• Miatrika ny lalao ihaonana amin'i Tchad, anatin'ny fifanintsanana Mondial 2026, ny Barea, nanomboka tamin'ny 7 ora hariva teo... • Nampiomana ny mpanjifa ny orinasa JIRAMA, fa ho mafy ny delestazy amin'izao main-tany izao. Taraiky loatra ny vahaolan'ny fanjakana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH, manoloana izany... • Nanomboka androany ny taom-pianarana 2025-2026 manerana ny nosy. Tsy misy fiovana firy tamin'ny teo aloha ireo tetiandro samihafa efa voafaritra, ka tsy hifarana raha tsy amin'ny volana jona amin'ny taona ho avy...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
♦ Tsy mbola ato ho ato aloha no hivaha ny olana eo amin'ny orinasa JIRAMA. Nanamafy ity orinasa ity fa mila mivonona ny mpanjifa satria ho sarotsarotra ny hiatrehana ny vanim-potoanan'ny main-tany... ♦ Tsy manan-tsafidy hafa-tsy ny handresy an'i Tchad ny Barean'i Madagasikara anio, hoy ny mpamakafaka baolina kitra Fenosoa Razafimamonjy... ♦ Andrasana izay ho fanapahan-kevitry ny governemanta manoloana ny datin'ny 11 desambra izay efa tsy nametrahan'ny HCC olana amin'ny hanatanterahana ny fifidianana Loholona... ♦ Ahiana tsy hisy intsony atsy ho atsy ireo mpanao gazety afaka hitatitra ny vaovao manoloana ny zava-misy any Gaza hoy ny RSF...
♦ Miverina an-tsekoly manomboka anio ireo mpianatra hiatrika ny taom-pianarana 2025-2026... ♦ Vonona hanome tanana ny fitondram-panjakàna amin'ny fitsaboana any ivelany ho an'ny ampahany amin'ireo tanora lasibatry ny aretina teny amin'ny sampanana Imerinkasinina-Ambohimalaza ny vovonana firaisankina... ♦ Tranga iray nanamarika ny omaly alahady ny fifandrifin'ny masoandro, volana ary ny tany. Afaka nahita izany isika teto Madagasikara... ♦ Notanterahin'ny Papa Léon-XIV, omaly, ny fanandratana ho amin'ny laharan'ny Olomasina an'i Carlo Acutis sy Pier Giorgio Frassati...
Andriamanitra manambara ny tenany : manafaka ny olombelona araka ny tantara fanandevozana ny olombelona, Izy Andriamanitra no mpanafaka. Miara-miasa amin'Andriamanitra ny olombelona, mitaky ezaka, Izy Andriamanitra manala antsika olombelon ao amin'ny haizina mikitroka mankany amin'ny fahazavana. Ny Eksaody dia fiampitana, misedra zavatra maro isika fa Andriamanitra ilay tena tia no manafaka antsika hatrany... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Miitatra adiny-4 farafahakeliny ny delestazy eto Antananarivo ankehitriny. Miantraika amin'ny mpiasan'ny orinasa izany hoy ny Randrana Sendikaly ka maro ireo alefan'ny mpampiasa anaty fiatoana ara-teknika... ♦ Feno roa volana sy 20 andro androany no tsy hita popoka ilay Sambo AW, niainga tao Mahajanga ho any Comores. Mbola mitohy ny fikarohana hoy ny tae jeneralin'ny APMF raha nanontanian'ny mpanao gazety omaly... ♦ Isa 9 sisa tadiavin'ny Barea dia mety handray anjara amin'ny Mondial 2026. Lalao manaraka mila hakàna fandresena ny fihaonana amin'ny Tchad ny alatsinainy hariva izao...
Alahady faha-23 mandavantaona — D : Izay tia mahafoy ; Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro. Zara raha mahavinavina ny eto an-tany ny olombelona ; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay; tsisy hahatakatra izay any an-danitra, tsisy nahalala ny sitra-pon'Andriamanitra, raha tsy nomenao ny Fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony...
♦ Hampiakaarina 70 hatramin'ny 80% ny vahoaka hisitraka ny angovo eto Madagasikara. Tsy maintsy hirosoana ny fanatsaràna ny orinasa JIRAMA amin'ny lafiny teknika sy ny ady amin'ny fatiantoka ara-barotra, hoy ny Ministry ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Tokony tsirihina avokoa ireo sakafo vita avy any ivelany miditra eto Madagasikara hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Nambaran'ity fikambanana ity fa tsy tongatonga ho azy ireo fanapoizinana nitranga tato ho ato izay... ♦ Hiantso ny CAF hijery ny kianja Barea Mahamasina ny Fanjakàna afaka iray volana. Azo antoka ny hahazoana ny "homologartion" hoy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny tanàna vaovao...
Ny votoatin'ny fanambaran'Andriamanitra : Andriamanitra manambara ny tenany, namonjy antsika olombelona mandrakariva, Andriamanitra mpahary. Tandindon'i Jesoa Kristy lahitokan'Andriamanitra i Isaaka, ilay nanao ny tena ho sorona, nitondra ny kitay hanaovana sorona azy toa an'i Kristy nitondra ny hazo fijaliana. Isaaka no niteraka an'i Jakôba izay nitombo sy nisandrahaka tamin'ny foko 12... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ireo 12 lahy zanak'i Jakôba no razamben'ny finoana, I Joseph no niavian'ny zanak'i Israely, ilay zazalahy namidin'ny zokiny. Ny tany nampanantenaina an'i Abrahama (Palestina ankehitriny) dia ilay tany nampanantenaina ny vahoaka sesitany tao Ejipta. Taranak'i Jakôbe ny zanak'israely, dia atao hoe vahoaka Hebrio izany hoe ireo vahoaka izay mandeha mamakivaky tany efitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ny hampiakatra hatramin'ny 80 % ny vahoaka hisitraka ny angovo amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Angovo sy Akoran'afo... • Natomboka androany tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa fampanarahana ny fenitra ireo seranan-tsambo sy ny fadintseranana eto Madagasikara... • Hahazo fankatoavana avy amin'ny CAF afaka iray volana ny Kianja Barea Mahamasina, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana...
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco