10 febroary — Anabavin'i Masindahy Benoît avy any Nursie i Scholastique, toa hoe kambana mihitsy aza izy mianadahy ireo. Teraka ny taona 480 izy ary efa hatramin'ny fahazazany izy no nanoka-tena ho an'Andriamanitra. Taty aoriana dia niditra tao amin'ny trano ftiokana-monina ho an'ny vehivavy izy.

Vantany vao niorina anefa ny trano fitokana-monin'i Masindahy Benoît tao Mont-Cassin, dia nifindra teny akaikiny teny izy ka nanorina trano fitokana-monina tao Piumarola teo am-pototry ny tendrombohitra nisy ny trano fitokana-monina nisy an'i Benoît. Nifanaraka izy mianadahy fa hihaona indray mandeha isan-taona ka trano fitokana-monina iray eo antenantenan'ny lalana mampitohy ny trano misy azy mianadahy no trano atao fihaonana. Amin'izany fotoana izany dia miara-mivavaka, mifanakalo hevitra momba ny fiainam-panahy no ataony ao.

Indray andro rehefa tapitra ny fotoana nanaovan'izy ireo ity resadresaka ara-panahy ity dia nangataka i Scholastique mba hotohizina ny resaka. Nandà anefa i Benoît noho ny fanajany ny fitsipika ao amin'ny fikambanana. Nanohy nivavaka ihany i Scholastique, hany ka raha iny i Benoît handeha hivoaka hamonjy fodiana iny dia avy tampoka ny orana. Nahery dia nahery ny oram-baratra ka tsy afa-nandeha i Benoît. Noho izany dia niara-nivavaka izy mianadahy, tsy maintsy nitafa tamin'ny anabaviny i Benoît mandram-parain'ny andro. Io fotoana io no nihaonan'izy mianadahy farany satria telo andro taorian'izay dia nodimandry i Scholastique ka hitan'i Benoît ny fanahiny niditra tany an-danitra tamin'ny endriky ny voromailala.

Tsy nanorina fikambanana akory i Scholastique, nefa ireo masera bénédictines kosa dia mihevitra azy ho renin'ny fikambanana satria izy no mpitoka-monina vehivavy voalohany mpanara-dia an'i Masindahy Benoît. I Scholastique no antsoina hivavaka raha misy ankizy tratran'ireny aretina mifanintona ireny, ary antsoina ihany koa izy hiaro amin'ny rivo-doza sy ny varatra. Nefa raha sendra main-tany dia antsoina koa izy hitalaho mba hiavian'ny orana toy ny nataony mba hijanonan'ilay anadahiny tao aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...