Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 11, 25-29)

Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
nidina teo amin’ny rahona ny Tompo dia niteny tamin’i Môizy;
nangalany ny Fanahy izay tao amin’i Môizy,
ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy,
naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny Fanahy,
nefa tsy notohiziny izany.
Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary i Medada ny anankiray,
nijanona teo an-toby;
ary tonga tao amin’izy ireo ny Fanahy;
anisan’ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin’ny trano lay,
ary naminany teo an-toby izy.
Dia nihazakazaka nilaza izany tamin’i Môizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe:

“Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada”.

Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona,
mpanompon’i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe:

“Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy”.

Fa hoy ny navalin’i Môizy azy:

“Noho ny amiko va no ialonanao?
Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’ny Tompo,
ary hataon’ny Tompo ao aminy ny Fanahiny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 18, 8. 10. 12-13. 14

Mahafaly fo ny fitsipiky ny Tompo.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy;
ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny tenin’ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay;
ny fitsaràn’ny Tompo koa marina,
samy rariny avokoa.

Koa ny mpanomponao mankasitraka ireny,
fa tombontsoa ireny raha voatandrina.
Ny hadisoan’ny tena, tsy mba hita:
avelao ny ota izay tsy tandriko.

Ny avonavona iarovy ahy,
ity mpanomponao anie tsy ho voafehiny,
ka dia ho afaka amin’ny loto
sy ny hadisoana bevava.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 1-6)

Ny harenareo efa lo.

Anareo mpanan-karena kosa indray izao:
Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.
Ny harenareo efa lo;
ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao;
ny volamena sy ny volafotsinareo efa harafesina;
ary ny harafesiny dia hiampanga anareo,
sy handevona ny nofonareo, toy ny afo.
Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo.
Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo;
ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.
Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana;
namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo.
Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo, fa tsy nanohitra anareo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-42. 44. 46-47)

Izay tsy manohitra anareo, dia momba anareo. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy.

Tamin’izany andro izany,
namaly ny tenin’i Jesoa i Joany ka nanao taminy hoe:

“Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay;
nefa tsy namantsika ka noraranay”.

Fa hoy i Jesoa:

“Aza raranareo izy;
fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana.
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako,
satria an’i Kristy ianareo,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny,
dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarîna amin’ny vozony,
ka havarina any anaty ranomasina izy.
Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy,
fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny gehena,
dia any amin’ny afo tsy azo vonoina.
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy,
fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina.
Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy,
fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao,
toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo,
izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mitsidika ny Diôsezin'i Toamasina ny Nonce Apostolique Mgr Thomasz Grysa. Fitsidihana pastoraly nanomboka omaly hatramin'ny alahady... ♦ Kandidà an'ny vovonana IRMAR amin'ny fifidianana ben'ny tanàna ao amin'ny Kaominina andrenivohitr'i Manakara ny Préfet an'i Manakara amperinasa Ramatoa Rakotomalala Béatrice... ♦ Miabo ny vokatra azo tamin'ny tetik'asa Harena voajanahary sy kijàna mamokatra tamin'ireo Faritra 3 niasany. Vokatra isany nisongadina ny famokarana vilo-maina avy amin'ireo bozaka manodidina ny faritra arovana Ankafobe sy ny fambolena apemba ho an'ny otri-bilona... ♦ Nanambara ny ministry ny fiarovana israeliana fa dingana vaovao amin'ny ady ny tranga misy any Liban...

Ny andraikitra sy ny adidy no maha-olona, ary indrindra maha olom-pirenena. Ny olom-pirenena dia indrindra ireo 18 taona na mahery. Ny safidy no fototry ny fiainana. Mba ho azo antoka ny fisian'ny fifanajàna sy ny filaminana dia ilaina ny fieken-tena fa diso, eo koa ny fanetrentena hifampiresaka. Mampandroso ny safidy tsara, izay vokatry ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra...  Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tsy mbola isan'ireo afaka hihazakazaka hifaninana ho ben'ny tanàna an'Antananarivo Renivohitra Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nohamafisin'ny CENI omaly ny fanapahana navoakan'ny OVEC. Nohalavaina hatramin'n 26 septambra izao ny fe-potoana farany afahan'ireo maniry ho kandidà ben'ny tanàna mametraka ny antotan-taratasiny any amin'ny OVEC... ♦ Hampahafantatra ny dingana ataony manoloana ny fandavana ny firotsahan-ko fidian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny vovonana Firaisan-kina. Nanamafy ny SG antoko TIM fa tsy nisy ny fifanarahana natao tamin'ny fintatanana ankapoben'ny Hetra... ♦ Nanamarika ny andro eran-tany ho an'ny volobe isika teto Madagasikara omaly...

♦ Nohalavaina hatramin'ny 26 septambra ny fe-potoana farany ahafahan'ireo ho kandidà Ben'ny Tanànana, mametraka ny antontan-taratasiny any amin'ny OVEC... ♦ Hanohy ny dingana araka ny lalàna manoloana ny fandavan'ny CENI ny firotsahan'Andriamatoa Marc Ravalomanana, ny Firaisankina. Naka ny fanapahana avy amin'ny CENI teny Alarobia izy ireo androany... ♦ Nomarihana androany ny Andro Eran-tany ho an'ny Volobe, na Bambou. Miisa 35 karazana ny volobe misy eto Madagasikara...

♦ Nahemotry ny CENI ho amin'ny 26 septambra izao ny fe-potoana farany afahana manatitra ny taratasy firotsahan-kofidiana ho an'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina raha tokony hifarana rahampitso 9 septambra... ♦ Firaketan-draharaha eo anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany Antananarivo : 2.000 isa isan'andro ireo taratasy fangatahana fanamarinana fizakana zom-pirenena sy Casier Judiciaire voaray... ♦ Madagasikara no handray ny fihaonamben'ireo mampiasa volan'ny AFRICA 50, rahampitso alakamisy 19 septambra etsy amin'ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato... ♦ Nolavin'ilay orinasa Gold Apollo ny filazana azy ho nanamboatra ireo Bipeurs nampiasan'ny Hezbollha Libanais...

♦ Tsy manana olana amin'y hanomezana ny taratasy fanamarinana fandoavan-ketra ho an'ny filoha telo aloha Marc Ravalomanana rehefa mahaloa ny hetra tokony haloany amin'ny Fanjakàna ny tenany hoy ny Ministry ny Vola sy ny Fitantanam-bola... ♦ Ho fantatra anio hariva farafahatarany ny fahafahan'Andriamatoa Ravalomanana Marc, mirotsaka ho fidiana ben'ny Tanàna an'Antananarivo na tsia, fanapahan-kevitra pôlitika no mahatonga izao sakatsakana izao hoy ny solombavambahoaka Siteny Andrianasoloniaiko... ♦ Kolotsaina sy ny asa tanana isany misarika ny mpizahan-tany ho tonga eto Madagasikara, antony nanaovana ny hetsika fampirantiana Bon Baiser de Tanà etsy Ivato...

♦ Nanambara androany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, fa noho ny taratasy fanomezan-toky ny handoavany ireo hetra mbola tsy voaloany, nataon'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin'ny taona 2023, no nahafahany nirotsaka ho kandidà Filoham-pirenena farany teo... ♦ Fanapahan-kevitra pôlitika no mahatonga ny fanakanana an'Andriamatoa Marc Ravalomanana ho kandidà Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra, hoy ny depiote, Siteny Andrianasoloniaiko...

♦ Miseho lany ny olana amin'ny olona ho atolotry ny antoko pôlitika sy ny vovonana pôlitika ho kandidà ben'ny tanàna, indrindra ny amin'ny renivohi-paritany... ♦ Mbola mahaliana ny Malagasy tanora ny fandalinana ny hay pôlitika na eo aza ny zava-misy ara-pôlitika misy ankehitriny... ♦ Volana eran-tany momba ny "Alzheimer" ny volana septambra. Maro ireo hetsika karakarain'ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody... ♦ Mahazo vahana ny herisetra sy fanenjehana ny finoana katôlika any Nouvelle-Calédonie. Miisa 6 ireo Eglizy nisy nandoro any an-toerana, tato anatin'ny 2 volana...

♦ Nampiakatra ny raharaha eny anivon'ny CENI manoloana ny fandavan'ny OVEC ny antotan-taratasiny ho kandidà ben'ny tanàna Andriamatoa Ravalomanana Marc. Manana roa andro hamaliana izany ny CENI... ♦ Mbola banga tsy misy kandidà ireo kaominina miisa 12 amin'ireo kaominina 16 mandrafitra ny Distrika Antananarivo-Avaradrano... ♦ Hanomboka androany ary haharitra 4 andro ny hay ranty karakarain'ny sekoly ambony momba ny hay fambolena sy fiompiana... ♦ Any Rosia, nanome baiko mba hampitombona isa ireo tafika ny filoha Vladmir Poutine...

♦ Nandefa taratasy eny anivon'ny CENI, manoloana ny fandavan'ny OVEC ny antontan-taratasiny ho kandidà Ben'ny Tanàna Andriamatoa Ravalomanana Marc. Manana roa andro hamaliana izany ny CENI... ♦ Tsy nanafina ny fikasany hanolotra ny PDS teo aloha, Ramanambitana Richard, ho kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina... ♦ Nasiam-panavaozana maromaro ireo fepetra fahazoan-dalana mitrandraka harena ankibon'ny tany eto Madagasikara...

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...