Ny Ôsika na Ôsiky dia lahabolana malagasy fiangalin'ny Betsimisaraka Avaratra, ny foko Tsimihety, Faritra Ambatosoa, eo ihany koa ny Faritra Alaotra (Sihanaka). Lahabolana atao an-kira ary manana endrika antsa. Tsy mifidy sokajin-taona ny fiangaliana an'ity lahabolana ity, ary fanao amin'ny fotoan-dehibe amin'ny lafin-javatra an-karavona. Misy karazany ny ôsika: ôsi-drazana fanao amin'ny fanatanterahana fomban-drazana; ny ôsi-tromba izay fiantsoana tromba; ny ôsin-tsintaka fanao amin'ny fampankaram-bady; ny ôsi-dihy sy ny ôsi-jijy...