21 aprily — Teraka ny taona 1033 i Anselme, izy dia avy amin'ny fianakaviana andriana tao Aoste, Piémont. Mbola kely dia efa nampianarin'ny reniny ho tia an'Andriamanitra sy i Masina Maria izy. Vehivavy tia vavaka tokoa mantsy io renin'i Anselme io.

Tsy navelan-drainy hotezain-dreniny intsony anefa izy noho ny efa nihalehibe sy nahatsapa ny fiantsoan'Andriamanitra azy ho relijiozy. Dia ny rainy no nitaiza azy, nefa izy io dia lehilahy tena nifikitra sy niliba tamin'ny fiainan'izao tontolo izao ka tena nampijaly an'i Anselme tokoa. Rehefa leo ny fampijaliana nataon-drainy azy i Anselme dia nandositra nankany France ary niditra nianatra tao amin'ny trano fitokana-monina tao Bec ao Normandie. Rehefa nanohy fianarana tao izy dia niresaka tamin'ny lehiben'ity sekoly ity ka nilaza hoe : "Lalana telo no misokatra ho ahy, ho relijiozy ato Bec, na hiaina hitoka-monina hanirery, na hijanona eo amin'izao tontolo izao hanamaivana ny fahasahiranan'ireto mahantra ireto amin'ny hareko. Ka lazao ahy, hoy i Anselme, izay hataoko fa ankatoaviko izay ambaranao". Dia hoy i Lanfranc, ilay lehiben'ny sekoly, taminy : "Ny fiainan-drelijiozy". Dia nijanona tao amin'ity trano fitokana-monina tao Bec ity i Anselme. 27 taona izy tamin'izay.

Ny taona 1075, rehefa voatendry ho arsevekan'i Cantorbéry i Lanfranc, dia voafidy ho lehiben'io ankohonam-piainana io i Anselme. Tsy hoe manam-pahaizana fotsiny mantsy i Anselme fa tena masina ihany koa. Na dia nandà fatratra izany toerana izany sy io andraiktra nomena azy io aza izy, satria tsapany fa tsy mendrika izany izy, dia tsy maintsy nanaiky izany adidy mavesatra izany. Arakaraka ny nahabe andraikitra an'i Anselme no nampitombo ihany koa ny hatsaram-panahy tao aminy. Ankoatra ny fitantanana ny fikambanana dia laniany amin'ny fandalinana ny Soratra Masina sy ny fanoratana boky masina sy filôzôfika ny fotoany, fa ny vavaka aloha no voalohan-daharana amin'ireo rehetra ireo. Ny maraina vao maneno akoho izy dia efa mandohalika. Indray andro, raha namoha ireo namany ny frera iray mba hanao ny vavaka fiderana maraina, akory ny hagagan'izy ireo nahita hazavana tao amin'ilay efitrano fivoriana, tsy iza io fa i Anselme, mivavaka, nohodidinin'ny famantarana ny olomasina miendrika afo.

Notendren'i Guillaume, mpanjakan'i Angleterre, ho arsevekan'i Cantorbéry izy tao aorian'izay, nefa tena nolaviny io, tsy afa-niala anefa izy rehefa nihaona tamin'ny papa. Ny taona 1093 izy no nandray ny fiketrahana maha eveka azy tao Cantorbéry. Maro ny sedram-piainana nolalovany tamin'izany noho ny fanembantsembanan'ny fitondram-panjakana azy, fa ny nohezahiny dia ny niaro hatrany ny fianam-pinoana sy ny fanahin'ny vahoaka ondriny.

Marihana fa i Anselme dia nampianatra ny teôlôjia tao amin'ny trano fitokana-monina tao Bec. Maro ihany koa ireo sangan'asany no ampiasain'ireo toeram-piofanana ho pretra toy ny hoe Philosophie classique ka anisan'izany ny Proslogion sy ny Monologion, ny De veritate izay manaporofo ny fisian'Andriamanitra. Teo ihany koa ny boky nosoratany momba ny fanavotana Cur Deus Homo na hoe "Nahoana Andriamanitra no tonga olombelona".

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...