03 marsa — Mbola vao folo taona monja i Guénolé dia nentin'ny ray aman-dreniny tany amin'ny trano fitokana-monina tao amin'ny nosy Lavret any Côtes-d'Armor. Ireo ray aman-dreniny ireo dia i Masindahy Fragan sy i Masimbavy Gwen. Tamin'ny taonjato fahadimy no niaina i Guénolé.
Nisy pretra iray, Budoc, no nanabea azy tao amin'io trano fitokana-monina io, ary io pretra io dia efa nilaza sahady raha vao nahita fa ho olomasina ity zaza ity. Teo amin'ny faha-24 taonany i Guénolé raha nihomana ny ho any Irlande hitsidika ny fasan'i Masindahy Patrick sy hanaja azy, dia niseho taminy io olomasina io ary niangavy azy mba tsy ho any fa hanorina trano fitokana-monina vaovao any Bretagne. Nambaran'i Guénolé tamin'i Budoc lehiben'ny trano fitokana-monina izany fahitana izany. Neken'i Budoc izany ary niaraka tamin'ny mpitoka-monina 11 i Guénolé tao amin'io ankohonam-piainana tao amin'ny nosy kely Tibidy teo ampitan'ny vavaranon'i Faou.
Karakaina be ny tany tao ary matetika io nosy io no nianjadian'ny tafio-drivotra ka tsy naharitra ela no nitoen-dry zareo tao fa afaka telo taona monja, izany hoe ny taona 485 dia nifindra tany Landévennec tany akaikin'i Brest izy ireo ka nanorina trano fitokana-monina tao. Io trano io dia rava tamin'ny andron'ny revolisiona ary naverina navaozina indray taty aoriana. Amin'izao fotoana izao dia ireo Bénédictins de la Congrégation de Subiaco no monina ao amin'io toerana io.
Rehefa nonina tao Landévennec i Guénolé dia lasa mpanabe ireo tanora hiditra ao amin'ny fikambanana. Anisan'ireo mpitoka-monina marobe nofaniny i Masindahy Gwenaël. I Guénolé moa dia nodimandry ny taona 532.