25 aprily — Araka ny fikarohana dia teraka tao Galilée i Masindahy Marc, izay heverina fa taran'i Aaron. Zanaky ny mpananon-tena nantsoina hoe Marie izy. I Jean na Joany no tena anarany fa anaram-bositra ny hoe Marc.

Tao an-tranon'izy ireo no nivory ny kristianina voalohany tao Jerosalema rehefa mivavaka (Asa 12, 12) : "Dia nieritreritra kely izy aloha vao nankany an-tranon'i Maria renin'i Joany, izay atao hoe Marka; olona maro no tafavory nivavaka tao". Tao ko no nihery i Pierre rehefa afaka tany am-ponja.

I Marc ihany koa no ilay tovolahy nandositra teo amin'ny fisamborana ny Tompo araka ny Marka 14, 51-52, izao no voalaza ao : "Ary nisy tovolahy anankiray nanaraka azy, lamba fotsiny no teny an-kodiny, nosamborin'ireo koa ; dia nariany ny lambany, ka lasa nandositra niboridana izy". Izy dia niaraka tamin'i Paul sy i Barnabé nitory ny Vaovao Mahafaly tany Chypre, avy eo izy nisaraka tamin'izy ireo, ary niverina tany Jerosalema indray. Nataon'i Pierre toa ny zanany mihitsy i Marc raha ny voalaza ao amin'ny Taratasy voalohan'i Masindahy Pierre (5, 13) hoe : "Manao veloma anareo ny Eglizin'i Babilona, voafidy toy anareo, sy Marka zanako." Io fiantsoan'i Pierre azy hoe "zanako" io dia azo iheverana ihany koa fa i Pierre no nanao batemy azy. Mpitan-tsoratra sy mpadika tenin'i Pierre mantsy i Marc, ary izy no nanoratra ilay raki-tsoratra ho an'ny Romana nantsoina hoe Evanjelin'i Masindahy Marc. I Pierre no nandefa azy hanao ny iraka fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy nanorina ny Fiangonana tany Alexandrie sy Egypte ary faritra maro tao Afrika.

Nataon'i Marc araka izay tratry ny ainy ny fanatanterahana izany iraka nampanaovin'i Pierre azy izany. Lasa faritra nivaka tokoa tamin'ny fanehoam-pinoana kristianina ny tao Alexandrie ary niray hina ny vahoaka sy ny mponina tao ho an'ny fanompoana an'Andriamanitra sy i Jesoa Kristy. Ny ratsy anefa tsy kely lalana, ka ireo mbola tsy nino dia nikasa ny hamono an'i Marc. Mba ahafahany manamafy sy manorina tsara ny asa efa natombony anefa dia nanofana pretra iray izy ka nidify an'izany fandriky ny fahavalo izany izy ary nifindra toeran-kafa, hitondra ny hazofijalian'i Kristy. Tao aoriana kelin'izay dia niverina, ary nahita indray ny firoboroboan'ny Fiangonana tao Alexandrie i Marc. Tezitra noho ny fitombo sy ny firoboroboan'ny isan'ny olona nibebaka anefa ireo tsy mpino tamin'ny fanjakan'i Trajan ka nisambotra azy. Nofatoran'izy ireo ny tendany ary nahantony tamin'ny toerana feno vato ka nampijaliany ela, avy eo dia natsipiny tao an-tranomaizina. Nefa ny alin'io dia nisy anjely nankahery azy sy hanampy azy amin'ny ady tsy maintsy hatrehany. Ny ampitson'io dia nalaina tao am-ponja izy, nofatorana indray ny tendany ary natsongoloka sy notarihana mba haheno fanaintainana sy hikonaina. Nandritra izany fampijaliana izany anefa dia nisaotra an'Andriamanitra izy, ary nitalaho ny famindram-pony. Farany, notorotoroina tamin'ny vato izy, nivoa-dra ireo rantsam-batany, ary hoy izy tamin'ny sentony farany : "Tompo ô ! Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko". Marihana fa ny sangan'asan'i Eusèbe de Césarée, ilay antsoina hoe Histoire ecclésiastique, boky faha-3 ao amin'ny toko faha-39, no ahitana izay sombin-tantaran'ny fiainan'i Masindahy Marc izay. I Masindahy Marc no mpiaro ny tananan'i Venise, toerana misy ireo reliques.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...