Tsy mbola miverina amin’ny teo aloha ny vidin’ny vary akotry akan’ny mpanagom-bokatra azy eny anivon’ny tantsaha ka anaovan’izy ireo antso amin’ny fanjakàna ny hijerena vahaolana amin’ny fahasairan’izy ireo. Tsy mbola niakatra araka ny niheverena aza mantsy ny vidim-bary na teo aza ny fampiharana fepetra isan-karazany. Isan’izany ny fividianan’ny orinasam-panjakana SPM ny tahirim-bary tany amin’ny tantsaha saingy tsy afa-po amin’ny vidim-bary ireo tantsaha mpamokatra...

Matetika eo amin'ny fiaraha-monina dia iniana tsy hita ireo fahasamihafana ara-tsaina eo amin'ny olona. Raha mbola kely ny zaza ka tsikaritra ireny fahasamihafana ireny dia azo atao tsara ny manampy azy ka hahatonga azy ho afaka hiara-miaina amin'ny olon-drehetra. Matetika ireny zaza hafakely ireny no lasa henatra ho an'ny fianakaviana na ahiliky ny fiaraha-monina. Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.

♦ Niakatra ho 300.000Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara. Mbola hisy fiakarana izany amin'ny volana oktobra, araka ny fampahafantarana avy amin'ny Ministeran'ny asa, androany... ♦ Tsy eken'ny Randrana Sendikaly ny fiakaran'ny karama farany ambany, izay ambaran'izy ireo fa soso-kevitry ny mpampiasa. Nanao diabe nihazo an'i Mahazoarivo izy ireo, androany... ♦ Tratran'ny Filohan'ny Fanavaozana ireo fiarabe mpanototra tany amin'ny alina eny amin'ny By-Pass. Tsy afa-bela ny tompon'ireo fiarabe 13 mpitaona tany ireo, noraisina ny fepetra...

♦ Mbola mila hamafisina ny fiaraha-miasan'ny Fanjakàna sy ny Firaisamonim-pirenena hiarovana ny zon'ny ankizy eto Madagasikara. Isan'ny ezaka efa vita amin'ny fiarovana ny ankizy ny fisian'ny lalàna vaovao, izay efa lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Miantso ny Malagasy hanamafy ny sakana ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny MPox ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Napetraka ny haba 20% ho an'ny fanafarana vary ho famporisihana ny mpandraharaha hanangona ny voka-bary eto an-toerana sy handrisihana ny famokarana anatiny hoy Andriamatoa Ranarivelo Lucien, député an'i Tsiroanomandidy...

26 jona 1960 - 26 jona 2026 : 66 taona namerenana ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara ; na misy aza ny tsindry avy any ivelany, hita taratra ny fijoroana sy ny fahasaratom-piaron'ny Malagasy mikasika ny fiandrianam-pireneny. Songadina tsara sy mamelona indray ny fanantenana ny fiaraha-mientana sy ny firaisankina tamin'ny fankalazana ny fetim-pirenena ; ny fitafiana no hita ety ivelany fa na eo aza izany, ny fo miray dia efa vinaky tamin'ny endrika mirana sy fomba fitafy isam-paritra, Malagasy tokoa, tia ny fireneny, tia ny kolontsainy... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nanangana tetik'asa hanamafisana ny fiaraha-mientana rehetra hanatsikafonana sy iadiana amin'ny fomba fanao mampahantra ny firenena ny CCOC sy ny firaisamonim-pirenena miisa 11 miara-dia aminy... ♦ Tsy mifandanja ny vola miditra sy ny mivoaka amin'ny tantsaha mpamokatra noho ny fihenan'ny vidin'ny vary akotry andraisan'ny mpanangom-bokatra azy. Miantso ny hampidinana ny vidin'ny PPN ny mpamokatra hamahana ny fahasahiranan'izy ireo... ♦ Omena lanja misimisy kokoa ny teny Malagasy manomboka izao. Nolanian'ny solombavambahoaka omaly ny tolo-dalàna momba ny fampiasana ny Teny Malagasy...

♦ Nampiato ny dinika iarahany amin'ny Fanjakàna sy ny fandraisan'anjara amin'ny rafitra fitantanana misy eto amin'ny firenena ny Vondron'ireo orinasa eto Madagasikara (GEM)... ♦ Anatin'ny dingan'ny ara-pitantanana sy ara-taratasy mialohan'ny fanombohana amin'ny fomba ôfisialy ny tetik'asa Fly-Over eny Anosizato ny eo anivon'ny Ministeran'ny asa Vaventy... ♦ Hodinihina eny amin'ny Antenimieram-pirenena amin'izao fotoana izao ny lalàna mahakasika ny fampiasana ny teny Malagasy... ♦ Notendren'i Papa Léon-XIV, omaly, ho Préfet- Dicastère misahana ny fampivoarana ny mahaolona manontolo ny Masera Alessandra Smerilli...

♦ Tsy misy olana eto Madagasikara, afaka miverina an-tanindrazana ireo nanao sesintany pôlitika ny tenany ary ho an'ny Malagasy irery ny fikaonandoham-pirenena hoy ny Kôlônely Randrianirina Michaël raha namaly ny fehin-kevitry ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny vondrona SADC... ♦ Hitohy hatramin'ny rahampitso alakamisy 2 jolay ny tombana mahakasika ny fampiharan'i Madagasikara ny fifanarahan'ny firenena mikambana iadiana amin'ny kolikoly... ♦ Hamoaka soso-kevitra afahana mihomana sy miatrika ny vanim-potoanan'ny rivodoza 2026-2027, miainga amin'ny lesona azo tamin'ny fandalovan'i Fitia sy Gezani farany teo ny BNGRC...

♦ Namaly ny SADC tamin'ny fehin-kevitra navoakany ny Praiministra Mamitiana Rajaonarison, androany maraina. Nambarany fa tsy misy gadra pôlitika eto Madagasikara ankehitriny... ♦ Manamafy ny fitakiany hanalàna ny tale jeneraly mpisolo toerana mitantana ny CNaPs ny vondron'ny Sendikà eo anivon'ny tahirim-pirenena. Nanao fanambaràna indray izy ireo, androany maraina... ♦ Sambo iray no rendrika tany amin'ny fari-dranomasin'i Vatomandry, omaly hariva. Olona 18 no tao anatiny, niaraka tamina entina maherin'ny 250 taonina... ♦ Mbola nihovitrovitra indray ny tany tany Venezuela, androany 30 jona 2026...

Ny Marofotsy dia anaran-toerana ary nonenan'ireo foko "Marofotsy". Foko iray ankoatra ireo foko maro efa hain'ny maro. Taloha dia Ambaniandrefana no anaran'ny toerana voalaza etsy aloha ; ireo olona na foko "Marofotsy" kosa dia "Maromainty" no niantsona aza fa rehefa nifanitsaka tamin'ny anaran'ireo omby maro tao Ambaniandrefana dia novàna ho "Marofotsy" mba hiavahan'ny olona sy ny biby. Olona avy amin'ny faritra samihafa nandositra fanandevozana sy famorentana ara-dalàna. I Marofotsy dia eo afovoan'ny Faritr'i Boina, Faritr'Imerina, Faritra Sihanaka ary Faritra Tsimihety...

♦ Nankasitrahan'ny Fivondronamben'ny Eveka ny asa vitan'ny Nonce Apostolique Mgr Thomaz Grysa teto Madagasikara. Nisy ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra, teny Ambatoroka omaly... ♦ Mangataka ny hamoahana ireo gadra pôlitika sy ny fiverenan'ireo sesitany pôlitika eto Madagasikara ny SADC, nandritry ny fihaonana an-tampony tsy ara-potoana, omaly... ♦ Tsy misy ny fivoahan'ny "laza adina" mialoha ny fotoana any amin'ny tambajotran-tserasera. Efa nohamafisina ireo fiarovana ny laza adina BEPC, hoy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Ekipa miisa 3 no tafakatra amin'ny dingan'ny 1/8e amin'ny Mondial 2026...

♦ Niravona ny disadisa teo amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrika Ambovombe-Androy. Nifamitram-pihavanana izy mirahalahy hoy ny Filohan'ny Mpanohitra Milavonjy Philobert... ♦ Hitety Faritra hanazava ny foto-kevitra ijoroany ny fikambanana ZaGasy. Fikambanana mitaky ny hametrahana ny Faritra mizaka tena... ♦ Mihamafy ny fahasahiranan'ny mponina ao Antsiranana noho ny fahatapahan-jireo mandritry ny fotoana maharitra. Nijery ny zava-nisy, tany an-toerana ny Ministry ny Angovo sy ny Ankoran'Afo... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...