02 marsa — Raha lazaina ny tantaran'i Masindahy Charles le Bon dia zanak'i Knut, mpanjaka tao Danemark tamin'ny taonjato faha-11. Ny taona 1119 no notendrena ho comte tao Flandre i Charles rehefa tafaverina avy any amin'ny ady voalohany ho fanafahana ny Tany masina.

Nandritra ny fotoana nitantanany dia nampanjaka ny fiandriampahalemana sy ny rariny i Charles ary anisan'ny nampiavaka azy ny fitiavany ny mahantra ka izay no niantsoana azy hoe Charles le Bon. Tsara fo sy tia vavaka izy ka noho izy toetrany izay dia nisy tsy nankasitraka azy sy nialona ny fampanjakany ny rariny izany, hany ka ny 02 marsa 1127 dia novonoin'ny tompomenakely iray tao amin'ny fiangonana Sait-Donatien tao Bruges i Charles. Vetivety foana dia najain'ny mponina ho martiry sy olomasina izy ka ny Papa Léon XIII no nanandratra azy ho olontsambatra ny taona 1883. Izy no mpiaro ireo comtes ary mivavaka ho an'ireo mahantra sy farahidiny ihany koa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...