• Laharana voalohany vonjimaika ao amin'ny Vondrona 1 misy azy ny ekipam-pirenena Barea, tao aorian'ny lalao nifandonany tamin'i Centrafrique omaly. 4 sy 1 no isa nibatan'ny ekipam-pirenena malagasy ny fandresena... • Hanatanteraka hetsika ho firaisam-po ny Paramed manerana ny nosy anio alakamisy 20 marsa. Tsy hisy ny asa ataon'izy ireo eny anivon'ny CSB sy ny hopitaly, ankoatra ny fiandrasan-draharaha... • Belo Tsiribihina - Morondava : Nitrangana loza an-dranomasina namoizana ain'olona efatra ka ny roa olon-dehibe ary ankizy ny roa hafa. Mpandeha miisa 8 no mbola karohana...

• Baolina kitra : tanterahana any Maroc ny fihaonana eo amin'i Madagasikara sy i Centre Afrique. Vonona hibata fandresena ny mpilalao tarihan'ny mpanazatra Corentin Martins... • Tokony hampiarina amin'izay ny lalana manoloana ny fanalam-baraka sy ny fanaratsiana amin'ny tambajotran-tserasera. Fanambaran'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera, Mara Volamiranty Dona... • Very fanahy mbola velona ireo tantsaha mpamboly ao amin'ny Fokontany Ankarenana sy Amboangivy ao amin'ny Kaominina Ambohimasina, Distrikan'Arivonimamo, noho ny fisian'ny fitrandrahana volamena eo anelanelan'ireo fokontany roa ireo. Potika ny fambolem-bary, toa izany koa ny tohadrano...

• Efa eny am-pelatanan'ny Governemanta ny soso-kevitra naroson'ny CENI amin'ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ben'ny tanana sy mpanolotsaina, ho an'ireo kaominina nodidian'ny Fitsarana averina... • Very an-javony fotsiny ny hery fanoherana teto Madagasikara, tao anatin'ny taona maromaro izao, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena Paul Rabary... • Hiatrika fitsapana voalohany amin'ny fitantanana ny Barean'i Madagasikara anio, ny mpanazatra Corentin Martins...

• Efa eny amin'ny Fokontany ny lisi-pifidianana ao anatin'izao fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny RALE izao, ka manana 20 andro ny olom-pirenena hanamarinana ny anarany... • Hanokana ny rahampitso ho andro hanehoana ny firaisamonin'izy ireo ny sendikan'ny Paramed SISFM, ka eny amin'ny Hopitaly HJRA no hifamotoana ireo Paramed, ho an'ny eto Antananarivo... • Hetsika maro no entina hanamarihana ny faha-78 taonan'ny tolom-panafahana 1947, ka homem-boninahitra amin'izany ireo bekotro maro olatra miisa 233 mbola velona aina...

• Manana roapolo andro hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisi-pifidianana ny olom-pirenena. Efa nalefa eny amin'ny Fokontany avokoa ny lisi-pifidianana avy nohamarinin'ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana eny anivon'ny Distrika... • Hanomboka amin'ny zoma 21 marsa 2025 ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-78 taona nisian'ny tolo-panafahana 1947. Lohahevitry ny fankalazana amin'ity taona ity ny hoe : “Tolo-panafahana : fanilo miampita ho an'ny taranaka”... • Hanokana andro iray hanehoana ny firaisamonin'izy ireo ny sendikan'ny Paramed SISFM. Hetsika hatao ny alakamisy 20 marsa 2025. Fotoana hisaonana ireo rasazy maty...

• Mitotongana indray ny lanjan'ny vola malagasy. Efa mihoatra ny 5.000 Ariary ny Euro iray ; niakatra ho 4.600 Ariary ny Dolara iray, araka ny hita ao amin'ny tranonkalan'ny Banky Foiben'i Madagasikara... • Hiroso amin'ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely ny Kaominina Antananarivo. Omena hatramin'ny alakamisy izao ireo mpivarotra ireo hialana eny an-toerana, raha ny fitarainan'izy ireo... • Nanome antoka ny eo anivon'ny Jirama, fa madio sy voatily ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fanadiovana, ny rano vokarina. Nanitsy ny feo miely momba ny kalitaon'ny rano, ity orinasa ity...

• Mbola tsy nankatoa ny fifanarahana Afrikana momba ny Zon'ny Vehivavy i Madagasikara... • Ny 80%-n'ny hazo tsy hita afa-tsy eto Madagasikara, dia fanao fanafody avokoa. Saingy efa manomboka ho ringana anefa izy ireo, vokatry ny fanimbana ny tontolo iainana ataon'ny olombelona... • Mitsipaka tanteraka ny fikasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra hanoloana ny “Licence Taxi” isan-taona, izay handoavana vola 250.000 Ariary, ny mpitondra fiara karetsaka mivondrona ao amin'ny FTAR...

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Levitika (Lev. 19, 1-2. 11-18)

Ny rariny ihany no hitsaranao ny namanao.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

“Mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra, lazao aminy hoe:
Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, Tompo Andriamanitrareo.
Aza mangalatra, aza mifamitaka na mifandainga ianareo.
Aza mianian-tsy tò amin’ny Anarako, fa fanamavoana ny Anaran’ny Andriamanitrao izany.
Izaho no Tompo. Aza mampahory ny namanao, na manendaka azy.
Aza tananao miloaka alina ny karaman’ny mpikarama.
Aza manozona ny marenina, na mametraka eo alohan’ny jamba izay zavatra mety hamotraka azy,
fa matahora an’Andriamanitrao.
Izaho no Tompo. Aza manao ny tsy rariny amin’ny fitsarana,
ny mahantra aza ananana tombom-pitia,
ny manankarena aza ananana fankasitrahana,
fa ny rariny ihany no hitsaranao ny namanao.
Aza manely fanaratsiana eo amin’ny firenenao.
Ary aza mitsangan-ko vavolombelona handatsaka ny ran’ny namanao.
Izaho no Tompo. Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao,
fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin’ny zanaky ny firenenao.
Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Tompo.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 18, 8. 9. 10. 15)

Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana.

Ny Lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny Didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny Fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny Baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny Fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.

Ho sitraka eo anoloanao anie,
ny vetson’ny foko sy ny tenin’ny vavako,
ry Tompo vatolampiko,
ry Ilay mpanavotra ahy!

Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)

Isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’Olona otronin’ny Anjely rehetra,
dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra
ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy;
ny ondry moa hataony eo ankavanany, ary ny osy kosa eo ankaviany.

Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo an-kavanany hoe:

‘Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko,
handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao.
Fa noana Aho, nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, notafianareo;
narary Aho, novangianareo;
tany an-tranomaizina Aho, notsidihinareo.’

Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe:

‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina;
nangetaheta ka nomenay hosotroina?
Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay,
na tsy nitafy ka notafianay?
Oviana no hitanay narary Ianao na tany an-tranomaizina ka novangianay?’

Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao hoe:

‘Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany
tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo,
dia nanao izany tamiko.

Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray Izy ka hanao hoe:

‘Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay
izay voavoatra ho an’ny demony sy ny anjeliny.
Fa noana Aho, tsy nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, tsy nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, tsy nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, tsy notafianareo;
narary Aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo.’

Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe:

‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao,
na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy,
na narary na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy Anao izahay?’

Fa hovaliany hoe:

‘Lazaiko marina aminareo
fa isaky ny tsy nanao izany
tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto ianareo,
dia tsy nanao izany tamiko koa.’

Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo,
fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

• Zava-dehibe ny fanamafisana ny fijerena ny maha olona, hoy ny Evekan'Antsiranana, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, nandritra ny fitsidihana ny Aomoneria Katolika eny amin'ny Oniversiten'Antsiranana... • Nanatanteraka hetsika nanehoany ny tsy fahafaliany, vokatry ny fiainana ny delestazy efa am-bolana maro, ireo mpanjifa any Morombe... • Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo Anosimasina Moramanga, Lalam-pirenena faha-44, omaly maraina tokony ho tamin'ny 4 ora. Lehilahy iray no maty vokatr'izany...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 11, 18-20)

Izaho hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina.

I Jeremia niteny tamin’ny Tompo hoe:

“Nampahalalain’ny Tompo aho ka nahalala;
nampahafantarinao ahy tamin’izay ny ataon’izy ireo!
Izaho, tamin’izany,
hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina,
ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe:

‘Fongory mbamin’ny voany ny hazo!
Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy,
ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!’

Mitsara ara-drariny anefa ny Tompon’ny tafika;
mamantatra ny soa sy ny fo Izy.
Ka hahita ny famalianao azy ireo aho,
fa Ianao no efa nanankinako ny adiko.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 7, 2-3. 9bd-10. 11-12)

Ry Tompo Andriamanitro ô, Ianao no ifefeko.

Ry Tompo Andriamanitra ô! Ianao no ifefeko.
Vonjeo amin’ny mpanenjika rehetra aho:
ndrao izy ho toy ny liona mandrotika,
mamiravira tsy misy mirombaka.

Tsarao araka ny fahamarinako aho, ry Tompo,
sy araka ny tsy fananako tsiny, ry Ilay Avo.
Valio ny haratsian’ireo ratsy;
ny olo-marina kosa ajoroy
ry Mpandinika ny fo sy ny saina,
ry Andriamanitra marina.

Ny Mpanao soa ahy dia Andriamanitra,
ilay Mpamonjy ny mahitsy fo.
Andriamanitra Mpitsara marina,
tsy mba mitezitra isan’andro

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 40-53)

Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy?

Tamin’izany andro izany,
nony nandre ny tenin’i Jesoa ny vahoaka,
ny sasany nanao hoe:

“Ity tokoa no Ilay Mpaminany”;

ny sasany nanao hoe:

“Ity no Kristy”;

fa hoy kosa ny sasany:

“Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy?
Tsy voalazan’ny Soratra Masina va
fa avy amin’ny taranak’i Davida,
sy avy amin’ny tanàna Betilehema nitoeran’i Davida
no hiavian’i Kristy?”

Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka.
Ny sasany tamin’izy ireo aza nitady hisambotra Azy;
saingy tsy nisy sahy nitana Azy.
Dia niverina tany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina ny miaramila,
ka nilazan’ireo hoe:

“Ahoana no tsy nitondranareo Azy?”

Fa hoy ny navalin’ny miaramila:

“Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny.”

Dia hoy ny Farisianina tamin’ireo:

“Ianareo koa angaha voasolokiny?
Jereo ange raha mba misy loholona
na Farisianina iray akory nino Azy?
Ary raha izay vahoaka foana
tsy mahalala ny Lalàna akory,
dia olona voaozona ireny.”

Dia i Nikôdema ilay nanatona an’i Jesoa nony alina sy anisan’izy ireo,
no nanao taminy hoe:

“Moa ny Lalàntsika va manameloka olona
raha tsy efa re aloha ny teniny,
ka fantatra koa izay nataony?”

Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:

“Ianao koa ve avy any Galilea?
Diniho dia ho hitanao
fa tsy misy mpaminany avy any Galilea.”

Dia samy lasa nody any an-tranony avy izy ireo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 2, 1a. 12-22)

Aoka hohelohintsika amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy.

Tamin’ny faniasiavan’ny sainy no nifampilazan’ireo ratsy fanahy hoe:

“Ifanakony ny marina, satria manahirana antsika izy,
manohitra ny fomba fanaontsika,
manìny antsika amin’ny fandikantsika ny lalàna
ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra
amin’izay nampianarana antsika.
Mihambo ho manana ny fahalalana an’Andriamanitra izy,
ary hataony hoe zanak’Andriamanitra ny anarany.
Faniniana ny hevitsika izy ho antsika
ary tsy zakantsika na ny mahita azy fotsiny aza;
satria tsy mba tahaka ny an’ny olon-kafa ny toe-piainany
ary ny lalany hafahafa.
Araka ny heviny, isika dia faikan-java-maloto foana,
ny fomba fiainantsika fadìny toy ny loto:
ny anjaran’ny marina, torìny ho tsara miafara;
ary mirehaka ho manana an’Andriamanitra ho rainy izy.
Aoka ho zahantsika raha marina ny filazany,
ary hodinihintsika izay hahazo azy,
eo am-pialana amin’ity fiainana ity.
Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina,
dia arovan’Andriamanitra izy,
ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony.
Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe,
hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!
Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy,
satria araka ny filazany dia hoahìn’Andriamanitra izy.”

Izany no hevitr’izy ireo;
diso hevitra anefa izy;
fa jamban’ny haratsiany.
Tsy mahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy,
tsy manantena valisoa noho ny fahamasinana;
ary tsy mino fa hisy valisoa ho an’ny fanahy madio.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 33, 17-18. 19-20. 21 sy 23)

Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo.

Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo.
Ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.

Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Na maro fahoriana aza ny olo-marina,
dia afahan’ny Tompo amin’izy rehetra.

Ny taolany ambenany avokoa,
ka tsy ahatapahana iray akory.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo;
tsy hisy ho voasazy izay mifefy aminy!

Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay..

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 1-2. 10. 25-30)

Nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa mbola tsy tonga ny fotoany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety an’i Galilea fa tsy nety nankany Jodea,
satria nitady hahafaty Azy ny Jody.
Ary efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay.
Kanjo nony lasa ny rahalahiny,
dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy,
saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina.
Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe:

“Moa tsy Izy io ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?
Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io,
ka no tsy misy sahy miteny Azy akory?
Sao dia efa fantatry ny loholona kosa
fa io no i Kristy?
Ny niavian’Izy io anefa fantatsika;
fa ny hiavian’i Kristy kosa
tsy misy hahalala rahefa tonga Izy.”

Dia niantso àry i Jesoa
tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly
ka nanao hoe:

“Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako.
Nefa tsy tonga ho Ahy Aho,
fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo.
Izaho no mahalala Azy,
satria Izy no niaviako, ary Izy no naniraka Ahy.”

Tamin’izay dia nisambotra Azy ny olona,
kanefa tsy nisy sahy nitana Azy,
satria tsy mbola tonga ny fotoany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...