Zo fototra ho an’ny olona tsirairay, na lahy na vavy, na ankizy na olon-dehibe no misitraka sakafo sahaza ho azy. Isan’ny navoitran’ny ministry ny fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy Andriamatoa Francesco Machini avy ao amin’ny biraon’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny sakafo na ny FAO eto Madagasikara izany nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany hoan’ny sakafo teny amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina ny 16 oktobra 2016...
Ilaina hoy ny avy ao amin’ny FAO ny mampitombo ny vokatra saingy tokony mifanaraka amin’ny hatsaràn’ny kalitao koa izany. Manana andraikitra goavana amin’izay famokarana sakafo izay ny tantsaha mpamokatra. Misedra olana maro samihafa nefa izy ireo manoloana ny tontolo misy azy, toa ny ara-tany, ny toetr’andro, ny famatsiambola, ny tsy fandriampahalemana ka mila fanohanana…
“Manavao ny fomba famokarana anio, ho fiantohana ny sakafo rahampitso” no lohahevitra novoizina tamin’ny andro eran-tany hoan’ny sakafo tamin’ity taona ity. Natomboka tamin’ny fanentanana tamin’ny alalan’ny filaharambe nanodidina ny farihan’Anosy, nankeny amin’ny kianjan’i Barea nataon’ireo fikambanam-behivavy samihafa, ny fankalazana, mialohan’ny lahateny fanokafan’ny ministry ny fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, RAMINDO Gaëtan : Tsy ho tratra amin’ny taona 2027 ny fahavitan-tena ara-bary hoan’i Madagasikara noho ny antony samihafa ; azo antoko kosa ny hatratrarana izany amin’ny taona 2028. Isan’ny nambaran’ny ministry ny fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo koa izany nandritra ny tafa hoan’ny mpanao gazety nataony teny amin’ny kianjan’i Barean’i Mahamasina, nankalazana ny 16 oktobra, andro eran-tany hoan’ny sakafo.
“Manavao ny fomba famokarana anio, ho fiantohana ny sakafo rahampitso” (Innover aujourd’hui pour nourrir demain).