Ny fahasalaman'ny zaza vaoteraka hatramin'ny faha-5 taona dia ilàna fahalalana fototra : tonga volana ve ilay zaza (37 - 41 herinandro), nitomany mafy ve ilay zaza tamin'ny vao teraka, lanjan-jaza, ary tsara sy tomombana ve ilay zaza, misakafo tsara ve, ny fahadiovan'ny zaza sy ny sakafo. 1 taona ny zaza efa tokony hanomboka haleo tena, eo ihany koa no hanampiana ilay zaza hiteny marina sy mazava ohatra hoe "Tôtô" no hanazaratsika ny zaza anefa tokony hoe "Alika" ; ny fampianarana fahalalam-pomba sy fanalàna azy amin'ny tahotra, avela hilalao sy hifangarao amin'olona. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.