Zava-dehibe ny asa ataon'ireo matihanina, mikarakara olona an-tsitrapo, izay tena ialaina eo amin'ny fahasalaman'ny fiaraha-monina sy ny hatsaram-piainana iombonana. Maro ireo olona misehatra amin'izany asa fikarakarana ny hafa izany, ka izany no nahatonga ny Firenena Maikambana nanokana Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Asa Fikarakarana ny Hafa sy ny Fanohanana (Journée Internationa des Soins et de l'Assistance), izay ankalazaina ny 29 ôktôbra. Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastoralin'ny Fahasalamana...