• Lasa rivo-doza ary nahazo anarana ilay faritra andro ratsy tao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Manambana mivantana ny tapany avaratry ny nosy ity rivo-doza ity amin'ny zoma izao...
  • Nanaitra ny maro ny vaovao navoakan'ny anabavin'Itompokolahy Richard Ramanambitana, PDS an'Antananarivo teo aloha. Nopoizinina no nahafaty azy, hoy izy, omaly hariva tamin'ny tambajotra-tserasera...
  • 2 ora isan'andro sisa amin'izao no mandeha ny herinaratry ny JIRAMA ao tampon-tanànan'i Manakara. Efa 2 volana izao no miaina izao delestazy goavam-be izao ny mponina any an-toerana...
  • Miverina miatrika fitsaràna manomboka androany ny Praiministra Israelianina am-perin'asa, izay henjehina amin'ny resaka kolikoly sy fanaparam-pahefana, ingahy Benjamin Netanyahou...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...