♦ Nitohy androany teny Tsimbazaza ny fanadihadiana sy fihainoana ny tompon'andraikitra tao amin'ny JIRAMA nataon'ny solombavambahoaka. Nambara nandritra izany fa isan'ny nahapotika ny JIRAMa ny fahadisoan'ny mpitondra nifandimby... ♦ Hanomboka ny 3 aogositra izao ny Fy Dnon Bosco ao Moramanga. Efa an-jatony ireo nisoratra anarana hatramin'ny androany hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Tsara ny voka-bary tao amin'ny Faritr'i Bongolava tamin'iny taom-pambolena lasa iny. Manantena ny hihatsaràn'ny vidim-bokatra ny tsantsaha ao Bongolava hoy Andriamatoa Ranarivelo Lucien, solombavambahaoaka ao Tsiroanomandidy...

♦ Ny tsara ho fantatra mikasika ireo dingana hahafahana mampiditra ny anaran'ireo olom-pirenena ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Mampanahy ny mety hiverenan'ny toe-draharaha tamin'ny taona 2009 ka hamahana ny krizy any ivelany, raha tsy mahay mifampihaino ny samy Malagasy hoy ny antoko Kintana... ♦ Efa anatin'ny fandaharan'asa ny fitsinjovana ireo olona noravaina trano hoy ny SPAT ; hisitraka tany maimaimpoana 250m2 ireo rava trano tao Toamasina... ♦ Sambany tsy naharenesana zera baomban'ny amerikanina tany Iran, alina...

---/... Dila tokoa iny ny andro iray izay niaraha-niombona sy nanehoana ny hoe fisaonam-pirenena. Tsy afa-nidify tamin'izany koa fa niombom-po tamin'ireo Malagasy ny AROFANINA. Marary mantsy izany hoe zanaka, havana, mpiray tanindrazana nivoaka ny trano dia tsy hita... saingy afaka andro vitsy...efa vatana mangatsiaka. Dia hanao ahoana  ny ho tohiny, hoy ny Arofanina, nandingan-davitra, satria efa miverina sy manohy ny andavanandrom-piainany indray ny rehetra? Tena ilaina aloha ny fahamailoana miainga amin'ny tsirairay satria ady iraisan'ny vahoaka tsy an-kanavaka ity raharaha mitranga ity...

♦ Tontosa omaly alahady ny fanamasinana an'ny Mgr Jeannot Martial Andrianandrainy ho  Eveka mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Hisongadina amin'ity herinandro vaovao diavintsika ity ny fanombohan'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana... ♦ Tsara fanombohana ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay zazalahy latsaky ny 18 taona tamin'ny lalao voalohany amin'ny fifanintsanana afrobasket. Resiny 115 no ho 31 i Namidie... ♦ Tsy nanadino ireo tanora portugais nankalaza ny androm-pirenena ho an'ny Tanora ny Papa Léon XIV. Fihaonana izay nanohizana ny hafatra sy ny hafanam-po navelan'ny JMJ 2023...

♦ Tsy azo ekena ny hifampidinika amin'ireo olona tsy maty manota, efa nanodikodina ny harem-pirenena hoy ny mpandrindra nasiônalin'ny KMT... ♦ Nanome fe-potoana 5 andro ho an'ireo tompona fiara, sy kodiaran-droa hanala ireny jiro tsy manara-dalàna hampiasainy amin'ny fiarany ireny, ny avy eo anivon'ny DGSR foibe fanaraha-maso ny fiarakodia... ♦ Olona iray no maty, trano 40 kila forehitra vokatry ny haitrano tany Mahanoro Andemaka Vohipeno... ♦ Tezitra mafy noho ny fihitaran'ny ady any amin'ny faritra Moyen-Orient i Etazonia ka mandrahona ny hanao fanafihana mahery vaika an'i Iran indray...

Alahady 26 jolay 2026 - Alahady faha-17 mandavantaona — A — Mety ny mahafoy izay tsara hahazoana ny tsara kokoa. Misaotra Anao aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Sarotra ny misafidy, manoloana ny safidy omen'Andriamanitra an'ny olona, anefa misy harena lehibe sy sarobidy kokoa noho ny harena rehetra eto an-tany dia ny Fanjakan'Andriamanitra, ary tsy iza fa i Jesoa mihitsy, ilay antoky ny fiainana sy ny fahasambarana. Ny fo dia mahay mihaino, ivon'ny fisainana, ivon'ny fanapahan-kevitra sy ny sitrapo ary ivon'ny fifandraisana amin'Andriamanitra....

♦ Tontosa teny amin'ny fidasian'ny lapan'ny tanàna Analakely omaly ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihan'ny FFKM, nitondrana am-bavaka ny firenena, manoloana ny halatra sy vono olona tato ho ato sy natao ho fisaonam-pirenena ihany koa... ♦ Miisa 256 ireo tranga fahaverezan'olona niseho teto Madagasikara hatramin'ny niandohan'ity taona 2026 ity hatramin'izao ka ny 9 tamin'ireo no fahaverezana niafara tamin'ny vono olona, raha ny nambaran'ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Anatin'ny famolavolana ny fanovana ny fandaharam-pampianarana ny eo anivon'ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa...

Manana andraikitra manokana ny Kardinaly eo amin'ny firenena misy azy, mitondra ny feon'ny vahoaka, ary tsy afaka ny hangina manoloana ny tsy rariny. Ny Eveka dia manana adidy hitondra ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny lalan'ny fahamarinana, fiarovana ny aina ary ny fihavanana. Efa ela, nanoloana ireo mpanjanaka, ireo Eveka misiônera no nitondra sy nanao tatitra mikasika ny zava-nisy ary tsy mena maso miteny ny tsy rariny, hatramin'ny taona 1945, ary maro ireo tahirin-tsoratra manamarina izany maneho ny tatitra nalefa tany Rome... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

♦ Tontosa teny amin'ny fidasiana Lapan'ny Tanàna Analakely androany ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihan'ny FFKM, nitondrana ambavaka ny firenena, manoloana ny halatra sy vono olona tato ho ato sy natao ho fisaonam-pirenena ihany koa... ♦ Miisa 256 ireo tranga fahaverezan'olona niseho teto Madagasikara hatramin'ny niandohan'ity taona 2026 ity hatramin'izao, ka ny 9 tamin'ireo no fahaverezana niafara tamin'ny vono olona, raha ny nambaran'ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Anatin'ny famolavolana ny fanovana ny fandaharam-pampianarana (plan sectorel de l'éducation) ny eo anivon'ny Ministeran'ny fampianarana teknika...

Mijoro ao amin’ny faritr’i DIANA ankehitriny ny vovonana iadian-kevitra hoan’ny lalam-pihariana tantely na ny Plate Forme Miel DIANA. Manomboka miroborobo ao amin’ity faritra ity ny seha-pihariana noho ny tohana ataon’ny mpiara-miombon’antoka, dia ny tetikasa FFF FAO, ny HELVETAS ary ny Réseau SOA. Na dia maro aza ezaka vita ao DIANA momba izay fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely izay, maro ny fanamby mbola atrehana amin’ny hoavy...

Mila mandray andraikitra amin’ny fahasimban’ny tontolo manodidina sy ny ala ao amin’ny toerana misy azy ny tantsaha eny ambanivoitra. Mila fahaizana sy fifehezana ny teknika nefa ny fanataterahana izany. Mahatsapa izany ny Réseau SOA ka nampiofana tamin’ny alalan’ny atrik’asa momba ny tsara ho fantatra amin’ny fanarenana ny tontolo manodinana sy ny ala na ny RPF tao Antanetibe Mahazaza ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo an’ireo mpikambana avy amin’ny fikambanana SoaMitsinjo sy ny Filamatra Soa Iombonana na ny FISOI...

Lasa ampahany lehibe amin’ny fiainan’ny tanora ankehitriny ny interneto sy ny tambajotra-tserasera. Sehatra iray manampy amin’ny fianarana, fifandraisana, fitadiavana vaovao, fanehoana talenta ary fananganana fahafahana vaovao izy ireo. Kanefa, miaraka amin’izany dia misy ihany koa ireo loza mety hitranga toy ny vaovao diso, fanorisorenana an-tserasera, fisolokiana, famitahana ary fampiasana tafahoatra. Ny interneto dia fitaovana mahery vaika; miankina amin’ny fomba ampiasantsika azy no hahatonga azy ho fanampiana na ho fandrika... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...