Ny olona dia noforonina araka ny endrik'Andriamanitra ary firaisan'ny vatana sy fanahy ka ilaina ny manamafy fa ny maha-olona dia firaisana tsy azo sarahina ary ny hasiny dia tsy azo foanana. Ny olona dia tsy azo zarazaraina ho singa misaraka : vatana, saina, fanahy ary fiaraha-monina ; ireo no maha-olona feno... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.