Vakiteny voalohany

Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 4, 42-44)

Nihinana ny olona ary mbola nisy sisa tsy lany.

Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy iray avy any Baala-Salira
nitondra mofo natao tamin’ny santa-bary ho an’i Elisea, olon’Andriamanitra,
dia mofo ôrja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasàkany;
ka hoy i Elisea:

“Omeo ny olona hohaniny”.

Fa hoy ny navalin’ny mpanompony:

“Hatao ahoana no fandroso izany eo anatrehan’ny olona zato?”

Fa hoy i Elisea:

“Omeo ireo olona ireo hohaniny; fa izao no lazain’ny Tompo:
‘Hihinana ny olona ary mbola hisy sisa tsy lany’”.

Dia norosoana izy ireo ka nihinana,
nefa mbola nisy sisa tsy lany araka ny teny voalazan’Andriamanitra.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 144, 10-11. 15-16. 17-18

Manokatra ny tananao Ianao ka mamoky zava-tsoa ny miaina rehetra.

Midera Anao, ry Tompo, ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao;
ny voninahitry ny Fanjakanao resahiny,
ny asanao mahery teneniny.

Ny mason’ny voaary rehetra miandry Anao,
Ianao mpamahana azy ara-potoana:
ny tananao sokafanao,
dia voky zava-tsoa ny miaina rehetra.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 1-6)

Tsy misy afa-tsy tena iray, Tompo iray, finoana iray, Batemy iray.

Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho,
dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo,
mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo,
amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra,
amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;
mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;
fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy fanahy iray,
araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray:
tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray,
ary Andriamanitra iray, izay Rain’izy rehetra,
ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra!

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)

Nozarainy ny mofo sy ny hazandrano sady nampanaranany fo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady,
ary vahoaka be no nanaraka Azy,
noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary.
Dia niakatra tany an-tendrombohitra i Jesoa,
ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany.
Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody.
Nony nanopy ny masony i Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy,
dia hoy Izy tamin’i Filipo:

“Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?”

Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany.
Dia hoy i Filipo taminy:

“Na dia mofona denie roanjato aza,
tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory”.

Ny anankiray tamin’ny mpianany koa,
dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe:

“Misy zazalahy anankiray manana mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao:
fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao?”

Dia hoy i Jesoa:

“Asaovy mipetraka ny olona”.

Ary nisy ahitra be teo, ka dia nipetraka ny olona,
ary tokony ho dimy arivo no isan’ny lehilahy.
Dia nandray ny mofo i Jesoa,
ka nony efa nisaotra dia nizarazara azy tamin’izay nipetraka
ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaranany fo.

Rehefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very”.

Dia nangoniny, ka nahafeno sobiky roa ambin’ny folo
ny sombintsombin’ny mofo dimy sisa tsy lanin’izay nihinana.
Nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe:

“Ity tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao”.

Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo,
ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...