♦ Hanomboka anio ny taom-pianarana vaovao eto Madagasikara. Hizara roa volana dimy izany, ka tsy hifarana raha tsy ny 30 jona 2027... ♦ Mandrahona hitokona ireo mpiasan'ny Aviation Civile de Madagascar, mpikamban'ny sendikà Fisemare, noho ilay raharaha fampiantsoana teny amin'ny Bianco. Nanao fanambaràna izy ireo ny sabotsy teo... ♦ Mbola nampiato ny famokarana ny QMM, taorian'ilay zava-nitranga ny 30 aogositra teo. Nanamafy ny fahavononany hanohy ny fifampidinihina amin'ireo voakasika amin'ity raharaha ity ny orinasa... ♦ Nanomboka omaly indray ny dinika fikatsaham-bahaolana momba ny ady any Ukraine...

Ny Tanjon'ny Katesizin'ny fiangonan katôlika dia manome fampianarana voarindra sy voafintina an'ireo singa manan-danja sy fototra momba ny fampianaram-pinoana katôlika izay mahakasika ny finoana sy ny môraly. Ny tanjona amin'ny Katesizy dia mahafantatra an'i Kristy, izay tsy fahafantarana ara-tsaina fotsiny fa fahafantarana ny misterin'Andriamanitra mihitsy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.

♦ Nahitana fiakarany 200 Ariary ny vidin'ny lasantsy. Voatazona kosa ny vidin'ny Gazoala sy ny solika fandrehitra... ♦ Mpiofana iray manana olana ara-pahitana (jamba) no nahazo ny mari-pahaizana "Licence" teo anivon'ny sekoly ambony ESDES... ♦ Maromaro ireo fifaninanana afrikana eo am taranja baolina kitra handraisan' i Madagasikara anjara amin'ity volana septambra ity. Hisantatra izany anio ny CFFA sy ny FC Rouge... ♦ Efa ho efa-bolana izao no tsy hita popoka rehefa nisy naka an-keriny tao an-tranony ny Minisitra maliana teo aloha Mountaga Tall...

Alahady 06 septambra 2026. Alahady faha-23 mandavantaona — A — Ny Kristianina tsy mifampijery arina an-tava : Aleloia. Aleloia. Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy. Aleloia. Irin'i Kristy isika ho lavorary toa ny Ray any an-danitra, anefa samy manana ny kilemany ny olombelona koa izay no hifanentanana mba tsy hifampisorona manoloana ny fahadisoana ary tokony hatao amim-pitiavana. Toetra tsy mety : ny tsy firaharahiana ny hafa, ny fitsarana be fahatany sy fanapariahana ny mety ho fadisoan'ilay namana. Ny fifampiresahana no tena tsara ary tohizana fitiavana...

Tsy inihan'ny zaza na olona iray ny handitsaka am-pandriana. Ny teny mahery atao amin'ny zaza, ankizy na olon-dehibe izay manditsaka am-pandriana dia herisetra, ny tsara indrindra dia ny mamantatra ny mety ho anton'ilay tranga. Ny zaza mbola minono dia in-droa ambiny folo no mivalan-drano (pipi), tokony hisolo taty matetika ny zaza. Manomboka amin'ny faharoa taonan'ny zaza no tokony efa zarina hivalan-drano amin'ny toerana tokony hanaovana azy ny zaza. Ny mety ho antony : tsy fahazarana, fahataran'ny baiko ao amin'ny atidoha, tsy misy fahatsapana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Tsy haingitraingitra ny fisian'ny lalàna momba ny heloka an'habaka saingy mila jerena akaiky koa ny tolo-dalàna hahafahana misitraka loharanom-baovao sy vaovao ho an'ny daholobe hoy i Fah Andriamanarivo, mpanao gazety... ♦ Nivoaka omaly ny didim-pitondrana nosoniavin'ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison izay manendry ireo mpikambana ao amin'ny kômity teknika hisahana ny fikaonan-doham-pirenena... ♦ Andro vitsy mialoha ny hiverenan'ny mpianatra an-tsekoly, misy indray ireo sendika eo anivon'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena manambana ny hanao fitokonana...

♦ Mbola mihenjan-droa ny tady eo amin'ny Sekoly tsy miankina sy ny Ministera mpiahy manoloana ny fikasana hanolo ny sokajy A, C, D ho sokajy S, L, O.S.E amin'izao taom-pianarana hanomboka tsy ho ela izao... ♦ Voafonja miisa 3 no nikasa hitsoaka tao amin'ny Fonjaben'Ambalatavoahangy, Toamasina. Maty voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny iray hafa ary mbola ifampitadiavana ny iray ambiny... ♦ Miroso amin'ny andrana hanodinana ny fako ho lasa zezika sy fitaovana hafa mbola azo ampiasaina ny Projet GESDA, tetik'asa fanatsaràna ny fitantanana ny fakon'Antananarivo...

♦ Kasaina ho foanana manomboka amin'ity taom-pianarana vaovao ity ny sokajy A, C, D amin'ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea, ka hosoloina manontolo ny sokajy S - L - O.S.E., tsy tokony hirotorotoana ny fampiharana izany hoy ny sekoly tsy miankina... ♦ Miroso amin'ny fanaovana andrana hanodinana ny fako ho lasa zezika sy fitaovana hafa mbola azo ampiasaina ny Projet GESDA, tetik'asa fanatsaràna ny fitantanana ny fakon'Antananarivo... ♦ Hotanterahina ao Morondava - Faritra Menabe ny 14 hatramin'ny 18 septambra ho avy izao ny fankalazana ny lohataona 2026 "Taom-baovao iraisan'ny Malagasy"...

Ny fidiran’ny mpianatra eto Madagasikara dia tsy resaka fitaovam-pianarana sy saram-pianarana ihany, fa mifandray amin’ny toe-karena sy ny fiainan’ny tokantrano manontolo. Noho izany, ilaina ny fandaminana, ny fifampiresahana ary ny fametrahana laharam-pahamehana, mba hisorohana olona mety hiseho amin’ny fianaran’ny ankizy. Andraikitra iombonan’ny ray aman-dreny, ny sekoly, ny mpampianatra ary ny fiarahamonina ny fanohanana ny mpianatra. Ary amin’ny alalan’ny firaisankina sy fifanohanana no ahafahana miatrika ireo fanamby mba hisian’ny fahambiazana lavorary...

♦Zoma ny andro ary manamarika izany ny fanomezan-danja ny fitafy Malagasy. Hitondra ny heviny momba izany Sy Ratolojanahary Mpanoratra, Mpanabe an-tserasera sady Mpanao gazety ... ♦ Manomana hetsika hahatsiarovana ny tolona nataon'ny tanora Malagasy tamin'ny taona 2025 izay tonga hatrany amin'ny firodanan'ny fitondrana teo aloha, ny governemanta ankehitriny... ♦ Nifantoka indrindra tamin'ny tontolon'ny haitao sy ny fivoaran'ny teknolojia ny fifaninanana Hackaton ITOVIA andiany voalohany... ♦ Manentana ireo Eveka any amin'ny tany Arabo ny Papa Léon-XIV mba ho mpamafy fiadanana...

♦ Voatendry ny anaran'ireo mpikambana ao anatin'ny kômity teknika misahana ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Vondrona pôlitika maromaro no efa nakàna hevitra momba ny fanomanana ny fifidianana teny Iavoloha. Tena fakàn-kevitra no natao fa tsy dinika pôlitika hoy ny Filohan'ny Antoko Ilo Mada, androany... ♦ Nankatoavin'ireo parlemanta amerikana roa tonta ny hanitaran ny AGOA amin'ny taona 2028. Antoka fahamarinan-toerana ho an'ireo mpanondrana sy mpampiasa vola eto Madagasikara izany hoy ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifàna... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny olona matin'ny EBOLA any RD Congo...

♦ Mila hamafisina ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara hoy Profesora Mahazoasy Freddy. Apetraka ny sazy toa ny fametraham-pialàna ho an'ireo kandidà tsy mahatanteraka ny fandaharan'asany hoy ity mpanao politika ity... ♦ Mijoro amin'ny fomba ôfisialy eto Madagasikara ny Fikambanana FANJIRY. Tao Andemaka, Distrikan'i Vohipeno no nanaovana ny lanonana momba izany omaly... ♦ Nisafidy ny tarika Reko, ho masoivohony vaovao mandritry ny roa taona ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagascar. Tarika manana ny lazany ankafizin'ny maro, indrindra fa ny tanora, nitsangana tamin'ny taona 2017...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...