Ny herisetra ao an-tsekoly dia matetika mitranga, maro anefa ireo tsy mahalala ireo voasokajy ho herisetra. Ny herisetra dia tranga misy avy ety ivelany miantefa amin'ny olona iray ka mitondra fijaliana sy fanaintainana, ao anaty indrindra indrindra. Ny herisetra araka izany dia misy karazany maro : ara-batana, ara-moraly. Mety hiteraka ratra anaty sy ao am-po, mampihorohoro ny saina. Tsy mahakasika irery ny mpianatra ny herisetra ao an-tsekoly fa mahakasika ireo voaresaka manodidina ny telozoram-panabeazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Tsy mihemotra amin'ny fanapahan-keviny ny amin'ny famindràna ny toby fiantsonana ho eny Amoronankona ny fitondram-panjakàna, manomboka anio ny fiaingana sy ny fahatongavan'ny mpandeha eny an-toerana... ♦ Tombony ho an'i Madagasikara ny fananana ny tahirim-bolam-pirenena fiatrehana ny loza voajanahary, firenena afrikana miisa 4 no tonga maka traik'efa momba ny fitantanana ny loza eto Madagasikara... ♦ Hiatra avy hatrany amin'ity taom-pianarana vaovao 2026-2027 ity ny fanovàna ho an'ny fanadinam-panjakàna BEPC, izay tsy hisian'ny sokajy A sy B hisafidianana intsony, fa tsy maintsy iadinana ny taranja anglisy...

• Nisy androany ireo nanatanteraka hetsika nanoherana ny fialany eny amin'ny Fasan'ny Karana. Tsy hilefitra anefa ny fanjakana, hoy ny Minisitry ny Fitaterana... • Nesorina tsy ho Ben'ny Tanana ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoboeny, ny Ben'ny Tanana am-perinasa. Antsojay politika no andikan'ity Ben'ny Tanana nalana tamin'ny toerany ity, izao raharaha izao... • Hisy fivoana, manomboka amin'ity taom-pianarana vaovao 2026-2027 ity, ny fanadinana BEPC ka foana ny sokajy A sy B...

♦ Tapaka ny lalam-pirenena faha-7, eny Ambatofotsy ny antoandro teo, noho ny fitokonan'ireo mpitatitra eny amin'ny Fasan'ny Karàna. Nobahanan'izy ireo ny fifamoivoizana miditra an'Antananarivo... ♦ Tokony mbola hitohy amin'ny dinika pôlitika iadian-kevitra momba ny fanorenana ilay fakan-kevitra teny Iavoloha hoy ny antoko V.H.T... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpamily taxi-be zotra 186 nifaoka olona teny amin'ny Tonelina Ambohidahy. Niakatra fitsaràna omaly momba ity raharaha ity izy, omaly... ♦ Miha-lany ireo tahirin'ny fitaovam-piadian'ny Amerikana noho ny ady ataon'i Etazonia any Iran...

Etoana dia ireo mety ho hafatra napetraky ny olona iray mialohan'ny hafatesany no tiana resahina eto. Ny hafatra dia teny napetra amin'olona hafa, teny am-bava na an-tsoratra, mety hisy vavolombelona na tsia. Ny teny dia manana ny hasiny, torak'izany koa ny fanahy, izay velona foana na maty aza ny vatana. Ny isa telo dia isa masina ary metitika misy amin'ireo tranga samihafa, toy ny hoe "maty in-telo ilay fiara" rehefa nitondrana razana iray amin'ny toerana izay mifanohitra amin'ny hafatry ny maty. Mety hiteraka loza ny tsy fanatanterahana ny hafatry ny maty anefa mety ho fifandrifin-javatra ihany koa...

♦ .Paik'ady manokana no nahitàna ilay volamena 6 kilao tsy ara-dalàna saika haondrana, tratra tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny alahady. Misy mpiasan'ny fadintseranana tafiditra tamin'ity raharaha ity.. ♦ Tapitra anio ny 7 andro nomena ireo mpitatitra eny amin'ny Fasan'ny karàna hifindràna eny Amoronankona. Mbola niziriziry tsy hiala eny an-toerana izy ireo, ka mbola nanao fitokonana omaly... ♦ Olona maromaro no niharan'ny herisetra, noho ny resaka ady tany tao amin'ny kaominina Ambatomanjaka, distrika Miarinarivo. Nikorontana ny fiaraha-monina vokatry ny didim-pitsaràna nivoaka...

• Paikady sy fiaraha-miasan'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Fadintseranana Malagasy no nahatratrarana ilay vehivavy nitondra volamena tsy ara-dalana, milanja manodidina ny 6 kg, testy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly alahady... • Voaloan'ny orinasa MAMA tao anatin'ny telo volana, ny trosa izay hetra an'ny fanjakana. Voaloa ihany koa ny onitra ho an'ireo mpitatitra sy olon-tsotra niaram-boina miisa 114, izay mitentina miliara maromaro... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha androany, ny hetsika Herinandro ho an'ny fanomezan-dra, ataon'ny Polism-pirenena...

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fanavaozana ny fandaharam-pibeazana, tian'ny fitondrana fanavaozana ampiharina ankehitriny, ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Antoka iray tsy hiverimberenan'ny fivadibadihana palitao sy ny krisy eto amin'ny Firenena Malagasy, ny fanolorana kandidà avy amin'ny antoko politika amin'ny fifidianana ho avy, hoy ny antoko HVM... ♦ Mampanantena indray ny JIRAMA fa hisy fihenany manomboka anio hariva ny faharetan'ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo... ♦ Hiatrika fifidianana filoham-pirenena amin'ny volana janoary 2027 i Nigeria ka miisa 18 ny kandidà amin'izany...

♦ Niverina ho ady hevitra lehibe eto amin'ny firenena ny zotra-pifidianana tany amin'ny taona 2023, taorian'ny fitoriana ny filoha teo aloha Andry Rajoelina, nataon'ny DLC eny anivon'ny Primatiora... ♦ Nisy indray ny fahatratrarana bolongam-bolamena tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Nanao bemidina nijery izany ireo tompon'andraiki-panjakàna notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana, omaly...  ♦ Hihatra manomboka amin'ity alatsinainy ity ny fandaminana vaovao momba ny fifamoivoizana amin'ireo lalana manodidina an'i Mahamasina...

♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo vovonan'ny sekoly tsy miankina mandà ny fampiharana ny fanovàna rafi-pibeazana any amin'ny kilasy famaranana... ♦ Nodisoin'ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany ny filazàna fa izy no nanome alalana ireo mpitatitra eny amin'ny Fasan'ny karàna hijanona eny an-toerana... ♦ Namaly ny fangatahan'ireo Ben'ny Tanàna ao anatin'ny Disitrikan'Ambatolampy ny Minisitra Mpiahy ny Faritra Vakinankaratra, Haingotiana Andriamadison, ka nanolotra fanampiana samihafa ho an'ny mponina... ♦ Olona 44 isa naratra, vokatry ny loza nihatra tamin'ny fiaran-dalamby tany Cleon...

Alahady 13 septambra 2026. Alahady faha-24 mandavantaona — A — Izay mamela no havela. Aleloia. Aleloia. Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.Aleloia. Tsy azo atao kajikajy ny famelan-keloka. Tsy fetra ho amin'ny famelan-keloka no fampianarana nomen'i Jesoa, amin'ny hoe "Im-pitopolo fito" fa antso ho amin'ny famelan-keloka mandrakariva. Ny mpanara-dia an'i Kristy dia tsy tokony hanisa hoe "impiry no namela heloka" fa tokony hatsiaro kosa hoe "impiry izy no navelan'Andriamanitra heloka"...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...