Manana anjara toeana lehibe amin'ny fanabeazana sy fanomanana ny ankizy hiatrika ny ho avy ny sekoly, ny Fiangonana ary ny fiaraha-monina, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa sy ny fanabeazana ara-tsaina, ara-moraly ary ara-panahy. Ny fanorenana ny ho avy tsara dia miainga ao amin'ny fianakaviana amin'ny fifandraisan'ny mpivady izay tokony hiorina amin'ny fifankatiavana, fifanajana ary fifampiresahana. Modely ho an'ny zanany ny ray aman-dreny ka andraikiny ny mampita soatoavina tsara toy ny fanajana, fifampitsinjovina, fahamarinana ary fandraisan'andraikitra... Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar...