Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 60, 1-6)

Miposaka eo aminao ny voninahitry ny Tompo.

Mitsangàna, ka mamirapirata, ry Jerosalema,
fa miposaka ny fahazavanao;
ary miposaka eo aminao ny fahazavan’ny Tompo.
Indro ny haizina fa manarona ny tany,
ary ny haizim-pito manarona ny firenena;
fa ny Tompo kosa no miposaka eo aminao;
ary ny voninahiny miseho eo aminao.
Mandroso eo amin’ny fahazavanao ny firenena
ary ho eo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka.
Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo,
izy rehetra mivory mankaty aminao;
ny zanakao lahy tamy avy lavitra;
ny zanakao vavy entina an-trotroana.
Hahita izany ianao amin’izay, ka ho miramirana;
hibitaka sy hiravoravo ny fonao,
fa hivantana aminao ny haren’ny ranomasina;
ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena.
Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany
mbamin-drameva avy any Madiàna sy Efah ianao;
ny any Sabà rehetra ho avy,
hitondra volamena sy emboka manitra
ary hitory fiderana ny Tompo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 71, 2. 7-8. 10-11. 12-13

Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenena rehetra.

Andriamanitra ô, omeo ny fahefanao ny mpanjaka,
omeo ny fahamarinanao ity taranak’andriana:
ka ny olonao hotsarainy ara-drariny,
ny malahelonao araka ny hitsiny.

Ny rariny hamony amin’ny androny,
ny fiadanana hiroborobo mandavantaona.
Ny fifehezany dia hatramin’ny Ranomasina
ka tonga amin’ny Ranomasina; manomboka amin’ilay Ony
ka mipàka amin’ny faran’ny tany.

Ny mpanjakan’i Tarsisa sy ireo nosy
ho tonga eo aminy handoa hetra;
ny mpanjakan’i Saba sy Sèba kosa
ho avy hitondra hasina aminy;
ny mpanjaka hiankohoka avokoa,
ny firenena rehetra hanompo azy.

Izy hanafaka ny ory mitoloko
sy ny madinika tsy manan-kanampy;
ny osa, ny mahantra hotsimbininy;
ny ain’ny malahelo hovonjeny.

Vakiteny faharoa

Taratasin'i Masindahy Paoly Apôstôly ho an'ny krisitianina tany Efezy (Efez 3, 2-3a. 5-6)

Tonga iray lova sy iray tena ary miombona amin’ny fampanantenana amin’ny Jody ny Jentily.

Ry kristianina havana,
aoka ho renareo ny fanambaràna ny fahasoavan’Andriamanitra
izay nomena ahy ho anareo,
izany hoe,
ny fanambaràna nampahafantatra ahy ny zava-miafina,
izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona
tamin’ny taranaka tany aloha,
toy ny nanambaràna azy ankehitriny
tamin’ny apôstôliny masina sy ny mpaminaniny
ao amin’ny Fanahy Masina, dia izao:
Ny Jentily dia tonga iray lova sy iray tena
ary mpiombona ny fampanantenana amin’ny Jody
ao amin’i Kristy Jesoa,
noho ny ninoany ny Evanjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 2, 1-12)

Tonga avy any Atsinanana izahay mba hitsaoka ny Mpanjaka.

Rehefa teraka tao Betilehema any Jodea i Jesoa
tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka,
dia indreo nisy Majy avy tany Atsinanana
tonga tany Jerosalema nanao hoe:

“Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka?
fa efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay,
ka nankaty mba hitsaoka Azy”.

Raha nahare izany i Herôda mpanjaka,
dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra,
ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra,
sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy,
ary nanontany azy hoe:

“Aiza no hahaterahan’i Kristy?”

Ary hoy ireo taminy:

“Ao Betilehema any Jodea,
fa izao no voasoratry ny mpaminany:

Ary ianao, ry Betilehema tanin’i Jodà,
tsy ianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà,
fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka
izay hifehy an’i Israely oloko”.

Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy,
ka nohadihadîny fatratra
ny andro nisehoan’ny kintana taminy.
Ary naniraka azy ho any Betilehema izy nanao hoe:

“Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza;
ary rehefa hitanareo,
dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy”.

Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa.
Ary indro ilay kintana hitany tany Atsinanana,
fa nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza.
Faly dia faly izy nony nahita ny kintana,
ary rehefa tafiditra tao an-trano izy,
dia nahita ny Zazakely sy i Maria Reniny,
ka niankohoka nitsaoka Azy;
ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny,
dia nanolotra fanatitra ho Azy izy,
dia volamena sy emboka manitra ary mira.
Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo
tsy hiverina any amin’i Herôda,
dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...