06 marsa — I Masimbavy Colette dia teraka tao Corbie tamin'ny taona 1381. Nodimandry tao Gand Belgique izy ny 06 marsa 1447. Io vanim-potoana niainan'i Colette io dia nomarihin'ny fisarahana teo amin'ny Fiangonana, izany hoe ny taona 1387 ka hatramin'ny taona 1417. Io ilay antsoina hoe "Grand Schisme". Nisy mantsy ny fifandonan'ireo papa telo tamin'izany: ny iray tao Roma, ny faharoa tany Avignon ary fahatelo tany Pise.

Rehefa maty ny ray aman-drenin'i Nicolette, fa izay no tena anarany mba ho fahatsiarovana an'i Nicolas ilay nantsoina hoe "thaumaturge", dia niditra tao amin'ny fikambanan'ny "béguines" tao Amiens i Nicolette. Tsy nijanona ela tao anefa izy fa nifindra tany amin'ny fikambanan'ny Bénédictines tao Corbie ary avy eo nilaozany indray io fikambanana io ka namonjy ny fikambanan'ny Clarisses tao Moncel tao Oise izy. Tsapa ho nalefaka loatra anefa ny fitsi-piainana tao ka lasa izy nitoka-monina tany amin'ny Notre-Dame de Corbie.

Telo taona no niainany tao, fa taorian'izay dia nantsoin'i François d'Assise sy Claire izy mba hanavao ny fiainam-pikambanana. Nilaozany àry ny fiainana mangina ka nanatona ny papa Benoît XIII tao Avignon izy mba hilaza izany iraka ampanaovina azy izany. Nigaga ny fiainam-panahin'ity tovovavy vao 25 taona monja ity ny papa ary nanome azy ny fanamiana sy nametraka azy ho lehiben'ny fikambanana Clarisses rehetra, na ireo havaozina na ireo vao hatsangana. Vitan'i Colette àry ny namerina tamin'ny laoniny indray ny fitsipiky ny fianam-pikambanana Clarisses ka toy ny fitsipika tamin'ny nanorenan'ny mpanorina azy mihitsy ny fitsipiky ny fikambanana tamin'izany. Anisan'izany ny tany France, ny tany Espagne, ny tany Flandre ary ny tany Savoie.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...