♦ Namono marary iray indray ny valan'aretina MPox ny talata lasa teo. Lehilahy lehibe tany amin'ny Faritra Sofia io namoy ny ainy io... ♦ Hangataka fihaonana amin'ny FFKM ny kômity mpanomana ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny tanora mialohan'ny daty handravonana farany ny fehin-kevitra tany amin'ny Faritra... ♦ Olona 40 isa isam-bolana no tratra manao asa tsy ara-dalàna etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Miara-miasa amin'ny Zandarimariam-pirenena ny tompon'andraikitra amin'ny fampiharan-dalàna ho an'izay tratra amin'izany...
Ny hoe "66 taona" dia tokony azo adika ho tena fahaleovan-tena, na eo ary ireo tsindry avy amin'ireo vondrona sy firenena samihafa. Ny teny, ny tantara ary ny tany dia singa fototra hampisongadinana ny tena fahaleovantena ary teboka hiaingana amin'ny fanavaozana marina. Ny teny malagasy dia teny velona sy mivoatra, isan'ireo teny mita sisin-tany ka manana ny lanjany any amin'ny firenena sy ny toeran-kafa toa an'i Comores sy Paris. Mila mifanentana isika Malagasy hanatsara ny toe-tsaina, hifanome hasina, hifankatia, misy hatrany ny fanantenana rehefa miray hina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nangataka an'i Mgr Andrianandraina Jeannot Martial tamin'ny Diôsezin'Antsirabe omaly ny Diôsezin'i Morondava. Izy izay notendren'ny Pape Léon-XIV ho Eveka mpanampy any Morondava... ♦ Nanome baiko ny mpitandro filaminana sy miantso firaisankina amin'ny vahoaka Malagasy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika manoloana ny fangalarana ankizy niseho tato ho ato izay. Namangy ny fianakavian'ireo very ka namoy aina ny Kôlônely Randrianirina Michaël omaly... ♦ Mamaramparana ny dingana natao tany amin'ny Faritra 24 eto amin'ny nosy ny kômity mpanomana ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tanora...
Voaantsoa ho amin'ny fifankatiavana isika olombelona. Ny hafatry ny Evanjely no manentana sady mamporisika antsika hifankatia? Izay no toetra hahafantaran'ny olona fa mpianatra sy mpanaradia an'i Kristy marina isika. Tsy ho afaka amin'ny antson'i Kristy io isika, satria io no lalan-tokana mitondra antsika makany amin'ny fifandraisana araka an'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
♦ Nadikan'ny Filohan'ny Fanavaozana ho asa fampihorohoroana noho ny fitiavan-tena ara-politika ny fahaverezan'olona sy von'olona tato ho ato ka nanomezany baiko ny mpitandro filaminana... ♦ Nosantarina androany ny telo andro handravonana ny fehin-kevitry ny fikaonandohan'ireo tanora tany amin'ny Faritra samihafa, mialohan'ny fandravonana farany atao amin'ity volana jolay ity... ♦ Nifarana androany tolakandro ny fanadinana BEPC, ho an'ireo mpiadina Option B... ♦ Nigadona androany tao amin'ny toerana misy ny "mausolée" an'i Imam Ali, vinanton'ny mpaminany Mahomet ny fiara mitondra ny nofomangatsiakan'i Ayatollah Ali Khamenei...
♦ Niompana tamin'ny fandraisana fepetra momba ny raharaha mafana eto amin'ny firenena, ny resaka hala-jaza sy ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoanan'ny antenimieram-pirenena ny tatitry ny filan-kevitry ny ministra omaly... ♦ Volam-panjakàna madiodio 34 lavitrisa ariary no hiatrehana ny lisi-pifidianana vaovao hoy ny filohan'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana... ♦ Hanomboka ny 29 jolay 2026 izao ny asa fanamboarana ny tetezana lehibe "Fly Over" eo Anosizato araka ny fampahafantarana nataon'ny teo anivon'ny Ministeran'ny Asa Vaventy nandritry ny dinik'asa natao omaly...
Ny atao hoe fivoarana dia ny fandrosoana any amin'ny tsara kokoa. Misy ny fiovana misy eo amin'ny olombelona manomboka eo amin'ny fahaterahana hatramin'ny vanim-potoana fialan-tsakàna : izay miainga amin'ny fiankinandoha amin'ny ray aman-dreny, mivelatra amin'ny ankohonana, tonga amin'ny fakantahaka sy fandraisana rafitra, ary fanabeazana eo amin'ny fiaraha-monina. Manomboka amin'ny fotoana hahaizan'ny zaza miteny no efa maneho ny zavatra tiany sy ny tsia ny zaza ary misy fotoana mihamafy izany amin'ny fotoana fialan-tsakàna, izay voajanahary tanteraka... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ .Tsy handefitra ary vonona hiatrika ny ady amin'ny fanakorontanana atao amin'ny fitondrana fanavaozana ny Praiministra Mamitiana Rajaonarison araka ny nambarany omaly teny amin'ny Lapam-panjakàna Mahazoarivo.. ♦ Mpitandron'ny filaminana maherin'ny 600 isa no hahetsika eto Antananarivo, hiverina ihany koa ny fisavana ireo fiara manana fitaratra mainty (vitre fumée) hoy ny avy eo anivon'ny EmmoNat... ♦ Feno ireo mpikambana mandrafitra ny birao maharitry ny CENI. Nandray ny asany nanomboka omaly ny solontenan'ny Filohan'ny Fanavaozana, Ramatoa Anne Raymonde...
Ny Evanjely na ny Tenin'Andriamanitra izay nohenoina na zaraina tamin'ny alalan'ny toriteny dia tokony ho hita amin'ny fiainana andavanandro ny fampiharana azy. Tsy ampy fotsiny ary noho izany ny mihaino fa ilaina koa ny mampihatra azy eo amin'ny fiainana andavanandro. Ny asa eto an-tany dia toerana hanompoana an'Andriamanitra sy ny namana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
♦ Nahavita ny fianianany androany, Ramatoa Anne Raymonde, Mpikambana vaovao mandrafitra ny Birao Maharitra eo anivon'ny CENI. Izy izay solontenan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ao amin'ity vaomiera ity... ♦ Nihaona tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha, ny solontenan'ny FMI, eto Madagasikara Kodjovi Eklou. Niompana tamin'ny fiaraha-miasa ny dinika... ♦ Naneho hevitra andraony ny Sendiakan'ny Miray Feo. Manimba ny sain'ny mpiasa no sady lasa sakana ny fivoizana vaovao tsy marina momba ny karama farany ambany 360.000Ariary...
♦ Nafana ny ady hevitra momba ny fifidianana, androany, nandritra ny sehatra ifampidinihina maharitra nokarakarain'ny CENI teny Alarobia... ♦ Misitraka ny zony ireo mpiadina BEPC manana fahasembanana ara-pihainoana ao amin'ny AKAMA. Miisa 12 izy ireo no miatrika ny fanadinana... ♦ Hampiato vonjimaika ny asany ireo paka sary an'habakabaka matihanina, ireo mpisehatra mpaka sary sy horonan-tsary amin'ny Drones... ♦ Nanambara nny faharavan'ireo fahefana mpanapaka misy azy ao amin'ny faritra GAZA, androany, ny vondrona Islamista Palestiniana Hamas, izay nitantana io faritra io tao anatin'ny 20 taona...
♦ Heverin'ny H.V.M ho fihatsiana sy fandrahonana ny raharaham-pirenena tato ho ato, indrindra ilay nitranga teny Ivandry ny zoma alina teo. Namoaka fanambaràna momba izany ny antoko H.V.M... ♦ Nisy akony sahady amin'ny naoty azon'i Madagasikara momba ny kalitaon'ny tolotra omena ny mpandeha ny fanavaozana sy fanitarana ny tranon-tseranana nasiônalin'ny Seranam-piaramanidina ety Ivato... ♦ Nampiatoana tamin'ny asany ireo mpiasan'ny Zaridainan'Andohalo nitaky vola tamin'ireo mpiadina BEPC sy ray aman-dreny, misakafo eny an-toerana... ♦ Lasibatry ny tafio-drivotra mahery sy ora-mikija ny faritra atsimon'i Chine...
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco