Tsy maintsy mifototra amin’ny fananganana orinasa manodina ny vokatra ara-pambolena isika raha te hanafaka ny fahantrana misy amin’izao fotoana izao, indrindra eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Manana fahafahana manao izany tsara i Madagasikara fa mila finiavana avy amin’ny rehetra ny fanatanterahana azy. Izay no votoatin’ny voka-pikarohana nataon’i Dokotera Rajaonson Hugues, mpahay toekarena, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo.
Mba ahafahana mamorona tambajotra matanjaka amin’ny indostria mifototra amin’ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena dia tsy maintsy mavitrika sy hentitra ny fandraisan’anjaran’ny Fanjakana ary mampiasa ireo fitaovana rehetra eo ampelatanany, araka ny fanazavany.
Mila omena lanja ny vokatra mampiavaka an’i Madagasikara ary mitaky finiavana avy amin’ireo mpamokatra sy ireo indostria malagasy izany amin’ny alalan’ny politika misehatra amin’ny lafiny maro, isan’izany ny fiarovana ny fananan’olona sy ny olona eny ambanivohitra hamokarana ireo akora fototra, ny fiarovana ny fananan-tany.
Fanararaotra ahafahana manodina ara-indostria avokoa ny vokatra eto amintsika, ny vary, ny katsaka, ny mangahazo, ny orge sy ny Haricot vert hoy hatrany ity mpahay toekarena ity.
Ilaina koa ny mampifanaraka ny politika ara-ketra mba hamporisihana ny fanodinana eto an-toerana sy ny famoronana sanda fanampiny hoy Dokotera Rajaonson Hugues.