Masindahy Irénée de Lyon dia mampifandray ny "Imago Dei" amin'i Kristy, satria ao amin'i Kristy no ahitana amin'ny fomba feno ny endrik'Andriamanitra sy ny fahatanterahan'ny olombelona. Ny olona dia tsy feno raha sarahina amin'i Kristy, Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita maso.... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

[Miara-dàlana] Zoma 20 novambra 2026

• Fiofanana maharitra sy faharetana mivavaka no nanentanan'ny Eveka ireo pretra diosezanina, mba hiatrehana ny fanamby ankehitriny… • Nitantara ny vokatry ny fitsidihana Apostolika tany Amerika Latina, ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo… • Any Odessa, simba taorian'ny fanafihana rosiana, ny Katedraly katolika…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...