♦ Tsy tokony hisy Malagasy hiaina ao anatin'ny tahotra sy tebiteby tahaka izao hoy Rakoto Andriniriana Fetison... ♦ Manao antso avo amin'ny tokony hisamborana ireo milaza ho mpanolontsaina ara-teknika eo anivon'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika ka mikasa hanatanteraka "perquisitions" ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Randrianirina Michaël... ♦ Manomboka mivoaka ny valim-panadinana BEPC, 2 andro taorian'ny fahavitan'izany fanadinam-panjakàna izany... ♦ Raikitra ny fitokonana faobe mandritra ny 24 ora notarihan'ireo sendika any Sénégal...

Alahady 12 jolay 2026. Alahady faha-15 mandavantaona — A — Nokendren’Andriamanitra hisy vokany eo amin'ny fiainantsika, ny Teniny. Aleloia. Aleloia. Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay. Aleloia. Tsy very maina ny tenin'Andriamanitra, efa nokendren'Andriamanitra hisy vokany amintsika ny Teniny, mety tsy ho hitantsika avy hatrany ny vokany sy ny fivoarana haterany, anefa miasa mangina Izy, efa mamelona sy manavao ny olona sy ny tantaran'olombelona Izy. Ny Tenin'Andriamanitra dia teny velona sy mahery, porofo ny nahariana an'izao rehetra izao...

Ny endometriose dia aretina eo amin'ny vehivavy izay miavaka amin'ny fisian'ny sela mitovy amin'ny rindrin'ny tranonjaza (endometrium) ivelan'ny tranonjaza. Ireo sombin-javatra ireo dia mamaly ny hormonina mandritra ny tsingerin'ny fadimbolana, ka miteraka fery, kista ary fanaintainana. Antony : Nolovaina avy amin'ny ray aman-dreny, fiforonana sy fahariana tsy nety tao anatin'ilay vehivavy hatramin'ny fahaterahany, tsy fahampian'ny hery fiarovana, fikorontanan'ny tsirim-panentana, olan'ny firafitry ny tranon-jaza... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Nifantoka tamin'ny fahaleovantenan'ny Fitsarana ny fikaonan-dohan'ny mpiasan'ny Fitsarana, notanterahina tety Ivato tamin'ity herinandro ity... ♦ Maherin'ny 1 tapitrisa ireo olona nisitraka ny fiarovana ny aro-loza ary 300.000 ireo voaaro tamin'ny tondra-drano tao Antananarivo renivohitra sy ny manodidina tao anatin'ny 7 taona nisian'ny tetik'asa Produir... ♦ Krizy lalin'ny tsy fandriampahalemana no mitarika ny trangana hala-jaza ankehitriny hoy Lanto Ratsida, mpandinika fiaraha-monina... ♦ Mitombo hatrany ny olana amin'ny fahatapahn-jiro any Cuba ary mahazo vahana manaraka izany koa ny hatezeram-bahoaka amin'ny mpitondra... 

Manoloana ny tranga misy ankehitriny dia miroaroa saina ny vahoaka ka ilaina ny vavaka ho fanalana ozona eto amin'ny firenena ; voahitsaka ny zo aman-kasin'ny olona sy ny fokonolona. Tokony hazava tsara ny fivezivezen'ny olona amin'ny alalan'ny fampiharana ny jado (couvre feu), indrindra manoloana izao fanakorontanana ny firenena amin'ny hala-jaza sy ny fakana ankeriny. Anjelin'Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanankinan'Andriamanitra mpamindrafo ny aiko, hazavao aho anio, hambeno ary tahio, ary zakao, Amen! ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Samy miombona eo amin'Andriamanitra Ray Zanaka sy Fanahy Masina ihany ny olona nefa indraindray ary ao vao tena misy fizarana. Toa re manako foana ilay vavak'i Jesoa hoe : mba ho iray anie izy rehetra. Mila antsoina mandrakariva ny Fanahy Masina mba ho fiombonana tena izy no hitranga. Ny Konsily dia antso afahan'ny rehetra hifanakalo hevitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

Tena tsy azo atao tsirambina ny fisian'ny Fanahy Masina ; ary hanaraka azy an-kafanam-po. Noho izany dia tsy ho vitan'ny sain'olombelona no hoe handeha hifandray, handeha hiresaka, handeha hifanakako hevitra raha tsy eo ny Fanahy Masina. Toa an'ireo Apôstôly sy mpianatra maro tamin'ny andro nidinan'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

♦ Nandao an'i Madagasikara ny hariva teo Mgr Tomasz Grysa, Nonce Apostolique, notendren'ny Papa François niasa teto Madagasikara nandritry ny 3 taona sy 8 volana... ♦ Olan'ireo mpandraharaha sy ireo tanora manana tetik'asa fandraharahana matetika ny resaka famatsiam-bola hanombohana na hanitrarana sehatr'asa. Ny hanampiana azy ireny amin'izany no antom-pisian'ilay tsenaben'ny vola sy ny fampiasam-bola andiany faharoa tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Mitaky ny hisian'ny dinika sy fifampiresahana eo amin'ny samy Malagasy hametrahana ny fifanarahana politika, mba hisian'ny vahaolana maharitra ho an'ny firenena ny G5... 

• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...

Natomboka ofisialy tamin’ny alalan’ny atrikasa teny Anosy ny alakamisy 02 Jolay 2026 ny andiany fahatelo amin’ny fanangoanna ireo tsara ho fantatra mahakasika ny tontolon’ny fambolena na ny RGA3. Miantoka ny 30%n’ny hari-karena faobe ny tontolony ambanivohitra sy ny fambolena eto Madagasikara. Maherin’ny 75%n’ny Malagasy no misahatra sy manao asa fivelomana ny fambolena. Ny taona 2004 no nisy fanisana farany mahakasika ny tontolo ambanivohitra sy ny fambolena teto amitsika raha toaka isaky ny folo taona no tokony hanaovana izany...

Ny foto-teny ao amin'ny teny "Andraikitra" dia "raikitra" ary ao amin'ny "fitiavana" dia "tia" izany hoe "raikitra ny tia" midika fa raikitra amin'ny tena ny tia. Ankehitriny amin'ny fitenin-jatovo dia tsy dia fiteny loatra ny hoe "olon-tiako, vadiko" fa heno matetika ny hoe "Ankiziko", izany hoe mitaky  andraikitra. Isika rehetra izay niroso tamin'ny fanambadiana dia efa nandray ho andraikitra ny fitiavantsika ny vadintsika... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.

Tian'ny Konsily hambara fa Andriamanitra no fototra iombonantsika fa hoy izy hoe toa ny hazo ka mizarazara ny rantsany : Satria Andriamanitra RAY no fototra sy fiafaran'ny olombelona rehetra, noho izany dia antsoina ho mpirahalahy sy mpianadahy daholo ny olombelona rehetra. Rehefa tsy miray saina dia tonga ho azy ny fizarana sy fisarahana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...