tompo!
Tsy ho azon-kenatra aho, ry Ilay Mandrakizay!
Afaho noho ny Fahamarinanao; itongilano sofina ka vonjeo!

Aoka Ianao ho vatolampy fialofako,
ho trano mafy mahavonjy!
Eny, Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy
ry Andriamanitra ô!

Fa Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra,
fanantenako hatra ny fahakeliko!
Hatrany am-bohoka; Ianao no heriko;
hatrany an-kibon’i neny, Ianao no mpiaro ahy.

Ny vavako mitanisa tontolo andro
ny fahamarinana sy vonjinao.
Andriamanitra ô, mbola kely aho no nampianarinao,
ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)

Ao ny mamoa avo zato heny.

Tamin’izany andro izany, rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy,
dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:

“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo, ka nitsimoka vetivety,
satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsa-paka.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...