♦ Mbola tsy fantatra 6 volana aty aorian'ny fivoahan'ny didim-pitsaràna ny daty hamerenana ny fifitianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina amin'ireo kaominina 12 isa. Manaitra ny CENI amin'izany ny Kmf/Cnoe... ♦ Mitokona indray ny mpianatry ny Polytechnique Vontovorona. Nidina an-dalambe indray izy ireo, nanomboka ny maraina teo noho ny olan'ny famatsiana jiro sy rano eny amin'ny tranon'ny mpianatra... ♦ Manahy sahady ny PMH fa hidàngana be ny vidim-bary, atsy ho atsy. Ratsy ny voka-bary any Ambatondrazaka, sompitr'i Madagasikara tamin'ity taona ity, raha ny tatitr'io fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa io...
♦ Hihaona mivantana eny Tsimbazaza ny alakamisy sy ny zoma izao ireo solombavambahoaka sy ireo mpikamban'ny governemanta. Fihaonana izay heverina fa hampafàna ny raharahm-pirenena amin'ity herinandro ity... ♦ Tsy nahitam-bokany ny fitakian'ny Fisemare ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an'ireo sendikalista roa, nampidirina am-ponja any Toamasina. Naneho ny alahelony ny faran'ny herinandro teo ity Sendikà ity... ♦ Hanomboka anio ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Kianja 6 no handray ny fanadinana hatrehan'ireo mpiadina maherin'ny 40.000...
Ny Papa izay manana ny fahefana feno amin'ny fitondrana sy ny fampianarana ny Eglizy no filohan'ny Eveka rehetra. Ny eveka rehetra dia miombona amin'io filohany io mba hahalavorary sy feno ny fahefan'ny Papa. Avy amin'i Kristy Lohan'ny Eglizy io fahefana io satria izy nanangana an'i Simôna ho vatolampy sy mpitana ny fanalahidy eo amin'ny Eglizy, nametraka azy ho Mpiandry ny andian'ondry... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ao amin'ireo Eveka otronin'ireo pretra no mitoetra anivon'ireo mpino i Jesoa Kristy Tompo, Mpisorona fara-tampony. Mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra Ray Izy, kanefa tsy banga ny toerany eo afovoan'ny fivorian'ireo evekany. Ny fanamasinana Eveka dia manome feno ny sakramentan'ny Filaharana, mametraka adidy hanamasina sady hampianatra no hizaka... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Mirehatra mena avokoa ny tondro misy amin'ny sehatra samihafa eto amin'ny firenena ka mametra-panontaniana ny Rodoben'ny mpanohitra ho an'ny Demôkrasia (RMDM) hoe misy mpitondra mamaha ny olam-bahoaka ve eto Madagasikara... ♦ Tsy nisy olana ara-pahasalamana tsikaritra nandritra ny andrana fitrandrahana fasimainty tao Toliara ny taona 2026 hoy Andriamatoa Jean Pascal Valiarimanana, manam-pahaizana manokana momba ny harena ankibon'ny tany... ♦ Tanterahana eny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka ny fiadiana ny amboaran'i Afrika amin'ny baolina lavalava, lalaovin'olona 15, ho an'ny Divisiôna voalohany, sokajy vehivavy...
Samy hafa fiaviana ireo Apôstôly fa nifankahazo fomba fiteny. Lasa fitaovana hanaratsiana ny hafa ny fandrosoan'ny fampiasana ny fitaovan-tserasera (FB, TikTok...). Ilàna fahaiza-mandanjalanja ny hevitra sy ranty atosaky ny tambazotra isan-karazany. Andraikitry ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ny manoro ny ankizy sy ny mpianatra amin'ny fandanjalanjàna ny fampiasana ny teknlolojia mikasika ny serasera... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 08 jona 2025. Alahady Pantekôty : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana, ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao. Dimapolo andro lasa izay no nankalazàna ny Paka, ny Pantekôty toa izao no handraisana ny Fanahy Masina izay efa nomena ny Apôstôly, ho fanazavana ho an'ny saintsika ary ho hery ho an'ny fontsika, mba hijoro ho vavolombelon'i Jesoa Kristy. Ny Pantekôty no fahatanterahan'ny fampanantenana nolazain'i Jesoa Kristy tamin'ireo Apôstôly, dia ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ireo Mpianany sy Masina Maria...
♦ Mampiaka-peo manoloana ny delestazy lavareny misy ankehitriny ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa sy ny fikambanana hafa. Tokony ho entina eny amin'ny JIRAMA ny fitaovana simba any an-tokantrano ahitany ny fahavoazana hoy ny PMH. Mikasa hidina an-dalambe ny fikambanana Gasy Miaro ny Rariny... ♦ Tsy manao ambanin-javatra ny fanadinana BEPC katôlika ireo mpiadina niatrika izany. Tafiditra amin'ny fanadinana tanterahana any am-pianarana mantsy izany ; nifarana omaly ny BEPC Katôlika... ♦ Notoloran'ny PAM fiara tsy mahataho-dalana, ampiasan'ireo foibem-paritra any amin'ny tapany atsimon'ny nosy ny ONN...
Matio no i Lévi ilay poblikana mpamory hetra, nanaraka avy hatrany an'i Jesoa rehefa niangavian'i Jesoa hanaraka Azy tamin'ny fandalovany ; izy no nanoratra ny Evanjely voalohany. Simon nomena ny fanampin'anarana hoe "Zelote" satria izy dia anisan'ny niaritra ny fanenjehan'ny Rômana tao amin'ny jody. Jodasy Iskariota, olon'i Crioth no voatonona farany amin'ireo Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ho fitohizan'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ka haharitra ambara-pahatapitry ny taon-jato rehetra dia nanendry mpandimby ny Apôtsôly dia ny Eveka, izay mihaino ny Eveka dia mihaino an'i Kristy. Ny Eveka dia manana adidy handavorary sy hanatevina ny asa nataomboky ny Apôstôly, nanankinana ny andian'ondry manontolo, mampianatra ny foto-pinoana, Mpisorona... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Nifarana androany ny dimy andro nanatanterahana ny fanadinana BEPC Katôlika tany amin'ny Diôsezy 22 manerana an'i Madagasikara... ♦ Nahazo fiara tsy mahataho-dalana miisa efatra avy amin'ny Fandaharan'as eran-tany ho an'ny Sakafo(PAM), ny Ôfisim-pirenena ho an'ny Fanjarian-tsakafo (ONN)... ♦ Manambana hitondra ireo fitaovana simban'ny delestazy eny amin'ny Biraon'ny JIRAMA ny mpiaro ny zon'ny Mpanjifa (PMH)... ♦ Nanatanteraka fitsidihana ôfisialy tany CUBA i Mgr Paul Gallagher tamin'ity herinandro ity...
Nankalazaina androany alakamisy 05 Jona izao ny andro eran-tany ho an’ny tontolo iainana. Loha-hevitra nosafidian’ny firenena mikambana ho voizina mandritra izany ny atsahatra ny fandotoana ara-plastika ny tontolo iainana eran-tany. Mandray anjara mavitrika amin’ny fanamarihana izany andron’ny 05 jona izany ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety mikirakira ny tontolo iainana na ny AJE. Nanasa an’i Dokotera SALAMA Jean Claude namelabelatra ny momba ny plastika sy ny voka-dratsin’ny fiparitahan’ny fako plastika eny amin’ny tontolo misy antsika ary ny vahaolana entina misoroka izany hoan’ireo mpikambana ao aminy ny AJE...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco