♦ Noazavaina tamin'ireo fikambanana na vondrom-pikambanana misehatra amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana teny amin'ny foiben-toeran'ny CENI omaly ny pitsopitsony arahana amin'ny zotra-pifidianana... ♦ Tsy tokony hanao hadisoana intsony ny governemanta hijoro ho avy eo hoy ny antoko Otrik'afo. Fotoana hirosoana amin'ny tena fanavaozana mantsy izao hoy Andriamatoa Elia Rabevahiny, filohany... ♦ Hivaha tsy ho ela ny olan'ny famatsiana solika. Efa tonga ao Toamasina ny sambo mpitondra solika ho an'i Madagasikara... ♦ Nanamafy ny fahafatesan'ny ministra misahana ny fanangonam-baovao any aminy ny mpitondra ao Iran...
♦ Nisy androany ny fihaonana savaranonando teny amin'ny CENI Alarobia, nanazavana ny tsara ho fantatra amin'ny fifidianana ny solontenan'ireo mpisehatra amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana... ♦ Misy fanehoan-kevitra samihafa momba ny fananganana governemanta... ♦ Hiverina amin'ny laoniny manombok amin'ny zoma izao ny famatsiana solika ho antsika eto Madagasikara. Efa miantsona ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina ny sambo mpitondra solika hoy ny OMH... ♦ Noamarinin'ny avy ao Teheran omaly, ny fahafatesan'ny lehiben'ny fiarovana any Iran, vokatry ny fanafihana an'habakabaka nataon'ny Amerikana sy ny Israeliana...
♦ Namoaka fanambaràna ny ministeran'ny fitsaràna androany momba ny fisiana IST ho an'olona 13 isa. Voalaza fa tsy avy amin'ny ministra teo aloha izany, araka ny vaovao niparitaka omaly... ♦ Lemaka midadasika 100.000 Ha, no hanaovan'ny tetik'asa Invest Mada fambolena any Ambatondrazaka. Pitsopitsony ara-taratasy sisa dia hanomboka izany, hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Vola 4 tapitrisa Dôlara isan-taona no hatokan'ny QMM ho an'ny fandraisana andraikitra hampivoarana ny fiaraha-miasa (RSE). Anatin'ny fampiasàa ny teti-bola taona 20242025 ny orinasa amin'izao...
Tsikaritra ho mivaona kely ny fanamarihana ny 8 marsa, izay somary nirona tamin'ny fisehoana ivelany fotsiny, haingo sy fety ; ny tena votoatin'ny 8 marsa anefa dia fitakiana ny zo izay tsy sitrahan'ny vehivavy amin'ny fiainana andavanandro (ohatra : zo hiasa sy handray tambin-kasasarana, zo ho arovana...) Ny vehivavy dia hery iray ho an'ny fanavaozana ny firenena, ny vehivavy rahateo no fototry ny fanabeazana noho izany dia manana ny lanjany amin'ny lafin-javatra maro izy ireny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Mila hovàna ny rafitra napetraky ny mpanjanaka teto Madagasikara hoy ny vondron'ny Manampahaizana nasiônaly (GEN). Namoaka fanambaràna momba ny raharaham-pirenena izy ireo omaly... ♦ Misy fikorontanana ny famatsiana lasantsy eto Antananarivo sy ao Toamasina. Ny zoma izao no vinavinaina hiverina amin'ny laoniny izany hoy ny eo anivon'ny OMH... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 500 Ariary ny kapoakan'ny fotsim-bary any Alaotra ankehitriny. Manao antso avo amin'ny fitondana ireo fikambanana sy hery velona samihafa avy any an-toerana... ♦ Noesorina tamin'ny Sénégal ny fahazoany ny amboaran'ny Can 2025, i Maroc no nambara ho tompon-dakan'i Afrika...
♦ Nampihatrano ny fihaonambe "forum" momba ny asa mendrika ho an'ny tanora ny tetsy amin'ny Centre Notre-Dame de Clairvaux Ivato, androany. Nandray anjara tamin'izany, ankohatry ny Saleziana Don Bosco mpikarakara, ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny sehatry ny fampananan'asa ny tanora eto Madagasikara... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginana ny vondron'ireo manampahaizana nasiônaly. Nambaran'ny GEN fa ny rafitra no mila kitihana ho tombontsoan'ny Malagasy... ♦ Amin'ny zoma ho avy izao no hiverina ny famatsiana solika eto an-drenivohitra hoy ny Ofisy Malagasy ho an'ny Ankoran'afo (OMH)...
♦ Manomboka mandeha tsikelikely mankany amin'ny fandravàna andrim-panjakàna izay notakian'ny mpitolona ny raharaham-pirenena amin'izao hoy ny antoko SFDM... ♦ Misy fikorontanana ny fitsinjaràna ny karazan-tsolika "lasantsy" amin'ireo toby mpaninjara sasany eto Antananarivo. Tara ny fahatongavan'ny sambo mpamatsy solika ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina... ♦ Nahiditra am-ponja vonjimaika eny Imerintsiatosika Andriamatoa Ravalison Israel, noho ilay fisandohana galona Jeneraly teo anivon'ny fandraharahàna ny fonja. Anisan'ny vesatra hanenjehina azy ny resaka fisandohana sy fanovàna galona tamin'ny fomba tsy ara-dalàna...
Ny "kipotsaka" dia karazan-dahabolana entina hisarihana ny olona hiresahana hifantoka amin'ny dinika hatao. Ireo tanora mifampiresaka momba ny fitiavana no matetika tena manao azy ity. Andiam-pehezan-teny tsy mifampiankina fa entina misarika fifantohana fotsiny. Ohatra : Ganagana tsy mba gisa, manontany tsy mahadiso... Lahabolana Betsileo no nipoiran'ity lahabolana ity ary ny "kalita" no mitovitovy amin'ny, izay somary misy ady rima...
♦ Hijoro tsy ho ela ny governemanta. Vokatra no entina amin'ny vahoaka efa niaina fijaliana. Nasongadin'ny Praiministra vaovao ireo omaly, nandritra ny famindram-pitantanana teny amin'ny Lapan'i Mahazoarivo, omaly... ♦ Mifanenjana ny tale jeneraly sy ny tale mpitantana ara-bola eo anivon'ny "Aviation Civile de Madagascar". Andrasana hotanteraka anio maraina ny famindran-draharaha tokony hataon'io tale io, taorian'ny zava-nisy omaly... ♦ Mitaky ny fanesorana ny tale ao amin'ny CEG Betsimitatatra 67 Ha ny mpampianatra sy ny mpanabe ary ny mpandraharaha ao an-toerana. Manome 48 ora ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo hamaliana ny fitakiana...
♦ Ao anatin'ny masontsivana hisafidianana ireo ministra handrafitra ny governemanta, izay hijoro tsy ho ela, ny fahitsiana hoy ny Praiministra Rajaonarison Mamitiana, androany... ♦ Navarin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena ho "catégorie 3" ireo mpampianatra nahavita fiofanana teo anivon'ny CRINFP ka nampiaka-peo, androany, ny sendika SSIM... ♦ Natomboka androany ary haharitra 3 andro ny fizarana ny "Fidiovana" ho an'ny Malagasy tsy an-kanavaka, ho fanamarihana ny taom-baovao Malagasy... ♦ Nanaiky ny hampiato ny fandraisana teratany keniana hiady ho an'i Russie any Ukraine ny fitondrana russe, hoy ny lehiben'ny diplômasia keniana, androany...
♦ Tontosa androany teny amin'ny lapam-panjakàna Mahazoarivo ny famindram-pahefana sy fitantanana teo amin'ny Praiministra vaovao Mamintiana Rajaonarison sy ny Praiministra teo aloha Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Hanomboka amin'ity herinandro ity ny asa fanomanana ny fanapariahana ireo fitaovana hanatanterahana ny fisoratana anarana biômetrika manerana ny nosy. Nahomby ny andrana natao tao amin'ny distrika Antananarivo-Atsimondrano... ♦Mbola miparitaka eran-tany ny vokatra tsy azo antoka, misy hosoka ka mampihena fahatokisan'ny mpanjifa hoy ny sekretera jeneralin'ny ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna...
--- Marihana isaky ny 15 Mars, isan-taona, ny andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa. Tanjona kendrena amin’izany ny hanandratana ny zo fototry ny mpanjifa, ny fiantohana azy, ny vaovao tokony ho sitrahany ary ny safidiny. "Vokatra azo antoka, mpanjifa feno fahatokiana", izay no lohahevitra voizina amin’ity taona ity. Isan-taona, ankalazaina mitety faritra ary amin’ny fomba manetriketrika, ity andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa ity eto amintsika. Tamin’ny herintaona, ohatra, ny tao Antsirabe renivohitr’i Vakinakaratra, no nandray izany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco