09 marsa — Niaina tao anelanelan'ny taona 1384 hatramin'ny taona 1440 i Masimbavy Françoise Romaine. Teraka tao Roma izy ary fianakaviana fanta-daza no nipoirany. Ny fiainany hatramin'ny fahazazany dia maneho ny fiombonana tamin'Andriamanitra, ary nanomana azy hanokan-tena ho an'i Kristy.

Ireo ray aman-dreniny anefa efa nanomana ho azy izay ho namany eo amin'ny fiainana dia niroso tao amin'ny tokantrano izy. Tokantrano fakan-tahaka ny ankohonan'i Françoise ary azo lazaina fa sekoly fianarana ny hatsaram-panahy kristianina. Tia ny olona izy, vady ary reny tonga lafatra, manaja azy sy tia azy na ireo mpanampiny tao an-trano aza. Rehefa maty ny vadiny dia namonjy ilay fikambanana Sœurs Oblates izy, izay izy ihany no nanorina azy ary tany izy no niaina tamin'ny fiombonana sy vavaka niaraka tamin'ireo rahavaviny tao.

Ny tena nampiavaka ny fiainany dia ny fisehoan'ny anjely mpiambina azy hita maso sy ny ady mafy natrehiny nanohitra ny demony. Ankoatra ny anjely mpiambina anefa dia nomen'Andriamanitra anjely hafa ihany koa izy hanasazy azy. Hentitra io anjely io satria isaky ny manao hadisoana i Françoise na dia kely aza dia mikapoka azy hatrany ilay anjely na eny imason'olona aza. Tsy hita io anjely io fa ny kapoka dia hita sy ren'ny rehetra. Indray andro nisy olona nijoro teo anoloan'i Françoise, nanao resaka tsy maotina loatra, nomen'Andriamanitra saina izy hapiato ny resak'ireo olona ireo. Somary nihaotra anefa izy, hany ka nisy nitsoka mafy ny tavany. Matetika rehefa mandohalika mivavaka i Françoise Romaine eo anoloan'ny sarin'i Masina Maria, dia manatona azy ny anjeliny ary manohy ny vavaka miaraka aminy. Amin'ny ankapobeny dia misy anjely iray aseho miaraka amin'ny sarin'i Françoise rehefa maneho azy amin'ny sary ny mpanakanto.

Tsy indray mandeha fa matetika rehefa misy demony mampijaly ity mpanompon'Andriamanitra ity dia ireo anjely mpiambina azy no mandroaka izany demony izany. Indray alina, nandritra an'i Françoise nivavaka dia noraisin'ny demony tamin'ny volony izy ary nentiny tany amin'ny tafo ka nahantony, fa Andriamanitra kosa namerina an'i Françoise tany an-tranony.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...