Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fan 6, 22-27)

Hiantso ny Anarako eo amin’ny zanak’i Israely izy ireo ary hitso-drano azy ireo Aho.

Tamin’izany andro izany,
dia niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:

“Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany hoe:
Hitso-drano ny zanak’i Israely ianareo,
dia hanao aminy hoe:

“Hitahy anao sy hiaro anao anie ny Tompo.
Hampamirapiratra ny tavany aminao
sy hamindra fo aminao anie ny Tompo.
Hanandratra ny tavany aminao
sy hanome fiadanana anao anie ny Tompo”.

Dia izany no hametrahany ny Anarako
amin’ny zanak’i Israely,
ary Izaho hitahy azy”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 66, 2-3. 5. 6 sy 8

Hanambina sy hitahy antsika anie Andriamanitra!

Andriamanitra anie hiantra sy hitso-drano;
hampamiratiny amintsika anie ny Tavany:
ka ny herinao ho fantatra eran-tany,
ho hitan’ny firenen-drehetra ny vonjinao!

Hifaly sy hihoby anie ny fokom-pirenena,
satria Ianao mitsara ny tany ara-drariny,
mitsara ny vahoaka amim-pahamarinana,
mitondra ny fokom-pirenena eto an-tany.

Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!
Andriamanitra anie hitahy antsika hatrany,
ny vazan-tany rehetra anie hatahotra Azy!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal 4, 4-7)

Nirahin’Andriamanitra ny Zanany nateraky ny vehivavy.

Ry kristianina havana,
rehefa feno ny andro,
dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany,
nateraky ny vehivavy,
sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna,
mba hanafaka izay teo ambanin’ny Lalàna,
sy handraisantsika ny fananganan-janaka.
Ary noho ny maha-zanaka anareo,
dia nirahin’Andriamanitra
ho ao anatin’ny fonareo
ny Fanahin’ny Zanany, ka miantso hoe:

“Abà, Ray!”

Koa tsy mpanompo intsony àry ianareo,
fa zanaka,
ary rehefa zanaka,
dia mpandova koa,
noho ny ataon’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 16-21)

Nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely izy ireo... Rehefa afaka ny havaloana, dia natao hoe Jesoa ny Anarany.

Tamin’izany andro izany,
dia nandeha haingana nankany Betilehema ny mpiandry ondry
ka nahita an’i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely
mandry amin’ny fihinanam-bilona;
ary rehefa nahita izy ireo,
dia nampiely ny teny nolazaina taminy
ny amin’izany Zaza izany.
Ary izay rehetra nandre
dia gaga avokoa
tamin’izay nolazain’ny mpiandry ondry taminy;
fa i Maria kosa
nitadidy izany zavatra rehetra izany,
ka nieritreritra azy tao am-pony.
Ary nody ny mpiandry ondry
nidera sy nankalaza an’Andriamanitra
noho ny zavatra reny sy hitany,
araka izay nolazaina taminy.
Ary rehefa afaka ny havaloan’andro
ka hoforàna ny Zaza
dia natao hoe Jesoa no Anarany
araka ilay nataon’ny Anjely
fony tsy mbola notorontoronina tao an-kibo Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...