01 marsa — I Eudoxie dia misy ihany koa ny miantso azy hoe Eudocie na Eudocia. Martiry maty tamin'ny taona 114 izy io. Niaina nandritra ny nanjakan'ny Amperora Trajan i Eudoxie. Samaritanina nibebaka, vehivavy mpanan-karena niaina tao Héliopolis tany Liban ary niaina tao anatin'ny rendrarendran'izao tontolo izao.

Indray andro nisy mpitoka-monina nitantara taminy ny Evanjely momba an'i Lazare mahantra. Tohina ary nitomany i Eudoxie. Nibebaka izy, nozarainy tamin'ny mahantra avokoa ny fananany ary nandeha nihidy tany amin'ny trano fitokana-monina tany an-tany efitra izy. Nisy olon-tiany taloha, tsy mpino, tonga mba hiverina aminy nefa maty tampoka tao io lehilahy io, nefa noho ny vavaka nataon'i Eudoxie tamin'i Kristy dia nitsangan-ko velona ilay lehilahy. Nampangaina tamin'ny Governora tamin'ny zavatra tsy nataony izy ka nohelohina ho faty.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...