♦ Niakatra 28%, ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny tany amin'ireo EPP maherin'ny 10.000 nisitraka ny tetikasa TAFITA, ary niakatra 25% izany ho an'ny fahaizana kajy, tany amin'ireo EPP ireo ihany... ♦ Hiara-hientana amin'ny fahatsiarovana an'i Baden-Powell indray ny Antilin'i Madagasikara, rahampitso 22 febroary, eny amin'ny ANS Ampefiloha... ♦ Mitaky ny fampitsaharana ny fametrahana ny Sekreteram-panjakana ho eo ambany fiahian'ny Fiadidiana ny Repoblika, ireo vondron'ny fiarahamonim-pirenena maromaro...

2 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)

1 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43. 45-46)

29 febroary 2024 — Alakamisy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 19-31)

28 febroary 2024 — Alarobia, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 17-28)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 18, 18-20)

Andeha hamely azy isika.

Hoy ireo olon-dratsy:

“Andeha, hiray tetika hamely an’i Jeremia isika,
fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona,
na ny hevitra ao amin’ny hendry,
na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany!
Andeha hasiantsika amin’ny vavantsika izy,
ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.”

Atongilano amiko ny sofinao, ry Tompo,
ary henoy ny feon’ireo mandrafy ahy!
Dia ratsy va no havaly ny soa,
no dia mihady lavaka ho an’ny fanahiko izy ireo?
Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao,
hiteny aminao mba ho azy ireo,
hampiala ny hatezeranao amin’izy ireo!

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 30, 5-6. 14. 15-16)

Vonjeo izahay, ry Tompo, noho ny hatsaram-ponao.

Tsoahy amin’ny harato nafenina aho,
fa Ianao no heriko!
Apetrako eo an-tananao ny aiko,
avoty aho, ry Tompo Andriamanitra.

Henoko ny vavan’ny maro,
ka horohoro hatraiza hatraiza!
Miara-mioko izy hahavoa,
mifofo hanala ny aiko.

Fa izaho, ry Tompo, mifefy aminao!
Hoy aho hoe: “Andriamanitro Ianao”,
eo an-tananao ny androko,
afaho amin’ny fahavalo sy mpanenjika aho!

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 17-28)

Ary ireo hanameloka Azy ho faty.

Tamin’izany andro izany,
raha niakatra ho any Jerosalema i Jesoa,
dia nalainy mangingina ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy
ka nilazany hoe:

“Indro miakatra ho any Jerosalema isika,
ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona
mbamin’ny mpanora-dalàna,
ary ireo hanameloka Azy ho faty,
ka hanolotra Azy amin’ny jentily mba hoesoiny sy hokapohiny
ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana;
fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo.”

Ary tamin’izany nanatona Azy
ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy,
ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy.
Ka hoy i Jesoa taminy:

“Inona no irìnao?”

Dia hoy izy:

“Aoka ireto zanako roa lahy ireto
mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray
ary eo ankavianao ny anankiray,
ao amin’ny Fanjakanao.”

Dia hoy ny famalin’i Jesoa:

“Tsy fantatrareo izay angatahinareo.
Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?”

Hoy ireo taminy:

“Efanay ihany.”

Ary hoy Izy taminy:

“Raha ny amin’ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa;
fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa,
dia tsy Ahy ny hanome anareo izany,
fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy.”

Ary nony nandre izany izy folo lahy
dia tezitra tamin’izy mirahalahy.
Fa nasain’i Jesoa hanatona Azy izy ireo,
ka nilazany hoe:

“Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy,
ary ny lehibeny mifehy azy fatratra.
Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo;
fa izay te-ho lehibe aminareo kosa,
no aoka ho mpanompo anareo izy,
ary izay te-ho lohany aminareo,
no aoka ho mpanomponareo:
dia tahaka ny Zanak’Olona izany:
fa Izy tsy tonga mba hotompoina
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy
ho fanavotana ny maro.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

27 febroary 2024 — Talata, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

26 febroary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 36-38)

25 febroary 2024 — Alahady Faharoa amin'ny Karemy — Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-9)

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 22, 1-2. 9a. 10-13. 15-18)

Sorona nataon’i Abrama, Patriarka,

Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nizaha toetra an’i Abrama ka nanao taminy hoe:

“Ry Abrama ô!”

Ary hoy izy:

“Inty aho”.

Dia hoy Andriamanitra:

“Ento ny zanakao,
ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka,
ka mankanesa any amin’ny tany Môrià,
ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana
eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao”.

Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy,
dia naorin’i Abrama teo ny ôtely.
Dia naninjitra ny tanany i Abrama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.
Tamin’izay, niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe:

“Ry Abrama! ry Abrama ô!”

hoy ny navaliny:

“Inty aho”.

Dia hoy ny Anjely:

“Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory,
fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao,
sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao ho Ahy”.

Ary nanopy maso i Abrama ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony,
voasaringotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony;
dia lasa i Abrama naka ilay ondralahy,
ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.
Ary ny Anjelin’ny Tompo niantso an’i Abrama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe:

“Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho, hoy ny Tompo,
noho ianao nanao izany sy tsy nandà, fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahy tokanao, ho Ahy dia hanisy soa anao Aho,
hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra
sy ny fasika eny amoron-dranomasina,
ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena ambonin’ny tany,
satria nanaiky ny teniko ianao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 115, 10 sy 15. 16-17. 18-19

Hizotra eo anatrehan’ny Tompo aho ho any amin’ny tanin’ny velona.

Inona no havaliko ny Tompo
amin’ny soa rehetra nataony ahy?
Handray ny kapoakam-pandresena aho
sady hiantso ny Anaran’ny Tompo.

Tsy sitraky ny Tompo velively
ny ahafatesan’ny sakaizany.
Mpanomponao aho, ry Tompo: eny, mpanomponao tokoa;
zanaky ny ankizy vavinao aho, ka nalanao fatorana.

Koa mitondra fanati-pisaorana aho
sy miantso ny Anaran’ny Tompo,
manefa ny voadiko tamin’ny Tompo
atrehin’ny vahoakany tontolo.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 31b-34)

Andriamanitra tsy nandala ny tena Zanany.

Ry kristianina havana,
raha Andriamanitra no momba antsika,
iza no hahatohitra antsika?
Izy tsy nandala ny tena Zanany,
fa nahafoy Azy ho antsika rehetra,
ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa, miaraka aminy?
Iza no hiampanga izay voafidin’Andriamanitra?
Andriamanitra no manamarina azy,
ka zovy no hanameloka?
Moa i Kristy va, ilay efa maty fa nitsangan-ko velona
sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Dera anie ho Anao, ry Kristy, Mpanjakanay rehetra, mitenena, Tompo ô, hamelona, hanazava.

Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy.

Dera anie ho Anao, ry Kristy, Mpanjakanay rehetra, mitenena, Tompo ô, hamelona, hanazava.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-9)

Ity no Zanako malalako indrindra.

Tamin’izany andro izany,
nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany
ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray,
dia niova tarehy teo anatrehany Izy.
Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany,
ka tsy misy mpanasa lamba, mahadio lamba toy izany ety an-tany.
Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa.
Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty;
aoka hanao lay telo izahay,
ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia”.

Fa tsy fantany izay nolazainy,
satria raiki-tahotra loatra izy ireo.
Tamin’izay dia nisy rahona nanarona Azy;
ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe:

“Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy”.

Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo,
nefa tsy nahita olona intsony,
fa i Jesoa irery sisa teo aminy.
Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo,
dia noraràny tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany,
mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona.
Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany,
sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe:
mitsangan-ko velona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mbola azon'ireo vao feno taona atao ny misoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy aorian'ny fiverenan'ilay lisitra avy any amin'ny Distrika eny amin'ny Fokontany... ♦ Fonjaben'Antaimora : Miroso amin'ny fanomezana fiofanana arak'asa ho an'ireo vehivavy voafonja ny ministeran'ny fitsaràna... ♦ Mitaraina noho ny fanararaotana ataon'ireo mpanangom-bokatra any an-toerana ireo mponina ao amin'ny kaominina Andriambesoa Distrikan'i Betafo... ♦ Niatrika ny fitsarana Amerikana nanomboka omaly ny filohan'i Honduras teo aloha Juan Orlando Hernandez, voarohirohy noho ny resaka trafika zava-mahadomelina...

♦ Nahemotra ho amin'ny talata faha 27 ny volana febroary izao indray raha tokony ho tanterahana omaly ny fitsarana an'Andriamatoa Mbola Rajaonah... ♦ Tsy hihemotra amin'ny fampiharana ilay sazy famosirana ho an'ireo mpanolana zaza tsy ampy taona ny fitondrana Malagasy araka ny nambaran'ny mpitondra tenin'ny governemanta Rakotondrazafy Lalatiana... ♦ 21 febroary marihina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny, loha-hevitra tamin'ity taona ity ny hoe "ny teny Malagasy teny mampandroso"... ♦ Ao Bande de Gaza, 5% amin'ny zaza latsaky ny 2 taona no tratrany ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka any amin'ny faritra atsimo...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...